Murdoch Nipao-tsatroka An'i Singapore Ho Modely Nefa Mandà Izany Ireo Mponin'ny Aterineto Ao An-toerana

Nandritra ny fitsaràna ampahibemaso ny raharaha tsy elaakory izay momba  fihainoana an-tsokosoko ny antso an-telefaonina mahavoarohirohy ny gazety avoakany,  News of the World, Rupert Murdoch, tomponà trano fampielezam-baovao dia  nilaza tamin'ireo  mpikambana  ao amin'ny parlemantera Britanika fa  tokony halain-tahaka ny modelin'i Singapore amin'ny fandoavana karama ambony be ho an'ireo politisiana ho fanenana ny kolikoly :

Mihevitra aho fa misy valinteny ho an’ izany,  ary mila mijery azy ireo malalaka sy mazava ho toy ny fiarahamonina mihitsy eto amin'izao tontolo izao isika,  dia i Singapore — izay any ny minisitra tsirayray dia mandray farafahakeliny iray an-tapitrisany dollars ao anaty ny taona iray ary ambony lavitra noho izany ny an'ny praiminista ary tsy misy fakam-panahy ary madio tsy misy tahaka azy n'aiza n'aiza.

Protester with Murdoch mask, placards and newspaper headline outside the UK Department of Culture, Media and Sport. Image by Peter Marshall, copyright Demotix (07/07/2011).

Ireo mpanao fihetsiketsehana miaraka amin'ny saron-tavan'i Murdoch, sora-bavety ary lohataninà gazety ivelan'ny Departmanta ara-kolotoraly, ara-pilazam-baovao ary ara-panatanjahan-tena. Sary avy amin'ni Peter Marshall, copyright Demotix (07/07/2011).

Ho fampitàhàna, ny praiminisitra ao UK David Cameron dia mikarama  S$279,000 isan-taona raha ny an'ny praiministra ao Singapore Lee Hsien Loong mandray S$3.87 tapitrisa isan-taona.

Nefa tokony hampahatsiahivina an'i Murdoch fa ny rafitra fandoavanany karama ao Singapore izay nandrandrainy dia andalam-pandinihana ankehitriny taorian'ny nampanjary azy io ho lohahevitra anaty  fifidianana volana vitsy izay.  Raha ny marina,  ny vahoaka no mitaky fiovàna, indrindra fa ho an'ireo avy amin'ny sampan-draharaha tsy miankina, izay mandika karama ben'ireo olona voafidim-bahoaka ho tsy rariny, tsy mahomby ary tsy rariny.

Rehefa  nampakatra anaty lahatsoratra ilay fanambaran'i Murdoch tao amin'ny Facebook ny  The Online Citizen , dia vetivety foana izany dia niteraka valinteny maro be :

Gregg Chen :  izany ka fampihomehezana avy amin'ny mpijirika  telefaonina

Janson Choo :  Ny tena marina, ireo minisitra aty amintsika ireo dia tena tsy andairan'ny kolikoly. Fa misy ireo sasany tena heverina ho tsy mahavita azy.

Lawrence Pek U :  mila manontany raha mahafantatra Murdoch fa ny PAP (antoko eo amin'ny fitondrana) dia very vato betsaka tamin'ny fifidianana izay ho karaman'ny Minisitra? Misy famerenana mandinika an'izany miala any hoe ? Hoe manohitra izany daholo ny vahoaka ao Singapore?:-)

Anne KoArt :  Manao tsilian-tsofina momba ny kolikoly ara-dalàna ve i Rupert Murdoch? :O

Ooi Kim Soon :  Mampihomehy izany. Tsy misy irika hijirihana eto satria ireo alika kely no mibaiko ny zava-drehetra.

Jon Zephanius :  Mihevitra aho fa aorian'io dia hanomboka ny hitady ny zom-pirenen'ny olona ao Singapore izy.

Salihin Nihilas : Tsy mahagaga, Murdoch sy ny olona mpanan-karena dia mankafy ny trano fandroana ao Singapore satria manohana azy ireo ny Governemanta. Tsisy grevy, tsisy sendikà tsy miankina. Mora amin'ireo ny manindry ny karama.

