Sina: Nitokona Ireo Mpamily Fiarakaretsaka Sy Ireo Mpiasan’ ny Làlamby.

Onjam-pitokonana vaovao iray indray no nitranga tao Sina. Tamin'ity indray mitoraka ity dia tsy teo anivon'ireo mpasa mpifindra monina avy any ambanivohitra miasa aminà toeram-piasana tsy ara-dalàna ireny, fa teny anivon'ireo mpamily sy mpiasa amin'ny sehatra fitaterana an-tanàn-dehibe. Maneho izany hoe hatraiza ny fiantraikan'ny fitontongan'ny sandam-bola sy ny fidangan'ny vidim-piainana amin'ireo olona monina an-tanàn-dehibe izay miharatsy hatrany ny fiainana mahazatra azy.

Mpamily fiarakaretsaka mitokona ao Hangzhou

Efa ho telo andro izay no nanombohan'ireo mpamily fiarakaretsaka ny fitokonany tao Hangzhoua, tanàna lehibe indrindra ao amin'ny faritra Zhejiang ao atsinanan'i Sina, ny 1 Aogositra 2011…..

Chen Jieren, mpanao tsikeram-baovao malaza amin'izao fotoana sady mpitoraka bilaogy kiritika ao amin'ny Weibo, dia nitatitra ny 2 Aogositra:

More than 8,000 taxi drivers participated in a strike in Hanzhou.

Maherin'ny 8.000 ireo mpamily fiarakaretsaka nandray anjara tamin'ny fitokonana tao Hangzhou.

 

【杭州出租车大罢工赢得少量权利】8月1日,杭州的士司机因不满燃油费和租金高而大罢工,从上午开始,全市8000多辆的士有超过一半停运并摆满各处街面。罢工到下午,市政府宣布两项措施,一是10月底前调价,二是在调价前由市政府提供临时补助,标准为每笔生意一元钱,但这未能让司机满意,罢工可能复发。

[Ny fitokonan'ireo mpamily fiarakaretsaka tao Hangzhou dia nahazo valiny somary mahafa-po ihany] Ny 1 Aogositra, nanao fihetsikettsehana ireo mpamily fiarakaretsaka ao Hangzhou manohitra ny halafon'ny vidin-tsolika sy ny hofan'ny fiara, fiarakaretsaka maherin'ny 8.000 no nihazo ny fihetsiketsehana vao maraina be. Ny tolakandro, nilaza ny governemanta fa handroso fepetra roa izy ireo: 1. Fanitsiana ny saran'ny fiarakaretsaka ny faran'ny Ôktôbra; 2. Ny governemanta dia hanome 1 yuan isaky ny fihodinana iray ho an'ny mpamily. Mety mbola hanohy ny fitokonana ireo mpamily, raha tsy mahafa-po azy ireo ny fepetra vaovao.

Araka ny voalazan'ny Reuters, ireo mpamily mpitokona dia tsy afa-po tamin'ilay tolotra , ka mbola nanohy ny fitakiany izy ireo. Mbola nitatitra ihany koa ny Reuters fa manàmbana ny handefa tsikera ao amin'ny Weibo ireo mpamily izay nosakanana na nafindra, ary ireo haino aman-jery ao an-toerana dia nandà ny hitatitra ilay fitokonana.

Nanazava ny antony tao ambadik'ilay fitokonan'ny fiarakaretsaka i Zhang Kai, mpisolovava momba ny zon'olombelona :

杭州出租车司机罢工是必然,上半年出差杭州我就有预知。当时打车很困难,和一个司机了解,他们主要是外地人,除去份子,每月收入不足两千。这还要保证不得病,无意外。杭州房子均价上万,的士司机如祥子,干一辈子都无法安身。

Azo nojerena mialoha ihany ny fitokonan'ireo mpamily fiarakaretsaka tao Hangzhou. Tany am-piandohan'ity taona ity, raha nihazo an'i Hangzhou aho, hitako fa tena sarotra ny nanakana  fiarakaretsaka. Nilaza tamiko ny mpamily fa ny ankamaroan'izy ireo dia tsy avy eo an-toerana ary ny vola miditra amin'izy ireo isam-bolana dia latsaky ny 2.000 RMB ($250 USD). Noho izany tsy afaka manefa ny saran'ny fitsaboana na loza iray ianao. Maherin'ny 10.000 RMB isaky ny iray metatra tora-droa ny vidin-trano ao Hanzhou, na hanangona mandritra ny androm-piainana aza tsy hahafahanao mividy efitrano iray.

