Balkana: Ambonin'ny Antsasaky ny Mponina no Mampiasa ny Aterineto

Mihoatra ny 10.5 tapitrisa ireo mpampiasa Aterineto any Balkans/Yogoslavia taloha, izay manome ny salan'isa 51.7 isan-jaton'ny mponina any amin'io faritra io, araka ny tatitra iray vao haingana [sr; jereo eto ambany].

Ireo vokatra [.zip, sr] tanisain'ny Huge Media, niara-niasa tamin'i Marko Tomić, mpianatra avy ao amin'ny Fampianarana Ambony momba ny Siansan'ny Fitantanana, Anjerimanontolon'i Belgrade, dia mampiseho fa i Slovenia no manana ny taham-pidirana amin'ny tolotra  Aterineto avo indrindra (63.29 isan-jato), raha i Bosnia sy Herzegovina kosa no manana ny salan'isa ambany indrindra (51.76 isan-jaton'ireo mpampiasa Aterineto).

Mahaliana ny mahamarika fa ambonin'ny antsasaky ny mponina Sebiana sy Kroatiana no mampiasa ny Aterineto, ary ny mpanoratra ireo vokatra  ireo dia mihevitra [sr] fa misy tsy ampy ny fikarohana ho  fanombanana ny fampiasàna ny aterineto nataon'ny Biraon'ny Antontan'isan'ny Repoblikan'i Serbia (RZS) :

…Tahaka ny ho an'ireo mpampiasa Aterineto, mieritreritra izahay fa tsy ampy ny fanombatombanan'ny RZS ary tsy mampiditra ireo mpampiasa ny Aterineto mandehandeha ao anatiny. […izy ireo dia] mandinika fotsiny ampahan-javatra iray voafaritra manokana izay, fa tsy ny tantara amin'ny antsipiriany izay mahaliana antsika.

Ny Facebook no malaza be mpandeha indrindra : ambonin'ny 70 isan-jaton'ireo mpampiasa Aterineto no manana kaonty Facebook any Serbia, ary 63 isan-jato – any Kroatia :

Ny salam-potoana lany ao amin'ny Facebook dia 25 minitra (any Serbia sy Kroatia), ary in-16 isan'andro ny fidiran'ny mpampiasa iray any Serbia amin'ny kaonty Facebook-ny raha kely, raha in-13 isan'andro kosa ny any Kroatia.

[…]

Ny fitombon'ny isan'ireo mpampiasa Facebook dia mety ho azo hazavaina avy amin'ireo tsy monina any Serbia sy Kroatia nefa mampiasa ilay  tambajotra sosialy mandritra ny diany.

Ireo fahavitrihan'ny sosialy eo amin'ny aterineto sy ireo zavatra atao ao amin'ny Facebook dia tsy mifankaiza loatra any amin'ireo firenena Balkana hafa. Tamin'ny herintaona, navoakanay ny tahiry momba ireo tanora Serbiana izay mandany ny ankabeazan'ny fotoanany eo amin'ny Facebook mifanerasera amin'ny namany (61 isan-jato), “mitia” ny zavatra avoakan'izy ireo (66 isan-jato), mizara votoaty sy vaovao (56 isan-jato), manoratra hafatra manokana (47 isan-jato), ary milalao (22.4 isan-jato).

Ireo toeram-pampianarana sy fikirakirana antontan'isa any amin'ireo firenena Balkana tsirairay dia ho afaka hamongatra sy hampiasa ny tahiry momba ireo zavatra natao ka mahaliana teo anivon'ny aterineto mba hamantarana sy hifantohana amin'ireo mpampiasa tena mpanakiana, mba hanitsiana ny politikan'izy ireo sy ireo tetikasa mifototra amin'ireo tahiry ireo.

Mety ho mahaliana ihany koa ny mahita ny fiparitahan'ireo mpampiasa araka ny sokajin-taona sy ny faritra onenany, tahaka ny fandinihana ireo fifandraisana ara-tsosialy ao amin'ny aterineto any amin'ireo tolotra Aterineto sy ireo vohikalan'ny media sosialy hafa.

Tato ho ato, mandeha ny fikarohana momba ny fampiasàna ny media sosialy eo anivon'ny tanora, mpianatra, mpanabe, sy ireo tampom-mpahaizana any Serbia, nefa voafetra izany, amin'ny lafiny iray,  satria dia tsy afaka ho raisina haneho ny mponina Balkana iray manontolo izany. Ny firenena tsirairay dia tokony afaka miasa amin'ny tahirim-pirenen'izy ireo ao an-toerana mba hanaovana vina handinihina ny salan'isan'ny ho avy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.