Taratasy Iray Avy Ao Shina Ho An'ilay Norveziana Mpamono Olona

Maro ireo mponina ao Shina no tsy mahazo ny zava-doza nataon'i Anders Behring Breivik tao Norvezy.  Saingy kosa tsy dia miraharaha ny antony nanosika azy sy ny foto-kevitra nijoroan'i Breivik. Eo imason'izy ireo, Norvezy dia paradisa, any ny olona no miaina amin'ny fahafaha-mividy ambony ary tsy mila ny hiatrika ny fahasahiranana ara-pivelomana. Ahoana no mahatonga izany?

Handalinana io fanontaniana io, Fatty Flower, vehivavy Sinoa iray, dia nanoratra  taratasy iray lava be [zh] ho an'i Breivik tao amin'ny bilaoginy  Douban . Nanolo-kevitra an'i Breivik ho lasa Sinoa izy amin'ny fiainany ho avy ka ho tsapany amin'izay  hoe tena sambatra izy teraka tao Norvezy. Nosoratana tamin'ny fomba manaraby tokoa, ilay taratasy dia toy ny mamaky tantara lava be momba ny adim-piainana atrehan'ny Sinoa antonontonony manomboka hatrany amin'ny nahaterahany. Niaka-daza tokoa ilay lahatsoratra ary naely tamin'ireo haino aman-jery maro, isan'izany ny Gazety ao Guangzhou Southern Metropolitan Daily.

Ity ambany ity ny dikantenin'ilay lahatsoratra fototra, niaraka tamin'ny  fanehoan-kevitra vitsivitsy notsongaina tao amin'ny sehatra ho an'ny mpamaky :

你好布雷维克,我是一位来自中国的女青年,几天前听说你杀了至少86个人,今天晚上借着拉屎的时间,我酝酿了下思路,决定写一封信给你,我可能做不到语气平静,如果各种嬉笑怒骂让你不爽,请贱量!当然我觉得你不大可能真的看到这封信。

首先,你TM真是太走运了,生在挪威这种地方,上学不要钱,从头到JB都有ZF养,娶了老婆之后,继续给你养小孩,下岗了还有钱拿能在家喝茶!拔diao 无压力说的就是你这种情况你知不知道!在遥远的东方不知道多少人羡慕你!还有你的JB!!!!你怎么就不珍惜幸福美好的生活!

中午看CCAV的报道,记者们到了你家楼下,我由衷的想赞叹一句哇塞豪宅啊!好几层啊!!!这么大占地面积你可以养一窝金陵十二钗啊!接着记者继续跟警方 来到你的农场。尼玛你居然还有农场啊!不知道占地多少公顷哟!尼玛你知道农场在中国比东厂还珍贵稀有吗!!!你知道郭芙蓉跟吕秀才的半生积蓄只够买一个牛 棚吗!你到底有没有在好好生活啊!

你说你杀这么多人,到底图个啥?

人活着,不就图个生有所养,老有所依吗?你从小不用喝着三聚氰胺兑的奶长大,虽然你们那里水果蔬菜贵了点,但是至少你永远都不用知道地沟油炒菜的味道,顺便说一句其实还挺美味的,羡慕吗?

寂寞了你可以出门看看海看看峡湾,空虚了滑滑雪钓钓鱼,再不然道德低下一点花钱找人亲亲你抱抱你,找基友结婚都不犯法,你还有什么不满意的?听说你爸在法 国买了房子住的挺开心,你怎么不没事儿去看看老人家,权当出国旅游啊。P.S.你知道遥远的东方平常老百姓出个国有多困难吗?

以前看电影的时候我知道欧洲有火车联票,买联票可以坐上小火车在各个欧洲国家之间穿梭,我不知道挪威有没有这个项目,不过这么美的地方,你带着老婆,出了城坐个火车,吃着火锅唱着歌,也能游得很开心嘛。

没有体验过HARD模式的人就是不知道真正艰难的生活是哪样。

我不知道你是否还有追随者或者崇拜者,如果有的话,我劝你们,赶紧各回各家各找各妈吧,你们其实幸福的像花儿一样。

中文里有一句古话叫做饱暖思yin欲。我古文不好,不知道这个yin欲是不是单纯指的性欲,我们姑且把它理解为邪念吧。其实你的行为要我说,就是五个字: 吃饱了撑的。想想非洲那些不知道食物是什么的孩子,他们可没功夫想怎么报复社会。其实这事真的该怨挪威ZF,你想啊,他们把你照顾的好好的,让你不需要为 生计发愁,人一空闲下来,就容易瞎想。你说说你自己是不是这样。所以还有一句话说:人类一思考,上帝就发笑!