Tao amin'ny Weibo ihany, @hzhouse nanasongadina fa ny olana momba ny fitrandrahana ny fahazon-dalana hitàna orinasa mampiasa fiarakaretsaka dia tsy mbola voavaha:

今天早上出租车司机停运,主要诉求是杭州路堵,生意难做。一个班次收入约500块,份子钱上交220块,油费200块左右,一天收入只剩七八十,除掉吃住等花销,所剩无几。本次罢工矛头指“油价高、路堵、补贴低(”,那么份子钱又该如何看待?为什么受伤的总是百姓!

Io maraina io, nanao fitokonana ireo mpamily fiarakaretsaka. Mitaraina noho ny fitohanana sy ny fidiram-bola kely izy ireo. Manodidina ny 500 RMB(USD $80)no azon'izy ireo amin'ny andro fiasana iray, nefa tsy maintsy mandoa 220 RMb amin'ny orinasa tompon'ny fahazoan-dàlana hanao fitaterana amin'ny fiarakaretsaka ary RMB 200 ho an'ny solika. Ny tena afa-karatsaka raisin'izy ireo izany dia eo ho eo amin'ny 70-80 RMB ( $12 USD). Raha anesoranao ny hofan'ny fiara sy sakafo, dia tsy misy tavela intsony. Ny ankamaroan'ny tatitr'ireo haino aman-jery dia niresaka momba ny halafon'ny vidin-tsolika, ny fitohanan'ny fiara ary ireo famatsiam-bola kely. Ahoana ny momba ny vola aloa amin'ny orinasa tompon'ny fahazoan-dàlana? Nahoana no ireo olon-tsotra foana no ihandronan'ny rihitra?

Ny fari-piainan'ny fianakaviana mpamily fiarakaretsaka iray ao Hangzhou.

Sary maromaro mampiseho ny fari-piainan'ny fianakaviana mpamily fiarakaretsaka iray no nahasarika ny sain'olona maro tao amin'ny Weibo (avy amin'i @ 2074609565).

【镜头】杭州出租车司机生存环境:曲长林师傅,东北人,49岁,妻子46岁,儿子23岁,三人来杭后住在湖州街蔡马新村,至今三人合睡一张床。房间加厕所面积10㎡,收入费后1500不定,房租1100,水电另算,用电由房东定价每度1块。司机半开玩笑说:我来之前听说你们杭州是天堂,没想到跟地狱一样

[Kamera] Ny fari-piainan'ny mpamily fiarakaretsaka ao Hangzhou: Andriamatoa Lam Mpamily ao Quchang, ny tena fiaviany dia avy ao amin'ny faritr'i Dongbei. 49 taona ary ny vadiny dia 46. Manana zanaka lahy 23 taona. Ny razan'izy ireo dia nipetraka tao amin'ny tanànan'i Huzhou Caima hatramin'ny nahatongavany tao Hangzhou. Matory aminà farafara iray izy ireo. 10 metatra tora-droa ny haben'ny efitranony miampy ny trano fidiovana. Manodidina ny 1500 RMB ny vola miditra aminy isam-bolana, 1100 ny hofan-trano ankoatry ny vidin-jiro sy rano. Hoy ity mpamily sady nihanihany” lazain'ny olona fa paradisa i Hangzhou, kanefa ny zavatra niainako dia helo”

Ny 3 Aogositra, @zhaxuchu dia nitsikera ny fepetra voalohany naroson'ny ben'ny tanàna ho fampitoniana ho valin'ny fitokonan'ireo fiarakaretsaka :

【人家没饭吃了,怎么稳定?】因为油价太高,因为赚不到钱,杭州出租车机体停运。杭州市市长邵占维说,要维护绝大多数正常营运出租车司机正当权益,对极少数出租车驾驶员过激行为绝不姑息,发现一起查处一起,切实维护社会稳定大局—-市长啊,稳定的前提是有饭吃,杭州出租车难找到驾驶员,你知道吗?

