Syria: Afaka Misoroka Famonoana Ve Ny Bitsika?

Ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny Hetsi-panoherana Syria 2011 ity lahatsoratra ity.

Taorian'ny andro ratsin'ny herisetra hitan'i Syria hatramin'ny nipoahan'ireo hetsi-panoherana nanerana ny firenena tamin'ny Febroary, nanomboka ezaka hisarihana ny sain'izao tontolo izao amin'ny zava-mitranga ao amin'ny firenena ireo Siriana mpanohitra sy ny mpanohana azy erak'izao tontolo izao, mampiasa ny tenifototra iray, #RamadanMassacre, izay natomboka ny Alahady teo mba hanarahana ireo tatitra avy any amin'ny tanànan'i Hama.

@nmoawad, avy any Libanona, namintina ny tanjon'ilay fanentanana ho anatinà bitsika iray ny Alatsinainy vao maraina be :

Miaraha aminay hampahatsiaro tena amin'ny  fandefasana bitsika amin'ny tenifototra #RamadanMassacre ho an'i #Hama | 2am Cairo Time.

Manao sary ny filoha Siriana Bashar Al-Assad eo ambony tanky ny mpanao sarisary zary tenany Breziliana

Ilay Siriana mpampiasa Twitter, @LeShaque dia mizara ny eritreriny:

Avelako ho an'ireo Kiorda mpiray tanindrazana amiko ny fanomezana anao ny lisitry ny famonoana nihatra tamin'izy avy amin'ny tànan'i Assads. #RamadanMassacre

@BachaarArnaout dia manolotra bitsika fanohanana iray ho an'ireo Siriana mpanohitra :

Hatramin'ny Martsa, +2000 no matin'i #Assad tao #Syria nefa vonona handrodam-panjakana ny vahoaka be herim-po. #RamadanMassacre

An avatar in remembrance of Sunday's events in Hama, used by Twitter users

Sary famantarana iray ho fahatsiarovana ny zava-nitranga ny Alahady tao Hama, nampiasain'ireo mpampiasa Twitter

Amin'ny fampiasàna sary famantarana iray ho fahatsiarovana ireo zava-nitranga ny Alahady tao Hama, i @ran00n95 izay mipetraka any Etazonia dia namoaka ity ho fanehoam-piraisankina :

 

tsy afaka hampangina anay ianao, avelanay izao tontolo izao hahafantatra ny zava-bitanao ary tsy hangina sy hamela izany hitohy izahay #RamadanMassacre #Syria

@rallaf dia namoaka antso ho an'ireo Silamo mpamaky , manontany:

Inona no horaisinao mandritra ny Iftar androany? Ny an'ireo mponina any #Hama dia balan-tafondro-na fiara mifono vy. …..#RamadanMassacre #Syria

Kanefa ho valin'ny bitsika nalefan'i @zmossabasha izay nilaza, “Afaka misoroka ny famonoana ny tweet iray!!”, ny mpanao gazety ao amin'ny NPR, Andy Carvin dia nanontany, “Afaka misoroka ve izany?”, nampita ny fihetseham-pon'ny maro izay nanome izany soso-kevitra izany, raha afaka manaparitaka fampahatsiarovan-tena tokoa ny media sosialy, dia mety hisy fiantraikany kely amin'ny zava-mitranga any amin'ireo firenena tahaka an'i Syria izany, izay miharihary fa ny fanjakana no manana ny fahefana ambony indrindra.

Na izany aza, mitohy ny fanentanana, satria miezaka ny hahazo ny tenifototra #RamadanMassacre ireo Siriana mpanohitra sy ny mpanohana azy mba hampalàza izany ao amin'ny lisitr'ireo foto-kevitra malaza be ao amin'ny Twitter

Ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny Hetsi-panoherana Syria 2011 ity lahatsoratra ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.