听说你杀了这么多人不用死,我不知道是不是该祝贺你,毕竟自然老死很奢侈,好多人都等不到。

鉴于这辈子你可能走不监狱,于是我真诚的邀请你考虑下辈子来中国投胎。在这里,生下来你就是个操心玩意儿,黄山黄河让你便秘,长城长江让你尿急。成长的过 程里你要和毒奶粉抗争,跟瘦肉精博弈。你要上各种兴趣班,左手奥数右手英语。运气好的话,你有可能出国,回到你上辈子呆过的地方,然后长舒一口气。运气不 好的话,你要经历千军万马的高考。之后上大学,再之后要谈朋友谈工作了吧。房子车子准备好你才可以拔diao。在拔diao的那一瞬间,你有没有觉得一丝 失落? 或者是片刻的如释重负?

不过别担心,后面的生活更跌宕起伏。你的孩子就要出生了,你要担心他的户口智力和健康,为了不输在起跑线上你玩胎教,恨不得隔着肚子教会他十八般武艺。

再之后孩子出生了,此处省略八百字,因为你都经历过,这是一个复杂又熟悉的循环。

是不是觉得还不够刺激不够操心?

没关系,我们再说说一种东西,英文叫做surprise,中文叫做意外。

这种东西在中国跟马克思主义哲学一样,从来都供大于求。

意外让你上天入地,而且意外来去匆匆,新鲜刺激还容易遗忘。

你也许会在ATM机上突然取出一笔巨款,也许会走在路上被一辆风驰电掣的三菱跑车撞飞,会在村头的大树底下被一辆卡车碾过,也许你落魄到在街头当小贩卖水 果,被一种叫做城管的警犬以破坏市容为由揍得低空掠过。也许你会被神秘BOSS怜惜,做了他的男宠,你从此有爱马仕还有玛莎拉蒂。不过也许你没有这等艳 遇,只是带着妻子孩子安安分分的生活,偶尔出去旅旅游,坐个高铁。然后你知道,你带着老婆孩子,出了城坐在动车上,是不是觉得这个场景似曾相识,好像上辈 子也经历过?别着急,你猜得中开头,却猜不中结局。

你们吃着火锅还唱着歌,突然,追尾了。

而且最刺激的是,你死了,但是在伤亡名单上你还活着。

说到这里,不知道你有没有一点心动。现在是北京时间23点11分,也到了我该睡觉的时候。千言万语最后汇成一句话,与君共勉:
Tongasoa eto Shina.

Ho an'i  Breivik,

Izaho dia zazavavy avy ao Shina. Andro vitsy lasa izay, henoko fa namono olona efa ho 86 ianao. Anio alina, nandamina ny saiko aho ary nanapa-kevitra  ny hanoratra taratasy ho anao fony aho tao an-trano fivoahana. Miala tsiny aho noho ny hadalàko sy ny fomba firesako mivatravatra. Nefa mazava ho azy, mihevitra aho fa sahala amin'ny tsy ho vakianao akory ity taratasy ity.
Voalohany indrindra, sambatra ianao teraka tao Norvezy. Tsy mila ny handoa inon'inona amin'ny fianaranao ianao. Karakarain'ny Governemanta tsara daholo ny momba anao, hatrany antampon-doha ka hatramin'ny filahianao. Aorian'ny fanambadianao, afaka ny hahazo vola fanampiana ho an'ny zanakao ianao. Raha tsy an'asa ianao, afaka ny hahazo vola sy hisotro dite ao an-trano! Fantatrao ve fa miaina anaty fiarahamonina ahafahanao miray ara-nofo tsy misy teritery ianao ! Any amin'ny Tatsinanana, olona maro no mitsiriritra ny fiainanao! sy ny maha-lehilahy anao! Maninona no tsy ataonaoho  harena ny fiainanao!

