Bahrain: Liliane Khalil, Sangy Ratsy Iray Hafa Ao Amin'ny Bilaogy Sa Fampielezan-kevitra?

Ny 2 Aogositra 2011, nanoratra lahatsoratra momba ny famotopotorany ny mombamomban'ny  olona antsoina hoe Liliane Khalil (@Liliane_Khalil), voalaza ho Mpanao gazety Arabo-Amerikana ny Britanika iray mpitoraka bilaogy  sady mpianatra manomana PhD, Marc Owen Jones (@marcowenjones).

Namerina nanamarika ireo kaonty rehetran'ity olona ity any anaty media sosialy  i Jones, mba hahafantarany fotsiny fa noforoniny avokoa ireo hetsika rehetra natrehany, ireo adihevitra hoe nataony sy ny olona nifaneraserany. Ho fanampin'izay, nilaza ho niasa tao amin'ny CNN tany Atlanta izy ary mpanao gazetin'ny gazety Tiorka Sabah, izay nilaza ho tsy mahafantatra azy. Ny lahatsoratra telo nolazainy ho navoakany tao amin'ny Sabah, dia nalainy avy tao amin'ny Reuters no marina.

Sary famantarana an'i Liliane Khalil ao amin'ny Twitter

Niezaka nandinika ny fifandraisana misy eo amin'i Khalil sy ny fitondran'i Bahrain i Jones, indrindra hatramin'ny nilazana fa izy no  Lehiben'ny Biraon'i Bahrain Independent Bahrain any Etazonia (gazety mpanohana ny fitondrana izay nanjavona tsy fantatra hoe ahoana).

Anatin'ireo fifandraisany ao amin'ny aterineto, nankasitraka ireo fikomiana Arabo rehetra i Khalil ankoatra ny iray tany Bahrain, izay lazainy ho paik'ady nokotrehina tany Iran. Izany dia nitarika ny vahoaka hieritreritra raha mpitsikilo Bahraini izy, na mety ho sangy ratsy avy any Andrefana izany, tahaka ny trangan'ny bilaogy “A Gay Girl in Damascus” vao haingana, izay voaporofo ho nosoratana lehilahy mpampianatra eo amin'ny faha-efapolo taonany eo.

Tsy mbola namaly amin'ny antsipirihany ny torotorok'i Jones i Khalil, nefa niteny izy androany fa hitsikera izany izy atsy ho atsy :

@Liliane_Khalil: Takatro ihany koa fa misy mahaliana anatin'ny zavatra tian'i Dr Jones “haboraka”.  Dodona tokoa aho hamaly ny fanontaniany.

Iza no ao ambadik'i Khalil?

Isan'ireo miahiahy an'i Khalil ho ohatra amin'ny fampiasan'ny fitondrana Bahraini ny media mba hiarovana ny endriny ny mpitoraka bilaogy Bahraini Mohammed AlMaskati (@emoodz) :

@emoodz: Azo takarina ihany ny fanodikondinana ny zava-misy marina. Azoko ekena tanteraka ny famoronam-baovao, ny famoronana olona  manana ny maha izy ary mpomba ny fitondràna hatrany am-boalohany dia firefarefàna vaovao.

Ny mpanao gazety Ejiptiana Mona Eltahawy (@monaeltahawy) ihany koa dia naneho ny fihetseham-pony tamin'ireo vaovao momba ny sangy ratsin'i Liliane Khalil amin'ny filazàna hoe :

@monaeltahawy: Nitolagaga sy tezitra aho rehefa nandefa famelezana mahatsiravina an'i @NABEELRAJAB i Liliane Khalil. Ary ankehitriny dia toa hita fa sandoka  izy?

Bikya Masr, vohikalam-baovao ao Ejipta, dia nitsikera an'i Khalil ihany koa hatramin'ny nanampiany tamin'ny fanoratana tao amin'ny vohikalan'izy ireo. Nanoratra lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe ‘Ny zavatra fantatray mikasika an'i Liliane Khalil’  i Joseph Mayton. Nilaza izy fa niahiahy ry zareo  rehefa nikatona ny kaonty Tumblr-n'i Khalil, na dia niteny aza izy fa nisy nitsofoka izany, ary niresaka momba ny fanombohana fanadihadiana miaraka amin'ilay mpirotsaka ho filoham-pirenenan'i  Ejipta Mohammed ElBaradei sy ireo hafa i Khalil, nefa tsy nanome mihitsy izay fizotr'izany tamin'ny vohikalan'izy ireo. Mamarana ny lahatsoratra i Mayton amin'ny filazany hoe :

Mazava ho azy fa nampiasa olona marobe sy fikambanana maro nandritra ny taona vitsy i Liliane Khalil ary io ezaka mampalahelo sy mifanohitra amin'ny toe-tsaina io mba hanosehana ny tetikasany.

Taoriana kely, nandefa bitsika i Mayton (@jmayton) ka milaza :

@jmayton: Araka izany, toa mandrahona hametraka fitoriana amiko noho ity lahatsoratra ity: http://t.co/eS6eA1O i Liliane Khalil (na iza izy na iza)

Ny Tonian'ny Famoahan-dahatsoratry ny gazetiboky Foreign Policy, Blake Hounshell, (@blakehounshell) dia nanoratra tsikera maneso ny fahaizan'i Khalil miteny Arabo :

@blakehounshell: Raha mpiteny Arabo izany vehivavy Liliane Khalil izany dia izaho izany no Mpanjakavavin'i Sheeba http://t.co/GfWyOxz ….

Ny mpanao gazetin'ny Guardian, Brian Whitaker ihany koa dia nanoratra momba ny raharaha Liliane Khalil ao amin'ny bilaoginy Al-Bab ka miteny hoe :

Raha raisina ho efa nitatitra vaovao nihoatra ny 10 taona izy, tena vitsy ny mombamomba azy ao amin'ny Aterineto (mbola mihavitsy amin'izao fotoana, satria ny sasany tamin'ireo dia nofafàna vao tsy ela akory), ary tena zara raha misy ny santionany amin'ny asany..

Chan'ad (@chanadbh), mpitoraka bilaogy fanta-daza momba ny raharaha Bahraini, nanoratra bitsika maro momba ny raharaha Khalil. Anatin'ny iray amin'ireo dia manontany tena izy :

@chanadbh: Gaga aho amin'ny isan'ny vahoaka izay toa taitra amin'ny maha-tsy tena izy an'i #LilianeKhalil. Tsy nisy nampiasa ny Google ve na iray aza?

Ilay Amerikana mafàna fo, Jillian C. York (@jilliancyork) ihany koa dia naneho ny fihetseham-pony tamim-panesoana tamin'ny sangy ratsy momba ny maha-izy azy an'i Khalil :

@jilliancyork: Arak'izany, sangy ratsy iray hafa indray ao amin'ny #lilianekhalil. Heveriko fa fotoana izao hanambarako aminareo rehetra fa izaho dia saka 6 taona avy any amin'ny araben'i Marrakesh….@jilliancyork: So, yet another hoax in #lilianekhalil. I guess this is the time to tell you all I'm a 6-year-old cat from the streets of Marrakesh.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.