Syria : Ramadan mitohy, vono olona mitombo

Mitohy mandritra ny Ramadany ny fihetsiketsehana miantso ny “fialan”  ‘ny filoha Bachar Al Assad any Syria. Nitombo ny isan'ny maty ary mitohy ihany koa ny resabe manerana ny tontolo Arabo.

Manome hatrany ny vaovao farany ho an'ny mpamakiny ny mpikatroka any Syria amin'ny alalan'ny famoahana lahatsary sy ny valan-tserasera isan-karazany.

ShamSNN nampiditra an-tserasera lahatsary iray mampiseho ny fihetsiketsehana aorian'ny vavaka Tarawih [teny frantsay] tany Lattaquié , izay iantsoantsoana ny fialan'i Al Assad. Amin'ny alina aorian'ny fifadian-kanina atoandro no isian'ny fihetsiketsehana.

http://www.youtube.com/watch?v=2wJ5XV5HXjk

Syrian Days of Rage indray namoaka ity lahatsary ahitana ny fihetsiketsehana mandritra ny alina any Alep ity ka iantsoana ny fandravana ny fitondrana.

Avy any an-tanànan'i Douma, ity lahatsary nampidirin'i Abullahaldoumany an-tserasera ity no mampiseho ireo lazaina ho polisy mitifitra amin'ny mpanao fihetsiketsehana, mbola taorian'ny vavaka Tarawih hatrany :

Nisiokantsera ny Syriana Leila Nachawati :

@leila_na: mitohy ny fandripahana olona, mitohy hatrany. Aleon'ny fitondrana mandrava, mandripaka, mandoro ny firenena iray manontolo toy izay miala . #Syria #RamadanMassacre

Razan Saffour manome ny isa farany ny andron'ny alahady :

@RazanSpeaks: Andro mena indray teto #Syria. Homs sy Deir El-Zour. Nihoatra ny 45 ny maty amin'ny anaran'ny fanavaozana.   #RamadanMassacre

Sultan Al Qassemi, avy any amin'ny Emirà Arabo Mitambatra, nanome isa hafa, avy amin'ny fantsom-baovao Al Arabiya :

@SultanAlQassemi: Al Arabiya – Araka ny nolazain'ny mpikatroka syriana : 57 no maty nandritra ny iraka nampanaovina ny tafika syrieana. #RamadanMassacre #Syria

Avy any Yemen, @NoonArabia no manoratra ao amin'ny Twitter :

@NoonArabia: Andriamanitra hitahy ny Libyana any ambava ady ho amin'ny fahafahana #Libya sy ny Syriana anaty horohoro sy fifadian-kanina any an-tanànan'i #Syria #Ramadan

Taorian'ny fijerena lahatsary mampihoron-koditra ny fampijaliana any Syria, ny bilaogera saodiana  Ahmed Al Omran no nisiokantsera :

@ahmed: Inona ny tetikasako amin'ny faran'ny herinandro ? Rehefa avy nijery ny lahatsary ahitana izay mitranga any Syria androany aho dia tsy misy hitako manana ny lanjany ny tetikasako. #ramadanmassacre

Mandritra izany fotoana izany dia manontany ny bilaogera sady mpikatroka anglo-kiorda Ruwayda Mustafah :

@RuwaydaMustafah: Moa ve aloha mba mieritreritra ny haka fanapahan-kevitra momba an'i Syria ny ligy Arabo, sa mitady zavatra be loatra izany ? #RamadanMassacre

CrowdVoice dia nanolotra raki-dahatsary sy atontam-baovao izay azonao jerena ato miaraka amin'ny fampitandremana fa mampihoro-koditra ny mijery ny lahatsary sasany.

Ny fanehoan-kevitra hafa amin'ny Twitter mandritra ity Ramadany any Syria ity dia azonao jerena amin'ny alalan'ny fampiasana ny tenifototra #RamadanMassacre

Misy ihany koa ny lahatsary azonao jerena amin'ny alalan'ny fampiasana tenifototra #RamadanMassacre ary hita ato.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.