Ny tolakandro, nijery vaovao aho tao amin'ny Central China Television (fahitalavitra ao  Shina renivohitra) ary nahita ireo mpanao gazety nitangorona teo anoloan'ny tranonao. Toerana mihaja tokoa! Misy rihana vitsy! Afaka hampakatra sy hikarakara  vady maro ianao ao anaty tanàna lehibe tahaka itony! Avy eo, ireo mpilaza vaovao lasa nanaraka ny polisy tany amin'ny toeram-pambolenao. Manana toeram-pambolena ianao! Ary firy hektara no misy izany! Fantatrao ve fa ao Shina, ny toeram-pambolena dia vitsy noho ny toeram-panodinana! Fantatrao ve fa i Guo Furong sy Lu Xiucai [tsara ho fantatra : olona roa mpilalao fototra aminà tantara mitohy ao amin'ny fahitalavitra] dia tsy afaka ny hividy afa-tsy toeram-piompiana omby  iray amin'ny antsasaky ny vola voahangony tamin'ny fiainany iray manontolo! Iainanao tsara ve ny fiainanao!

Be loatra ny olona novonoinao. Inona no anton'izany?
Ny olona rehetra mikatsaka fiainana tsara ary maniry ny ho ela velona am-pahamendrehana daholo. Tsy nila nitombo tanaty ronono voapoizina ianao. Na dia lafolafo ihany aza ny voankazo sy ny zava-maniry any amin'ny firenenareo, tsy ho fantatrao mihitsy ny tsiron'ny nahandroina amin'ny menakav tsy ara-dalàna efa avy nampiasaina. Ary tena matsiro izany. Mitsiriritra!

Rehefa mahatsiaro ho irery iny  ianao, afaka mandeha mankafy hitazana ny Fjord. Rehefa mahatsiaro fahabangana  iny ianao, afaka ny hanao “ski” na manjono. Na koa, rehefa ambany iny herin-tsainao, manakarama olona hanoroka sy hanafosafo anao; na dia ny hiditra amin'ny fanambadian'olon-droa mitovy koa aza mety. Inona no mbola tadiavinao ambonin'izany? Henoko fa manana trano any Frantsa ny rainao ary miaina tsara ihany izy any. Maninona moa raha mandeha mamangy azy any ianao, ary manao izany ho toy ny fitsangatsanganana miampita ranomasina? Fantatrao ve ny fahasarotana ho anay olon-tsotra aty Atsinanana raha hivoaka ho any ivelany izany?
Fantatro tamin'ny alalan'ny horonantsary nojereko fa misy tapakila ho an'ny fiaran-dalàmby mandeha ambanin'ny tany mamakivaky firenena ao Eraopa. Tsy fantatro raha maharakotra an'i Norvezy ilay izy. Fa amin'ny toerana tsara tarehy tahaka itony, afaka ny mitsidika tanàna ivelan'ny tanana miaraka amin'ny vadinao ianao amin'ny alalan'ny fiaran-dalàmby, mihinana sakafo matsiro sy mihira hira mahafinaritra. Mahafinaritra ery anie izany e.

Izay tsy mbola niaina izany dia tsy tena mahafantatra loatra ny fahasarotan'ny fomba fiainana amin'izany.

Tsy fantatro raha manana mpankafy na mpanara-dia ianao. Raha manana ianao, manoro hevitra azy ireo aho ny mba hodiany. Tahitahiana toy ny voninkazo kely ry zareo.

Misy ohabolana Sinoa izay manao hoe, “Raha ny iray mafana sady misakafo tsara, ny iray kosa misaina momba ny fitsiriritàna an-jambany. “Tsy dia tsara loatra ny teny Sinoako ka tsy fantatro raha ny “fitsiriritàna” eto dia misy ifandraisany amin'ny ara-nofo. Andao atao hoe dikany ratsy iny. Raha amin'ny fiteniko manokana, mamily ny herinao ho amin'ny toerana diso ianao. Eritrereto ireny ankizy Afrikana izay tsy mahalala ny dikan'ny hoe sakafo ireny. Tsy manana ny hery hieritreretana ny hamaly faty ny fiarahamonina akory izy ireny. Raha ny marina , tokony ho ny Governemantan'i Norvezy no kianintsika amin'iny tranga iny. Saino ny hoe : mikarakara loatra ny mponina ao aminy ny governemanta ka tsy manana ahiahy ny amin'ny fiainany ny olona. Avy amin'ny olna midonanam-poana ny sain-dratsy. Misy ohabolana manao hoe : ” ny olona mieritreritra, Andriamanitra mivanitika.”

