Koety: Mampanidina “Balônin'ny Fahafahana” ny Bidun

Iray volana lasa izay, nanatontosa telo andro fanentanana “amadihana ny sarintava [avatara] ao amin'ny Twitter” hanairana ny famoaham-baovao sy hampisongadina ny momba azy ireo eo anatrehan'izao tontolo izao ny vondron'olona tsy manana zom-pirenena na inona na inona. Tamin'ity zoma ity dia hetsika hafa indray no nataony nampanidina balônina ho eny amin'ny rivotra, ary miantso azy ireo ho ny “balônin'ny fahafahana“.

Ny sarintava nobikain i @tatabotata miely ao amin ny Twitter ho fanohanana ny Bidun ao Koety

Taoriana kely monja nifaneraserana sy nifankazaran'ny olona tamin'ny hetsika “avadiho ny sarintavanao” , maro ny mpisera Twitter no nanova ny sarintavany ho ilay namboarin'i Talal Obeid (@tatabotata) izay milaza voambolana iray amin'ny teny arabo: “Bidun” izay midika hoe “tsy manana zom-pirenena zakaina”. Nampiseho ny fanohanany sy ny fironam-pony amin'ireo mitaky ny zony am-pilaminana ny olona amin'ny alalan'ny fandefasana balônina manidina.

Mpisera Twitter vehivavy iray antsoina hoe Manayer (@ManayerAbs) no nankasitraka ny Bidun noho ny fanehoana [fitakiana] am-pilaminana tao amin'ny siokantserany:

@ManayerAbs: Na dia eo aza ny fiainana tsizarizariny dia mbola miezaka ny hientana am-pilaminana hatrany izy ireo hitakiana ny zony.

Omar AlOraiman (@OmarAlOraiman), mpianatra Koesiana, dia nanasongadina ihany koa ny filaminan'ny Bidun nitaky ny zony:

@OmarAlOraiman: #Freedomballoons and they keep on showing us how great they r by their patience & love to Kuwait with their neat peaceful campaigns

Balônin'ny fahafahana ary jereo anie fa mahafinaritra ry zareo amin'ny faharetany sy fitiavany an'i Koety amin'ny alalan'ny hetsika am-pilaminana ataon'izy ireo

Mpahay lalàna Koesiana Nasser Najaf (@NasserNajaf) nanoratra ho an'ny governemanta tao amin'ny tweet nataony miresaka momba ny satan'ny Bidun Koesiana tamin'ny filazana hoe:

أتمنى ان تكف الحكومة عن المماطلة في توفير الحقوق الانسانية والمدنية لهذه الفئة المظلومة

@NasserNajaf: Manantena aho fa tsy hanary dia ny fitondrana ary hiantoka ny zo sivily sy zon'olombelon'io vondron'olona voatsindry io

Tovovavy iray avy any Koety manana anaram-bositra Qaboul (@Qaboul) no nisiokantsera momba ny hetsika #FreedomBalloons ary tao amin'ny iray amin'ny siokantsera nataony no nilazany ny fahadisoam-panantenany noho ny fisamborana izay nandefa ireny balônina ireny, na dia mbola tsy voamarina aza raha nisy tokoa izany fisamborana izany na tsia:

@Qaboul: Nothing great was ever achieved without enthusiasm. But today they Kill the Dreams they kill our enthusiasm

Tsy misy zavatra tsara vita tsy misy fientanentanana izany. Saingy ankehitriny novonoiny ny nofinofinay novonoiny ny fientanentanana

Mpamaham-bolongana Amerikana mipetraka any Koety antsoina hoe “American Girl” no nanatsonga ny fanambarana momba ny hetsika tamina lahatsoratra iray vao haingana hanehoany fanohanana:

The bidun and all their supporters launch A campaign to ignite the freedom glow flying lantern in Expression of the Departure of Their Lives out of the prison of racism to the sky of freedom,Timing of the launch will be in the date of 29/7/2011@ 8:30 PM Kuwait local time,plz support the bidun human campaign to claim their humanity and freedom. Participate Through the launch of the glow lantern of freedom At the time mentioned.

Hanao hetsika handrehitra sy handefa ny fanilon'ny fahafahana ho mariky ny fiaingan'ny fiainan-dry zareo hiala amin'ny fonjan'ny fanavakavahana ho any amin'ny lanitry ny fahafahana ny Bidun sy ny mpanohana azy, ny fotoana fandefasana dia amin'ny datin'ny 29/7/2011 amin'ny valo sy sasany alina ora eto Koety. Tohano azafady ny hetsiky ny Bidun mitaky ny mahaolona sy ny fahafahany. Mandraisa anjara amin'ny alalan'ny fandefasana fanilon'ny fahafahana amin'ny ora voalaza.

Naneho ny fanohanany ny hetsika ka nandrakitra lahatsary tamin'ny Youtube  ny Koesiana mpisera Twitter Abdulaziz Al-Assaf (@Bo_S3aiyed) . Araka ny nolazain'ny zanaky ny mpianadahy aminy Fouz Abdullah (@FouzAbd) dia nosamborin'ny polisy i Al-Assaf saingy nalefany indray rehefa hitany fa Koesiana ranamana fa tsy hoe tsy manana zom-pirenena zakaina:

@FouzAbd: Interestingly, My fully kuwaiti uncle @bo_s3aiyed was also asked to go with the police but they left him when they knew he is Kuwaiti!

Mahaliana, ilay dadatoako Koesiana feno @bo_s3aiyed dia niangaviana hiaraka amin'nypolisy saingy navela rehefa fantatr'izy ireo fa Koesiana izy!

Mpamaham-bolongana iray antsoina hoe Khaled dia nanangona ny sarin'ny hetsika hita tao amin'ny Twitter ary nampiaraka azy tamina “lahatsoratra” iray. Ity ny iray amin'izany:

Olona iray mampanidina ny iray amin ny balônin ny Fahafahana Bidun

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.