Zambia: Mitaraina sy Mandoka Amin'ny Làlana Elektronika

Dear Zambia ( na Ho an'i Zambia) dia tsy toy ny Vohikala mahazatra anao izay ny votoatiny dia ireo manampahaizana sady mpikaroka siantifika no mametraka azy ao andamosina ao. Mifanohitra amin'izay, ny ao anatiny dia novokarin'ireo Zambiana voan'ny tsika'ombalahy noho ny zavatra tsy manjary eto amin'ny firenena, na, koa , ireo tsy manan-javatra tsara hambara mihitsy mikasika zavatra iray sarobidy,  indrisy.

Zarao ny efa niainanao niaraka tamin'ny fitantànana tao Zambia. Sary nindramina tamin'ny Dear Zambia

Ilay vohikala dia manana sokajy maro miainga avy amin'ny governemanta ( ministra, polisy, departemanta, birao), ka hatramin'ny haino aman-jery ( gazety, fahitalavitra, onjam-peo) ary ny ireo masoivoho ( Visas, Ambasady/ Iraka Ambony ao Zambia, sns.)

Fitanisàna mikasika ny polisy mpandrindra fifamoivoizana manao kolikoly niseho tamin'ny fiandohan'ity taona ity nandeha tahaka izao : Kasosi Mpunga nanoratra hoe :

Ho an'i Zambia ,

Mino aho fa mba hamaky an'ito ny  IG na mba afaka ny ho anontaniana momba ilay fitarainana izay kasaiko hatao. Tsikaritro hatry ny ela fa ireo manampahefanaamin'ny fifamoivoizana ao Lusaka dia tena mpanao kolikoly marina  tokoa ary manontany tena ihany aho hoe inona no mba ataon'ny IG manoloana io. Matetika aho mandalo amin'iny làlana Kafue iny ary mazàna dia misy fandrika amin'ny hafainganam-pandeha na sakan-dàlana ary hitako ireo  mpamily manome vola fotsiny izao ho an'ireo polisy. Indray mandeha nahita mpamily kamiao naka K50,000 ary nanome izany ny mpanampy azy ary ity farany niolomay nanolotra izany an'ilay Polisy dia lasa nanohy ny dia. Ary tsy menatra akory io lehilahy io nipi-maso ahy. Inona no mba ataon'ny  IG eo anoloan'izany ? Inona ny dikan'ny hametrahana  polisy eny an-dalambe raha hanao risoriso sy hamela fiara tsy tokony hifamoivoy handeha ? Mba misy dikany ve zany?

Afaka manome vahaolana ve ny teknolojia amin'io aretina nikiky ny ara-moralin'ny Zambiana io,  amin'ny fakàna sary ny risoriso ataon'ny polisy ?

Mpaka  sary niomana hampiasa ny findainy hakàna sary polisy nanao risoriso  :

Kasosi,

Tena mihevitra haka sary miafina amin'ny alàlan'ny findaiko marina aho amin'ny manaraka rehefa mba tratra aminà toeram-pisavàna iray. Na hiangavy olona anao izany rehefa mody manao risoriso koa aho. Avy eo, alefako mivantana amin'ny ACC sy  ZP sy ny filazam-baovao hafa rehetra toy ny  MUVI TV, sns. Ny tanjoko ? Ho hita amin'ny  lohatenim-baovao  maro be ilay lahatsary ka ilay polisy tompon'antoka dia tsy hahita atao intsony afa-tsy ny mametra-pialàna na ho voaroaka.

Mpandray anjara iray hafa, Kasenengwa, nihevitra fa ilay mpaka sary dia Zambiana iray niaina ela tany am-pita, mety ho tany andrefana.

Ry mpaka sary

Hijoro amin'ny hevitro aho hanambara fa nijanona fotoana maharitra loatra tany am-pita ianao. Mihevitra ianao fa izay mety any am-pita dia hety eto koa. Ary eo amin'izay no manomboka ny nofinofinao.

Tohizo hatrany ary ataovy antsakany sy andavany izay lazainao ary jereo ny zava-mitranga. Izao ny atao hoe Zambia, ry akama. fikambanana kelinà mpandraharaha  taloha nangalatra vola Dollars an-tapitrisany tamin'ny vahoakan'i Zambia. Karazana porofo maro no naseho hanoherana azy sy ny mpanaraka azy.  Matrix, Katele, itsy-iroa. Nefa nahazo fahafahana ilay olona tamin'ny farany. Amin'izao fotoana izao raha mifanena aminy ianao, atahorana hampivaky roa ny loha keliny ny tsikiny tonga hatrany am-poto-tsofiny. Lehibe loatra ny fitsikiny. Miaraka amin'ny bikany kaponya, mitsika foana izy mandrapaha tongany eny amin'ny Banky. Eraky ny làlana.

Izay no atao hoe Zambia ho anao.

Lohahevitra nampihetsi-po iray noresahana tao amin'ny filazam-baovao tao amin'ny Aterineto nitondra ny lohateny hoe  “firy ny Tena Mpanao gazety tavela ao Zambia? ””

Public dia nahita fa very ny fahaiza-manao ao Zambia :

Ho an'i Zambia,

Be loatra ny filazam-baovao avy ao Unza [Anjeimanontolon'i Zambia ]. Tafavoaka fotsiny etsy ankilan'ny fingotra mpanodina (conveyer belt) toy ny vokatra vokarina betsaka amin'ny endrika mitovy any amin'ny ozinina izy. Tsy mahalala  **** ny momba ny asa fanaovan-gazety aho. Ny sasany amin'izy ireny àry no tena loza.  Hevitry ny mpiodina (Avy amin'ny mpamoaka lahatsoratra: fomba fanevatevana vehivavy tsy madio fitondran-tena) tsy misy dikany fotsiny, ary mihevitra  kokoa ny hevitra feheziny ho toy ny marina. Ary ataony azo antoka tsara hoe namadibadika ny lelany izy mba hanakaiky kokoa ny fomba fiteny Britanika.

