Togo : Miampànga Ny Fanitsakitsahana Ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovana Gazety Ireo Togole Mpanao Gazety

Nivelively ny rarivato natao ho làlana ireo togole mpanao gazety tamin'ny Sabotsy 06 Aogositra mba hanoherana ny fandrahonana ho faty mahazo ny sasany amin'ny naman'izy ireo. Tamin'ny Alarobia 03 Aogositra no nalefan'ny fikambanana “SOS Journaliste en danger”(Vonjeo ny mpanao gazety fa tandindonin-doza) ny antso, tao Lomé.

Sary famantarana ny "SOS Journaliste-en-Danger" ao Togo

Tato anatin'ny andro vitsy, nisintona ny lakolosy fanairana ireo matihanina amin'ny fampitam-baovao sy ny fifandraisana mivondrona ao anatin'ny  “SOS journaliste en danger” noho ny fandrahonana mitatao aminà andiana mpanao gazety togole heverina ho « mpitondra fanakianana ny fitondràna ».
Ireny fandrahonana ireny, raha ny lazain'i Ferdinand Ayité no itokiana, ilay filohan'ny “SOS journaliste en danger”, dia avy amin'ny Masoivohom-pitsikilovam-pirenena, na “Agence nationale de renseignement (ANR)” ary araka ny fanazavan'i Fabbi Kouassi ao amin'ny bilaoginy, dia drafitra ikendrena ny:

ny hanohintohinana ara-batana ireo mpanao gazety, indrindra amin'ny famoronana loza sarintsariny, ny fanapoizinana, ary ny famoronana antontan-taratasy isan-karazany etsy sy eroa.

Ho an'ireo tompon'andraikitry ny fikambanana, ireny fandrahona anireny dia namafisin'ny taratasy iray fampitandremana tsy misy sonia, nosoratan'izay nitonona ho olona avy amin'ny Zandarimaria miasa ho an'ny ANR ary nalefa tamin'ireo mpanao gazety kinendry tamin'ny andron'ny 21 Jolay 2011.
Ny antso nalefan'io vondrona mpanao gazety io dia nahazo ny fanohanan'ireo fikambanan miaro ny zon'olombelona, ny sendika, ireo vondrona politika ary fikambanana hafa misy mpanao gazety ao an-toerana.
Anaty fanambaràna iombonana, ny Fiombonamben'ireo mpanao gazety mahaleotena  ao Togo, na “Union des journalistes indépendants du Togo” (UJIT), ny Filankevi-pirenen'ireo tomponà trano fanaovan-gazety, na  “Conseil national des patrons de presse (CONAPP)” ary ny Ivontoerana Togole ho Fanaraha-maso ny media, na “Observatoire togolais des médias (OTM)”dia miteny fa niantso ny “Commission nationale aux droits de l’homme (CNDH)” – Komitim-pirenena momba ny zon'olombelona mba hanokatra fanadihadiana manodidina io raharaha io sady, mandrisika ireo mpiara-miasa tratry ny fandrahonana mba hisitraka ny zony amin'ny fihaikàna ny fitsaràna mba ho an'ny hetsiky ny fahamarinana.

Gazety an-tsoratra ao Togo ao amin'ny bilaogin'i Godwin Afedo

Ao amin'ny Togoforum, misy fintina momba ny zava-nitranga nandritra ny herinandro manoritsoritra ny fandehan'io dingana io :

 

Ireo tomponandraikiytra ao amin'ny “Union des Journalistes Indépendants du Togo (UJIT)”, ny “Conseil National des Patrons de Presse (CONAPP)” sy ny “Observatoire Togolais des Médias (OTM)” dia nihaona tamin'ny :

- Ny andron'ny Alarobia 27 Jolay 2011, ny Minisitry ny Filaminana sy ny Fiarovana Sivily ary ny an'ny Fifandrainsa

-Ny andron'ny Zoma 29 Jolay 2011, ny Filohan'ny HAAC ao amin'ny Andrim-panjakana,

-Ny andron'ny Alatsinainy 1 Aogositra 2011, ny Filohan'ny  CNDH, ny Minisitry ny Fifandraisana, fanindroany indray, ny Minisitry ny Zon'Olombelona, ny Fanamafisan'orina ny Demaokrasia sy ny Fampiofanana olom-pirenena ary ny Talen'ny Fifandraisana ao amin'ny fiadidiana ny Repoblika ao Togo, tany amin'ny biraon'izy ireny.

[..]

Nandritra ireny fifanatonana samihafa ireny, ireo tomponandraikitra ireo dia samy naneho ny ahiahiny momba ireo fandrahonana mianjady amin'ireo mpiara-miasa sasany ireo mialoha ny nanasàny ny Manampahefana mahefa hirotsaka mivantana amin'ny fiarovana ho fitonian'ireo mpanao gazety rehetra.

Ny diaben'ireo mpanao gazety ho fanoherana izany dia nikendry indrindra indrindra , araka ny nambaran'ireo mpikarakara, ny hiampangàana ireo mpanitsakitsaka ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety. Mangataka ry zareo mab hisy hetsika matotra kokoa hatao ato anatin'ny andro vitsy ho avy mba hiarovana ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety ao Togo.
Ao Togo, ny ANR amin'ireo fotoana dia eo afovoan'ny onjam-piampangàna maro samihafa momba ny fanitsakitsahana ankarihary ny zon'olombelona.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.