Henoko fa tsy voatery ho faty ianao taorian'ny namonoanao olona maro be. Tsy fantatro raha tokony hiarahaba anao aho. Sady tsy izany koa fa zava-tsarobidy ho an'ny maro aminay ny maty ara-boajanahary.

Satria mety tsy hivoaka any am-ponja mandrakizay ianao, manasa anao aho mba hiova ho Shinoa amin'ny fiainanao manaraka. Aty, amin'ny tanin'ny tendrombohitra mavo (Yellow Mountain), renirano mavo (Yellow River), TambohoBe (Great Wall) sy renirano  Yangtze, sarotra ny fiainana manomboka ianao vao teraka. Hatramin'ny voalohany, mila miatrika ny ronono voapoizina sy ny hena voapoizina ianao. Raha mbola kely, mila manatrika ireny “lakilasy tsy maintsy arahana” ireny ianao, mianatra Angilisy ary hofanina amin'ny hiatrika ” Olympiade “matematika . Raha tsara vintana ianao, mahazo tapakila handehananao any ampitan-dranomasina, ary miverina any amin'ilay toerana nisy anao fony mbola kely. Raha tsy dia tsara vintana moa ianao dia, mila manao fanadinana fidirana ao amin'ny Anjerimanontolo miaraka amin'ny ankizy an-tapitrisany. Aorian'ny Anjerimanontolo, manomboka ny hieritreritra namana sy asa amin'izay ianao. Ary tsy afaka ny hieritreritra firaisana ara-nofo sy hanan-janaka ianao raha tsy aorian'ny fahazoanao trano sy fiara. Aorian’ ny  resaka firaisana ara-nofo, mety hahatsiaro tena ho very angamba ianao, na ho ho maivana amin'ny tsindrin'ny fiainana?

Nefa aza manahy, ny fiainana anie tsy ho mafy be foana. Ho avy tsy ho ela ny zanakao, ary mila mieritreritra ny fanabezana sy ny fahasalamany ianao. Mba hahafahan'ny zanakao ho tsara fanombohana, tsy afaka ny hiandry ianao fa atombohy ny hampianatra azy dieny mbola any ankibon-dreniny izy.

Eto dia voanteny 800 no hesoriko, satria efa niaina izany daholo ianareo tany aloha tany. Manomboka indray ny tsingerina mahazatra..

Mihevitra ve ianao fa mbola tsy ampy izay?
Tsy manahy, afaka ny hiresaka zavatra hafa isika. Amin'ny teny Anglisy, antsoina hoe zava-tsy nampoizina ilay izy; amin'ny teny Sinoa, loza.

Toy ny an'ny  filozofia Marxist, ny tolotra amin'io zavatra io dia mihoatra lavitra ny tinady….

Tonga ny loza dia avy eo lasa, mamela anao hisidikìna sy hidaraboka, ary mora  adino izy ireny…..
Angamba vola be mikararàna no ho hiraraka tampoka aminao avy amin'ny ATM (Avy amin'ny mpamoaka lahatsoratra : automated teller machine – milina fakana vola amin'ny banky). Angamba mety ho tra-doza sy hisidina eny amin'ny rivotra avy any anaty fiara mpanao fifaninanana ianao. Angamba mety ho voapotsitry ny Kamiao ambany hazo any ambanivohitra any. Angamba ianao, ho ambony ambany, hivarotra voankazo eny an-dalana, ary ho voadaroky ny manampahefan'ny tanàna. Angamba mety ho raisin'ny mpanarivo iray ho eo ambany fiarovany ianao (ho toy ny biby fiompiny), ary amin'izany ianao dia hiaina anaty fahampiana sy hajejoana. Nefa mety, raha tsy misy izany tantara izany,  hanana fianakaviana tsotra ihany ianao. Indraindray, mety hitondra ny vady aman-janakao ivelan'ny tanàna amin'ny fiaran-dalàmby ianao. Fantatrao fa, ho entinao ivelan'ny tanàna amin'ireny fiaran-dalàmby haingam-pandeha ireny ry zareo. Toy ny hoe efa mahazatra ve? Efa niseho teo amin'ny fiainanao fahiny ve izany ? Nefa andraso, vao ny fiatombohany fotsiny no takatrao, fa tsy ny fiafaràny.