Wil Wilkins :  ny mampihomehy, raha tonga tao Singapore i Murdoch dia mety ho voasakan’ ny Lalàn'ny Fanaovan-gazety sy ny Fanontàna Gazety izy.

My Singapore News, na  “Ny Vaovaoko Ao  Singapore“,  na izany aza, dia niombon-kevitra tamin'i Murdoch:

Singapore manana ny  governemanta madio sy tsy misy kolikoly indrinda eto ambonin'ny tany, amin'ny fikaramana azy ireo tsy hanao kolikoly.Tokony ho zarain-tsika amin'ny Anglisy sy ny Tandrefana ny “formule” tsara indrindra eran-tany.  Hisaotra ny amin'ny fianarana zavatra avy amin'ny Tandrefana ihany izy ireo ny farany.  Isika no andry iankinana ho an'ny  governemanta tsisy kolikoly,  miaraka amin'ny fandoavana vola tsara be ampanjavona ny kolikoly…..

Tsy maintsy ho tian'ny Britanika sy ny Amerikana io fomba fikajy io.

Hevitra maro avy ao amin'ny vohikala The Online Citizen ;   manohina ny hevitr'i Murdoch i  Americano :…

Ankehitriny avy amin'ny iray amin'ireo mpanao fandraharahana malaza indrindra eran-tany,  fa tsy avy amin'ny ministra.  Misy fanazavana ny amin'izany.  Ny tontolo mandroso (hevero ny minisitra Britanika mandanilany foana ny volany manokana) ary ny tontolo tsy mandroso ( ataovy an-tsaina ireo mpanao politika ao Afrika manodinkodina ny haren'ny fireneny),  tsy misy politisiana madio tahaka ny ao Singapore.  Tsy tapitra ohatra ireo minisitra, saingy tena mendrika azy ireo ny karama raisiny, jerena amin'ny asa tsara vitany  hanatsarana ny fiainan'ny mponina ary manao izay hahatonga an'i Singapore ho isan'ny firenena tena be mpanao fandraharana ara-pirahalahiana indrindra maneran-tany. Na dia ny firenena  Scandinaves aza ( izay isan'ireo firenena tsy misy kolikoly indrindra eran-tany) dia tokony hianatra avy amin'ny Singapore.

Jonathan Wang nihevitra fa  diso i Murdoch raha nanonona an'i Singapore :…

Tsy manome haja an'i Singapore i Rupert Murdoch amin'ny fitanisany  ny karama be raisin'ny minisitra aty aminay. Manaraka izay, milaza izy fa  raha manakarama dollars ambony be, dia afaka ny hisoroka ny kolikoly.

Miaiky aho fa ny antoko eo amin'ny fitondrana dia tena manao izay hivalonan'iny tantara iny amin'ny fanendreny komity hanara maso ilay fomba fikajy ny karaman'ny minisitra novolavolaina tamin'ny taona sivifolo.

Difotra anaty ady lalina ho an'ny fahaveloman'ny vondrony ilay lehilahy ary miezaka ny manao fianianana fa hoe vonona hiatrika ny ady amin'ny kolikoly ny fikambanany.  Kanefa tsy misy dikany foana izany.

Fanehoan-kevitra vitsivitsy avy amin'ny  Twitter :

@marvelgal : nilaza i Rupert Murdoch  fa tsara ny fanakaramana an-tapitrisany ny minisitra ao Singapore mba hialàna amin'ny kolilkoly. Ieee marina,  azo antoka aloha ny teny hatramin'ny anio.

@followLin: Adabohy any ny resaka karaman'ny ministra @tocsg: Rupert Murdoch :  tokony hàka tàhaka ny Karama An-Tapitrisa Dolaran'ny Ministra ao Singapore i UK   http://t.co/H1nARDM

@mediumshawn :  mihevitra i Rupert Murdoch fa zavatra tsara ny ny fanakaramàna be ny minisitra ao Singapore.  Fetaho mofomamy ny tavany azafady.  #hackgate #notw

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.