[ Tsy hisy fitoniana raha tsy manan-kohanina ny olona] Vokatry ny fiakaran'ny vidin-tsolika, dia tsy afaka mampidi-bola ireo mpamily fiarakaretsaka hany ka niditra tamin'ny fitokonana. Nilaza ny ben'ny tanànan'i Hangzhou Zhao jianwei fa tokony hiaro ny zon'ny ankamaroan'ireo mpamily fiarakaretsaka ny governemanta mba hampandeha tsara ny fidiram-bolan'izy ireo amin'ny fanerena ireo vitsy an'isa hatrany ifotony. Tokony hanamontsana azy ireo tsirairay ry zareo o ho fampitoniana ny fiarahamonina—ry ben'ny tanànako, ny faritry ny fitoniana dia ny fanànana fidiram-bola ampy ho an'ny sakafo. Moa ve fantatrao fa tena vitsy amin'izao fotoana ny olona maniry ho lasa mpamily?

Ny fitokonan'ny mpiasan'ny làlamby ao Changsha.

Nanao fitokonana teo amin'ny Garan'i Changsha ao amin'ny faritanin'i Hunan, atsimo afovoan'i Sina koa ireo mpiasan'ny orinasan-dàlamby ny 2 Aogositra 2011. Tena saropady tokoa ity hetsika ity, satria marihan'ny Antoko Kaomionista Sinoa ho toy ny fahombiazana mialoha ho an'ny hetsika ara-politia ireo fitokonana nisesisesy nataon'ny mpiasan'ny làlamby tamin'ny taona 1992.

Mpisolovava iray monina ao Changshan, Gan Yuan Chunu dia nizara ny vaovao  miaraka aminà sary iray :

Sarin'ny Sina weibo avy amin'i Gan Yuanchun

Naitanisa ny tatitry ny BBS (vaovao anaty aterineto) ilay mpisolovava hoe  nanodidina ny 300 ireo mpiasan'ny làlamby nanao fitokonana tao amin'ny garan'i Changshan. Tsy nazava tsara ny niteraka ny fitokonana. Gazety iray ao an-toerana,‘DailyEconomic News’ no nanaraka ny tantara ary nilaza fa ny fitokonana dia niantomboka tamin'ny fifamalian'ny mpiasa madinika momba ny fanovàna ny maro tamin'ireo talen'ny zotra fitaterana mpandeha tao amin'ny Sampan-draharaha tao  Zhuzhao nataon'ny Guangzhou Railway Corporation. Na dia izany aza anefa dia mbola marihan'ireo mpampiasa aterineto ny firotsahan'ireo mpiasan'ny fitaterana an-dalamby amin'ny pôlitika teo amin'ny tantaran'ny Repôblika Entim-bahoakan'i Sina. Ao anatinà resaka mifampitohy an'i Gan Yuanchun :

hampan 铁路工人再做一次先锋队?(8月3日 21:17)

@hampan Ho miaramilan-tsisintany indray mandeha indray va re ireo mpiasan'ny lalamby? ( 3 Aogositra 9:17 alina).

非典型医生 我外公,就参加过广州铁路工人大#罢*工。恍如隔世啊~~~(8月3日 21:11)

@154233735 Nandray anjara tamin'ilay fitokonan'ny mpiasan'ny làlamby ny dadabeko. Toy ny fiverenan'ny tantara ihany izy ity…(3 Aogositra 9:11 alina)….

浩浩歌爾 回复@Nethuhz:工人们起来了,我们学生也应该上场了~!(8月3日 20:45)

@linhhao888 mamaly an'i @Nethuhz: Nihetsika ny mpiasa, ka tokony anjaran'ny mpianatra indray ny manaraka. (3 Aogositra 8:45 alina).
Ity lahatsoratra ity dia niaraha-nanoratra  tamin'ny Oiwan Lam

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.