Grande Bretagne (UK): May i Londres (Lahatsary)

Nivadika korontana sy fandrobana teo amin'ireo tanora ao an-tanàn'i Londres sy ao an-tanàna hafa ao Royaume Uni  ny fahatezerana noho ny famonoana nataon'ny polisy taminà rangahy iray 29 taona tao Tottenham, avaratr'i Londres tamin'ny 4 aogositra 2011.

Tao amin'ny Twitter, ampiasana tsy ankiato ny tenifototra #LondonRiots, misy hatrany ny fanehoan-kevitra, tsaho sy ny fijoroana vavolombelona alefa. Mampiseho fanantenana fa hifarana tsy ho ela ny fandrobana ny vokatry ny fikarohana tenifototra #RiotCleanup izay ampiasan'ny olom-pirenena mpanolo-tena mazoto manampy amin'ny fanadiovana ny lalana sy ny fanamboarana ny simba.

Nanomboka ny Asabotsy 6 Aogositra ny herisetra taorian'ny fihetsiketsehana tao ivelan'ny tobi-polisy Tottenham, fihetsiketsehana izay mitaky ny “fahamarinana” ho an'ireo nihara-boina, Mark Duggan. Araka ny voalazan'ny BBC momba ny fizotry ny raharaha, tao anatin'ny filaminana no niantombohan'ny fihetsiketsehana kanefa dia niafara tamin'ny fandoroana fiara, trano, ary fiara mpitatitra lehibe.

Ity lahatsary notontosain'i Prokopi Constantinou ity dia mampiseho ny afo midedadeda sy setroka miakatra manerana ny avaratr'i Londres ny maraimben'ny 7 Aogositra (feonkira nataon'i Dogtanion):

Mpanao gazety iray KC Wildmoon no nanatontosa fitantarana mivantana ny zava-niseho tamin'ny fiparitahanan'ny hetsika manerana an'i Londres tamin ‘ny Alahady sy Alatsinainy tao Enfield, Dalston, ary tao Brixton.

Mampiseho ny fiparitahan'ny hetsika ity saritany nataona mpahay ny ampitso James Cridland (@JamesCridland) ity. Mampiseho ny loza nitranga hatrany Birmingham sy tao Liverpool ny sary manontolo ao amin'ny saritany.

Sary mampiseho ny fandrobana ao London / Fandrobana tao UK : voamarina ny toerana ao anaty saritany lehibe kokoa

Nanampy tamin'ny fandefasana lahatsary, sary, ary saritany momba ny herisetra ihany koa ireo olom-pirenena.

Ny Alatsinainy maraina, nanatontosa “Saritanin'ny Fandrobana  tao Brixton “ilay  bilaogera ao amin'ny Global Voices  Janet Gunter ary nampiasa ny fitaovana Crowdmap.com an'i Ushahidi mba hanarahana ny zavamisy ao an-tanànany, atsimo andrefan'i Londres

Ny harivan'ny andro, nahitana tatitra  22 momba ny fandrobana tao amin'ny tranokala (saritany) ary iray amin'ny “vaovao mahafaly” ny nandresana fa nizara mofomamy maimaim-poana ny mpivaron-kena iray ao an-tanàna. Iray amin'ireo lahatsary ao amin'ny tranokala no nalefan'ny @subedited sy@emmareyn, lahatsary mampiseho ny fandrobana nanomboka voalohany hatramin'ny farany tao amin'ny magazay T-Mobile ao Brixton Road (lalam-barotra voalohany). Teo akaikin'ny H&M, nivoaka ny magazay niaraka tamin'ny akanjo marobe teny an-tànany ireo mpandroba .

Ao an-tanàna atsinanan'i Londres, Bethnal Green, lahatsary iray mampiseho ireo tanora mamaky tavoahangy sy varavaram-pitaratry ny magazay, ary polisy marobe tsy voatanisa miaraka aminy fitaovam-piarovana no mifanehatra amin'izy ireo.

Tranokalam-baovao an'olom-pirenena Blottr.com no nandefa vaovao sy sary avy any Royaume Uni manontolo.

Fa nahoana?

Satria mbola nitohy ny fanimbana, efa manomboka tsymahazaka ny fisian'ireo mpandrobe ny mponina.

Nizara ireo fanehoan-kevitra marobe tao amin'ny, @OxfordGirl nilaza fa:

@OxfordGirl: Tsy misy fandrobana, fihetsiketsehana, fitakiana na teny filamatra, fa fandrobana sy fanimbana an'i Londres fotsiny ihany izao. Hanampy antsika rehetra anie ny ao ambony #LondonRiots

Mpamoron-kira sy mpampandihy Casey Rain, namorona bilaogy tamin'ny Tumblr momba ny fandrobana tao Birmingham, izay ahitana sary sy vaovao farany. Tamin'ny Alatsinainy izy no nizara fanehoan-kevitra manokana mandrisika ny vahoaka mba hanana fo mangoraka amin'ireo mpandroba izy :

Mora kokoa ny manala andraikitra ireo mpandroba ho toy ny “fako tsy misy ilàna azy” saingy misy olana goavambe eto. Amin'ny maha tanora lehilahy ahy, izay foko vitsy an'isa tao an-tanàna nahaterahako, dia kely ny vintana, mety homisy kely fantatro momba ireo olona ireo. Azoko tsara ny fahatsapana ny fahalemena mahazo. Nanam-bitana aho noho ny fahombiazako amin'ny maha-mpihira ahy ary afaka manamboatra ny hoaviko manokana amin'ny lafiny tsara hatrany, saingy ireto ankizy  mpandroba ireto dia tsy mba mahita ny hoaviny mamiratra mihitsy. Tsy nahazo rariny tamin'ny fiaraha-monina izy ireo, nofitahin'ny governemanta izy ireo tamin'ny fanapahana ny fanampiana ara-bola amin'ny asa-tanana sy fanakatonana ny foiben'ny tanora, niakatra ambony be ny tsy fisian'ny asa ary tsy mety mahita asa mihitsy ireo mitady asa fatratra , ary ny anton'izany rehetra izany (ny fahafatesan'i Mark Duggan) izay zava-nisy TENA IZY.

Manohy mizara vaovao hatrany ny Vaovao Bilaogy Guardian . Anisan'ireo vondrona marobe tao amin'ny Facebook no nandefa vaovao momba ny fandrobana, tahakan'ny “London Riots 2011″ sy “London Riots”.

Sylwia Presley (@PresleySylwia) sy Asteris Masouras (@Asteris) nanampy tamin'ny fitadiavam-baovao sy ny rohy misy izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.