Tsy izay entinao no maha mpanao gazety anao. Fitadiavana ny marina sy famoahana izany tsy misy fiandaniana na fiheverana mialoha. Izay no tsy ampy eto, araka ny hevitro. Izany fahaiza-manao izany dia tena fa very be.

Sahiran-tsaina amin'ny fitontongan'ny lentan'ny mpanao gazety ao Zambia, nahamarika ny mpampianatra asa fanaovan-gazety fa :

Ny marina dia tsy misy izany fanaovan-gazety izany ao Zambia. Tsy manao na dia ny hampiseho tsy fiandaniana akory aza ny mpanao gazety ary tsy mandanjalanja intsony. Afaka milaza ho mandanjalanja ve ny Post? Afaka milaza ho mandanjalanja ve ny Times/Daily? Nitsahatra mihitsy  tsy miteny izany aza izy ireo satria fantany fa tsy adala tsy misy saina akory ny olona ka hino izany. Raha izany dia inona no niofanan-dry zareo raha tsy hanao fandanjalanjana sy hanome vaovao mangarahara araka izay mitranga marina tsy miandany ? Raha misy vaovao tsara ho an'i Sata, dia TSY HO eo amin'ny pejy voalohany filazam-baovaon'ny  Times VELIVELY, raha misy vaovao tsara an'i Rupiah dia TSY HO eo amin'ny pejy voalohan'ny Post VELIVELY. NA OVIANA NA OVIANA. Noho izany tsy misy ny fanaovan-gazety. Tsy misy manokan-tena ho an'ny marina intsony ary ny marina irery ihany.

Tsy tokony hitaky akory ny ho fahefana faha-efatra akory izy ireo, satria tsy fantany marina ny tena dikan'izany. Tsy manam-pahamendrehana izy ireo.

Mbola misy ihany ny toerana ho an'ny fihomehezana na dia zava-dehibe loatra aza ilay lohahevitra ifanakalozana. Scribbler nanome soso-kevitra ny amin'ny zavatra afaka ataon'ny  Zambiana mba hahazoany  lahatsora-baovao mifandanja :

Ny zavatra iray mendrika hataon'ny tsirairay aloha dia ny mividy ireo gazety telo (Zambia Daily Mail, Times of Zambia ary ny Post) mampifamatotra azy ireo ary manao fandanjalanjana avy amin'ireo taratasy ireo – izay izay ?

Ao anaty sokajin'ireo Masoivoho,  ny iraka diplomatika Zambiana, toy ny asan'ireo iraka diplomatika vahny ao Zambia, dia tsy afa-bela amin'izany.

Mwana Chinondo nanontany tena hoe nahoana no olona tsy mahavita azy no ampiasaina ao amin'ny iraka diplomatikan'i Zambia :

Ho an'i Zambia,

Manontany tena aho hoe nahoana isika no mbola mametraka olona tsy mahavita azy ao amin'ireo Masoivoho manerana izao tontolo izao. Ny olona rehetra dia manana ho tantaraina mikasika ireo olona tsy mahavita azy sy tsy manana fahaiza-manao ireo izay manome anao asa tsy manjary. Tsy misy dikany tsotra izao izany. Toy izany koa ny ao  Washington DC, Londona, Pretoria, Harare sns. Minono tànana fotsiny ry zareo .

Avelao ny olona manam-pahaizana manokana amin'izany no hiasa eo fa tsy  “babululu [izay olom-pantatra]”!

Mpandray anjara iray , JT, nizara ny zavatra niainany fony izy tao amin'ny  Iraka Ambonin'i Zambia tao Londona :

Miombon-kevitra amin'izany aho, MAMPAHONENA ny Masoivoho Zambiana ao Londona. Tamin'izaho nipetraka tao  UK teo amin'ny herintaona teo izay ary nikasa hanaraka ny dingana nizoran'ilay pasipaoroko vaovao dia izao no mety hitranga…….tsy misy handray anao eo rehefa miantso ny ambasady alohan'ny sakafo antoandro ianao  . Ary raha aorian'ny sakafo ianao no miantso dia lazain'izy ireo fa mbola tsy niverina avy nisakafo ilay olona tadiavinao “Azafady mamerena miantso afaka 30 minitra ” ary  miantso ianao afaka 30 minitra dia teneniny hoe eny ary fa ampifandraisiko amin'ny olona afaka mandray anao  ianao. Ary dia haneno haneno hatrany ilay telefonina mandra-pahalasa famelan-kafatra azy …….ary avy eo inona hoy ianao ? Feno ilay famelan-kafatra ka tsy ho afaka ny hamela ao akory ianao……minoa ahy fa hatramin'izay dia mbola tsy nahavita nifandray tamin'ny tao mihitsy aho mandra-pisian'ny olona nanome ahy laharan'olona miasa ao………..na dia any amin'ny firenen-kafa aza dia tsy mba afaka maka lesona avy amin'ny fomba fiasan'ny namantsika mihitsy isika ?????????/ Iraka Ambonin'i Zambia ao Londona  0%

Miaraka amin'ireo fitarainana sy dokadoka elektronika rehetra ireo, sarotra ny hilaza raha misy olona iray, farafahakeliny ao amin'ny governemanta, mba mihaino.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.