Mihinana sakafo matsiro ianao ary mihira hira mahafinaritra.Tampoka eo, voadonan'ny fiaran-dalàmby iray hafa  avy any aoriana ilay fiara andalamby andehananao.

Ny tena mampangitakitaka amin'ilay izy dia ianao maty, kanefa ao anaty lisitr'ireo niharam-boina dia mbola isan'ny velona ianao.
Amin'izany resaka izany, mahatsapa ho be fihetseham-po ve ianao? Amin'ny 11:11 hariva izao ny ora aty Beijing. Mila matory amin'izay aho. Avelao feheziko anaty fehezanteny iray izay nolazaiko :

Tongasoa eto Shina.

Sasany amin'ny fanehoan-kevitry ny  mpamaky :

这位青年罪孽太深重下辈子肯定得投胎到中国无玄念了。(2011-07-27 01:00:22)

Nanao fahotana tafahoatra io  ranamana io. Tsy ekena izany izy ho teraka indray ao Shina izany any aoriana

哎,所以各国人出生以后都到中国做个下放锻炼,就不会那么不知道珍惜了(2011-07-27 01:46:00)

Sento . Avelao ny olona hafa firenena hiaina ny fiainana sarotra ao Shina. Amin'izay hahay hankasitraka ny efa ananany izy ireo.

挪威的监狱都比中国人住的房子强 (2011-07-27 13:43:02)

Ny fonjan'i Norvezy aza mbola tsara noho ny tranon'ireo Sinoa sasany.

作者不过是在调侃中国人的生存环境,一下子就给某些很有信仰、很有精神、很有觉悟的人鄙视了。(2011-07-27 11:18:50)

Ilay mpanoratra dia manàla baràka ny fomba fiainan'ny Sinoa fotsiny. Tonga dia hanilika izany ny olona manam-pinoana, fanahy ary fahatongavan-tsaina.

这文章还是典型的中国人思维,吃好喝足生活稳定平安就是最大的追求。所以中国人总会对很多出身很好却投入革命运动的人很不解,因为我们没有信仰,或者说,世俗生活就是我们最大的信仰。这篇文章虽然是反讽,但是还是暴露了我们这个民族的想法。(2011-07-27 09:20:00)

Ity lahatsoratra ity dia tena fanehoana ny fomba fisainan'ny Sinoa. Ny hanana fiainana milamina miaraka amin'ny sakafo sahaza izay no tena tanjona lehibe. Noho izany, ny Sinoa dia mahita fa sarotra ny hahazo an-tsaina ireo olona miaina anaty fahafenoana nefa mitady hirona hatrany amin'ny fitroarana. Io no mitranga satria tsy manana  foto-pinoana isika, na ny fiainana laika no foto-pinoantsika. Na dia fanarabiana aza ity lahatsoratra ity, dia mamoaka ny fomba fisainan'ny Sinoa kosa.

谁有本事把中国治理好的赶紧去参政…没这个本事那就平时多发扬光明正义,见到不义之事有勇气有智谋去改变,不要窝在豆瓣里瞎叨叨,抱怨实在是浪费了才情。(2011-07-27 13:21:26)

Ireo izay manana ny fahafahana hanatsara an'i Shina dia tokony handray anjara amin'ny politika. Raha tsy izany , ampiharo ny lalàna , ary ahitsio izay diso rehefa mahita azy ireny ianao. Aza mitaraina fotsiny eto amin'ity sehatra natao hifampiresahana ity. Fandaniam-poana ny fahaizanareo fotsiny izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.