Tokony Hanondrotra Ny Karama Farany Ambany Ve i Thailandy?

Zavatra anisan'ny nampanatenain'ny praiminisitra Yingluck Shinawatra sy ny Antoko Pheu Thai ny hanondrotana ny karama farany ambany ao Thailandy izay manodididina ny 160 baht ho lasa 300 Baht (US$10) ny andro iray. Tao aorian'ny fandreseny anefa dia nilaza izy fa ampiharina amin'ny herintaona ny fanondrotana ny karama rehefa tafapetraka ny maribolan-karaman'ireo tafavoaka teny amin'ny anjerimanontolo amin'ny oktobra ho avy io (Bt15,000 na 500 dolara amerikana).

Araka ny efa nampoizina dia mandà izany fanondrotana ny karama farany ambany izany ny mpandraharaha. Efa nanome antoka ny rafitra tsy miankina amin'ny fanjakana ny governemanta fa tsy maintsy hakàna hevitra ry zareo mialoha ny hametrahana ny fanondrotana dia nilaza fa tsy maintsy maka hevitra any aminy vao manapa-kevitra momba ny fanavaozana ny karama. Ireto misy fihetseham-po avy amin'ny bilaogera :

Andrew Spooner dia mangataka ny mba hanaovana fikarohana misimisy kokoa ho fanohanana ny filàna ny fanitsiana kely ny karama:

Izay zavatra tena atrehintsika maso, raha tokony ho adihevitra mifototra amin'ny tombony na fatiantoky ny fanondrotana ny karama farany ambany indrindra, dia ny kiakiaka mahazatra, ireo feon'olona izay tena maniry mafy ny handrava ny governemanta voafidim-bahoaka, toy izay hanangana marina izay soa ho an'ireo vahoaka mahantra eo anivon'ny fiarahamonina (ka tsy ireo olona ireo ihany ary ve no efa matetika nikiaka “firaisam-pirenena” isaky ny misy fotoana azo anaovana an'izany?).

Harrison George ao amin'ny Prachatai dia manamarika ireo teboka goavana amin'ilay adi-hevitra:

Raha ny fampiakarana ny karama farany ambany no fomba tsara mba hahazoana mampiakatra ny fahefa-mividin'ireo olona izay tena amin'ny ambaratonga ambany eo amin'ny fiarahamonina dia raharaha hafa mihitsy, nefa dia izay no azontsika. I Pheu Thai dia nampanantena fa hampiakatra izany nefa dia Andriamanitra irery ihany no mahafantatra hoe kapitalista mpampiasa firy no miara-dàlana amin-dry zareo, noho izany dia tokony ho efa fantatr'izy ireo ny zavatra nijabahana.

Ka aoka hataony àry.

Izao dieny izao.

Suthichai Yoon dia manambara ny olana miandry anio praiminisitra io izay marihana fa nampiasa ny politikan'ny fakàna olona maro mba hahazoana vato’:

Ireto ny TSY AZO ATAO natolotra:

1. Averina ny endri-panohanana ara-bola ny famokarana vary akotry izay nanodididina ny Bt20,000 ny taonina.
2. Ampiakaro ho Bt300 isan'andro ny karama farany ambanin'ireo mpiasa nofanina manokana ary Bt15.000 isam-bolana ho an'ireo mpianatra vao mahazo diplaoma amin'ny Janoary 2012
3. Ampidino ny hetran'ny orinasa izay 30 ho 23%.
4. Omeo solosaina ny ankizy manomboka eo amin'ny fanabeazana fototra no miakatra.
5. Manamboara lalan-tany mba hiantohana ny famatsiana angovo mandritra ny fotoana maharitra

Saingy, hay moa, ireny ka fampanantenana tamin'ny andron'ny fampielezan-kevitra fotsiny, sa tsy izany? Izay fomba hivoahana amin'izao olana izao dia andraikitra fenon'ireo mpanao politika izay nampiasa ny politikan'ny fakàna olona maro fotsiny hahazoana vatom-pifidianana, nefa fanta'izy ireo tsara fa zavatra tsy ho azo apetrakaeo amin'ny fiainana andavan'andro.

Denyzofisarn dia mampatsiaro an'i Yingluck hitazona ny fampanantenany

ZZZZZZZI Yingluck no ilay manga mamy (voankazo) tamin'ny andron'ny fampielezan-kevitra ka nahazo “lalitra” betsaka tao amin'ny faritra izay manan-danja indrindra ao Thailandy, raha resaka isan'ny seza ao amin'ny parlemanta. Tazony ny teninao!Ampiakaro ny karama farany ambany mba hitovy laharana amin'ny 300bht iraisam-pirenena, izao dieny izao miaraka amin'ireo depute 300 anananao. ‘Niketrika’ tafio-drivotra ianao, sa tsy izany?!

Aye Nai ao amin'ny Feo Demaokratikan'i Birmania (Democratic Voice of Burma) dia manoratra momba ny fiantraikan'ny karama ambany indrindra izay betsaka ao Thailandy efa misy ho 4 tapitrisa amin'ireo mpiasa mpifindra monina. Eo amin'ny 80 isan-jaton'ny mpiasa tsy tompon-tany no avy any Birmania.

Ko Aye, vondrom-piarahamonin'ireo mpiasa Birmana izay manohana ireo mpifindra monina ao amin'ny tanàna an-tsisintany Thai ao Mae Sot, dia niteny fa ‘raha mampilendalenda tsy misy toy izany ilay ‘politika momba ny mpiasa mpila ravinahitra’, dia zara kosa raha mandray n y karama farany ambany indrindra izy ireo amin'izao fotoana izao.

Niteny koa izy fa betsaka ireo orinasa no mety mbola hiketrika mafy hitady izay tsy fetezana ao anatin'ny lalanan'ny asa mahakasika ireo mpiasa mpila ravinahitra, izay ny ankamaroany no mpiasa aminà orinasa kely tsy dia ilàna mari-pahaizana ireny ary mazàna no tsy misitraka akory ny fepetra ilain'ny asa tahaka ireo Thai mitovy kilasy aminhy.

Ny sarisary nampiasaina dia avy amin'ny pejy Flickr-n'i jenny downing CC License Attribution 2.0 Generic (CC BY 2.0)

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.