Iran: Fanentanana ho Fanafahana Ireo Amerikana Mpihanika An-Tongotra Sisa Voatàna Am-ponja

Sarah Shourd dia nandany 410 andro natoka-monina tany Tehran, Iran, talohan'ny nanomezana alàlana azy ho afaka miverina any Etazonia tamin'ny Septambra 2010. Miantso izao tontolo izao izy mba hiresaka mikasika ireo namany roa, Shane Bauer sy Josh Fattal, izay mbola any am-ponja ao Iran noho ny fiampangana ho nanao  “asam-pitsikilovana” hatramin'ny fotoana nahasamborana azy telo niaraka fony nihanika an-tongotra ny tendrombohitra nanakaiky ny sisintanin'i Iran tamin'ny Jolay 2009.

Fianakaviana, namana ary mpanohana maro an'i Shane sy Josh no nitarika ny hetsi-panoherana iray izay teboka niaingan'ny  ‘Faran'ny herinandro Fanetsehana ny 2 TAONA LAVA LOATRA‘. Hetsika Facebook iray mikendry ny hanetsika vahoaka ho amina tntolom-panoherana iray tena izy, miainga voalohany indrindra avy ao New York eo anoloan'ny Solotenan'i Iran ao amin'ny Firenena Mikambana ny Zoma 29 Jolay 2011.

Ilay vondrona Facebook ‘Free the hikers‘ dia manana mpitia efa maherin'ny 27.000, ary misy mpanaraka 4.000 amin'ny hoe @freethehikers ao amin'ny Twitter

Araka ny Freehikers.org:

Notazonin'ny mpitandro filaminana Iraniana i Shane Bauer, ny fofombadiny Sarah Shourd ary ny namana akaiky azy ireo Josh Fattal tamin'ny 31 Jolay 2009 raha iny ry zareo mba nankafy fandehanana an-tongotra nihanika ny tendrombohitra Kurdistan Irakiana iny…. Be ny tatitra mifandrirotra mikasika ny hoe tena niditra tany Iraka tokoa ve ny tafika Iraniana mba hisambotra an'ireo tanora Amerikana telo na tafiditra tsy nahy tany ambadik'ilay sisintany zara raha hita soritra ry zareo. Navotsotra tamin'ny 14 Septambra 2010 i Sarah, noho ny antony maha-olona taorian'ny nandaniany 410 andro tany aminà toerana mitoka-monina. Izy telo dia samy nampangaina daholo fotoana fohy talohan'ny namotsorana an'i Sarah noho ny fidirana tsy ara-dalàna sy ny asam-pitsikilovana tamin'ny fakàna ambavany tao amin'ny fonjan'i Evin ao Tehran toerana sambany namelàna azy ireo ho afaka hiresaka tamin'ny mpisolovava azy ireo, saingy tsy afaka akory nifanatrika taminy.

Ao amin'ny pejy Facebook  ‘Hetsika Am-pilaminana 2 Taona Lava Loatra‘ dia miteny hoe:

Ny 29 Jolay, roa andro talohan'ny niatrehan'ireo Amerikana mpihanika an-tongotra, Shane Bauer sy Josh Fattal tamin'ny tsingerintaona faharoan'ny nihazonana am-ponja azy ireo tany Iran, ny fianakaviana sy ny mpanohana azy ireo dia hanao hetsika am-pilaminana manoloana ny Solotena Iraniana ao amin'ny Firenena Mikambana ao an-tanànan'i New York. Miangavy ny mba hanotronanao ny fianakavian'ireo mafàna fo roa tsy manan-tsiny mpandàla fandriampahalemana sy Sarah Shourd, izay nandany volana 14 tao am-ponja niaraka tamin'izy ireo, ho fanehoana ny maha-tsy manan-tsiny an'i   Shane sy Josh sady hangataka ny famotsorana azy ireo!

Nanambara ny fitsarana Iraniana fa hisy didim-pitsarana farany havoakan'ny fitsarana momba ny raharaha Shane sy Josh amin'ny 31 Jolay. Ny fanapahan-kevitra farany hany ho ekenay dia ny FANAFAHANA azy ireo

Antso hanao hetsika

Ny bilaogy Two Years Too Long blog dia manolotra hevitra fa tokony handefa antso an-telefaonina ny vahoaka amin'ny andron'ny 25 Jolay (herinandro mialoha ny fitsarana ao Tehran) mankany amin'ny Sampana Miaro ny Tombontsoan'ny Rpoblika Islamikan'i Iran ao Washington D.C miaraka amin'ity hafatra manaraka ity :

Izaho dia mpanohana an'i Shane Bauer sy Josh Fattal. Fantatro fa tsy mpitsikilo ireo olona roa ireo ka manenta anareo aho hamotsotra azy ireo ary hamela azy ireo hisidina hamonjy ny fianakaviany rahampitso.

Ilay bilaogy dia manome soso-kevitra na eo anivon'ny tontolo virtoaly na hetsika mivantana amin'ny “fanovàna ny mombamomba ny tena ao amin'ny Facebook sy Twitter ho fankaherezana ny namantsika handray anjara na hikarakara hetsika tsy nahazoana alàlana ao an-tanananao, toeram-piasàna, foibenà vondrom-piarahamonina azon'ireo mpikambana amin'ny vondrona misy anao mandefa antso.”

Ao anatin'ity lahatsary manaraka ity no mizara amin'ny Amnesty International ny zavatra iainany any am-ponja i Sarah Shourd :

Betsaka ireo olona manana ny maha-izy azy sy mpanakanto avy amin'ny tontolo Silamo tahaka ilay olo-malaza Ali sy Yusuf Islam (fantatra koa amin'ny hoe Cat Stevens) nangataka ny fanafahana azy ireo.  Avy aminà resaka fihanihana an-tongotra ka hatrany am-ponja mandritra ny roa taona, sahala amin'ny ratsy lavitra hono ny vintan-dratsy izany an. Sahala amin'ny hihiran'i  Cat Stevens ny iray amin'ireo hirany “Oh baby baby it's wild world.” (O ry zanako, tontolon'ny bibidia ity).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.