Karaiba: Fanehoan-kevitra Tanàty Aterineto Mikasika Ny Fianjeran'Ilay Fiaramanidina Tany Guyana

Rehefa nipoaka ny vaovao ny maraina ben'ny Sabotsy (30 Jolay 2011) fa hoe nisy fiaramanidin'ny Caribbean Airlines nianjera teo am-pipetrahana tany amin'ny Seranam-piaramanidina Iraisam-pirenenan'i Cheddi Jagan tany Timehri, Guyana, nitsanga-nitoetra ny tontolon'ny bilaogim-paritra ary nandray an-tsoratra. Mandra-pisian'ny zava-nitranga tao anatin'ny tantarany efa 71 taona, nidoka tena ho nanana fiarovana azo antoka ilay zotram-piaramanidina (izay nitsahatra niasa amin'ny maha British West Indies Airways azy tamin'ny 2006, nanova ny anarany ho CAL) – noho izany dia na eo aza ny tsy fisian'ny fahafatesana, raharaha goavana iny tantara iny,  indrindra hatramin'ny fizotran'ny fanakambanana ny CAL tamin'ny Air Jamaica.  Satria koa mantsy mpitety tany ireo mpitoraka bilaogy.

Ireo mpitoraka bilaogy Guyaney no voalohany nitsikera. propaganda press! dia niantso ny seranam-piaramanidin'i Timehri ho  “fandrika mampidi-doza miandry mba hamono olona”:

1. tsy manana jiro ara-dalàna izy io
2. tsy misy ireo tolotra, fitaovana na olona za-draharaha mba hiatrehana ny tampoka
3. tsy ampy ny herinaratra fiandry…raha ny marina dia nisy ny fahatapahan'ny herinaratra nandritra ireo ora roa tamin'ity loza ity

Namoaka andianà fanavaozam-baovao momba ilay loza i Demerara Waves, eto, eto ary eto…..

Fotoana fohy monja, nanomboka nitoraka bilaogy momba ilay zava-nitranga ireo hafa mpampiasa aterineto any amin'ny faritra. Barbados Free Press dia niantso ny tsy fisian'ny fahafatesana ho zava-mahagaga, miteny fa nety ho ratsy be noho iny izany fianjerana izany :

Isaorana Andriamanitra fa tsy nisy afo satria araka ireo tatitra dia tsy nisy zavatra nanjary taorian'ny sasakalina rehefa nisy Zotram-piaramanidina Karaiba 737-800 nibolisatra teo amin'ny faran'ilay làla-mahitsy, tanatin'ny orana ary simba rehefa hipetraka tao Guyana.

Tsy miombon-kevitra amin'ny propaganda press mihitsy ny bilaogy! Niaiky ny fahavononan'ny seranam-piaramanidina ao Timehri, ka miteny hoe:

Tsy seranam-piaramanidina ratsy toy ny fandehan'ny faritra izany ny Seranam-piaramanidina Iraisam-pirenenan'i Cheddi Jagan. Miaraka amin'ny  faritra natao hisosàna mihoatra ny 7,000 feet ara-dalàna tsara, tokony ho afaka nipetraka am-pahatokisana ny CAL Boeing 737 na nanao ahoana ny toetr'ndro na nanao ahoana. Manana tataom-pifampikasohana tsara io faritra fisosàna io (mikitoantoana ny ivelany ary mihazona ireo kodiarana), fanamainan-tany tsara mandritra ny orana ary mora ny fanatonana azy raha oharina amin'ireo seranam-piaramanidina lehibe maro hafa.

Ho solon'izay, mihevitra ny BFP fa mety nanampy ny fitrangan'iny loza iny ny “kolotsain'ny fanamoriana”:

Momba ny fotoana fakàna bàhana sy ny resaka ‘inertie’ izany rehetra izany ary dia resy izy ireo. Mba nanandrana ve ry zareo ka tara loatra ny fiezahan-dry zareo hisangodina sa tsy izany mihitsy? Tsy haiko – nefa Isaorana Andriamanitra  fa tsy nisy afo satria ireo mpamono afo dia tsy tonga raha tsy folo minitra taorian'ny fisosàn'ilay fiaramanidina nivoaka ny faran'ny làlana fihazakazahana ary simba.

Tonga hatramin'ny famoahana ny fomba fijerina mpamaky iray mihitsy ilay lahatsoratra, “Tom”, izay “Kapiteninà zotram-piaramanidina kely any Karaiba” ary manao asa an-tselika ao amin'ny Caribbean Airlines, eo ambanin'ny lohateny: REDjet looking good! (REDjet mamono lolo!)

Ny mpiray tanindrazana Cheese-on-bread! dia nanely ny fihetseham-pon'ny BFP amin'ny filazàna ilay fianjerana ho tsy ratsy noho ny tena nisy teo :

Ny zavatra mety ho ratsy indrindra tamin'ny lozam-piaramanidin'i Karaiba hatramin'ny fianjerana tany Cubana  tamin'ny 1970 dia soa ihany fa antso fanairana akaiky ho an'ireo olona 160 tao anatinà fiaramanidin'ny Caribbean Airlines avy any New York hankany Guyana ny Sabotsy maraina.

Avereno manaraka ahy …. Tsara Andriamanitra, amin'ny fotoana rehetra. Amin'ny fotoana rehetra, tsara Andriamanitra!

Avy any Jamaika, tatitra diso nataon'i Girl With a Purpose ny hoe roa ireo fianjerana fiaramanidin'ny Caribbean Airlines – ny voalohany dia tany Guyana ary ny faharoa kosa tany St. Barths. Navoaka tao anatina adihevitra tao amin'ny Facebook ihany koa ireo vaovao tsy marina ireo, mandra-panamarinan'ny mpampiasa iray fa efa aman-taonany izany tantara izany ary mikasika mpitatitra an'abakabaka hafa. Tsy mitatitra mankany St. Barthelemy ny Caribbean Airlines.

Kanefa, na mahatsapa ny fahadisoany aza izy, tazoniny ny heviny amin'ny “Nanakaramàn'ny Caribbean Airlines sy mbola fanakaramàny ekipa Jamaikana mpikojakoja, mpamily ary ekipa ety an-tany”:

Mihevitra aho fa fahadisoana ho azy ireo ny manàla ny sasantsasany amin'ireo olona tsara indrindra izay mahay tsara ny fomba fikojakojana sy fisidinana, fiaramanidina 10 taona mahery..

…Ny antontan-taratasin'izy momba ny sidina nieren-doza no manamarina izany.

Nitohy ny resaka tao amin'ny Twitter, amin'ny tenifototra #CAL crash.

Ny sarikely famantarana nampiasaina tamin'ity lahatsoratra ity dia sary nalaina tamin'ny pejy fanoloran'ny Caribbean Airlines.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.