Goatemalà : DipuKids, Andia Tanora Vaovao Kandidà Kongresy

Ny ady an-trano tao Goatemalà tamin'ny (1960-1996) izay namono sy nandefa an-tsesintany ireo tanora mpitarika sy ireo mpianatra ambaratonga ambony marobe manana ny ho avy tao amin'ny firenena, no nampisy fahabangana lehibe teo amin'ny tontolo politika. Hatramin'ny nanaovana ny sonian'ny Fifanekem-pandriampahalemana teo amin'ny Goatemalteka tamin'ny 1996 dia nijanona ho ambany dia ambany ny isan'ny tanora solombavambahoaka, ary natahotra mafy ny hiditra politika ihany koa ireo olona manam-pahaizana ambony. Izany no zava-misy mandraka ankehitriny.

Andia mpanao politika vaovao latsaky ny 30 taona, izay nomena anaran-bositra hoe “Dipukids’, no niteraka adihevitra, taoriana ny namoahan'ny antoko politika ny lisitra mampisongadina kandidà tanora manam-bintana mety hahazo seza ao amin'ny Kongresy manaraka amin'ny taom-piasana  2012-2016.

http://www.youtube.com/watch?v=jHXh5M46_3Q&feature=player_embedded

DipuKids ao amin'ny You Tube nalefan'i Veneno Cruz

Congreso Transparente, fandraisana an-tanana vaovao hahatonga ny Kongresy Goatemalteka hisokatra sy hanatona ny vahoaka kokoa, no manome vaovao momba ireo tanora kandidà sasantsany –ao anatin'ny faha-roapolo-taonany, sy avy amina antoko politika isan-karazany saingy mitovy avokoa ny traikefa ananany – mampiasa ny zony maha olom-pirenena afaka milatsaka ho fidiana azy.

Eo ampanombohan'ny faha-roampolotaonany na any ho any amin'ny fahadimy ambiroapolo taonany ny ankamaroan'izy ireo, teraka taorian'ny ady, nisitraka fampianarana  tsy miankina avo lenta manara-penitra, efa nitety izao tontolo izao ihany koa – fiainana nanana tombondahiny, samihafa amin'ny ankamaroan'ny Goatemalteka.

Loha-lisitra ny sasany amin'ireo kandidà, ka araka izany dia mety ho tsara vintana ho voafidy. Tanora efa miasa ny ankamaroan'izy ireo tahaka an'i Julio Hernandez (25) (@jfhernandezgt) izay manana diplaoma momba ny Fifandraisana Iraisam-pirenena; Diego Calvo (26), Eduardo Smith(26),  Hugo Morán (26), izy telo ireo samy manana diplaoma momba ny Lalàna; ary i Elisa Stahl Biener (@ElisaSBiener) manana marim-pahaizana momba ny Fifandraisana ara-panjakana. Ana Lucía Mazariegos (20), Juan Diego Asturias @judias09 (21), ary i Joan Godoy (23) izay mbola mpianatra.

Eto dia afaka mahita ny iray amin'izy ireo maneho ny heviny ianao:

Hita ao amin'ny ‘Dipukids’ ny fahalalana olona: ny zanaka lahin'ny Filoha teo aloha no sady ben'ny tanàna ankehitriny ao Guatemala City, Alvaro Arzu Jr. mpifaninana ho fidiana ao amin'ny Kongresy, sy i Alejandra García, zanaka vavin'ny Mpikambana vehivavy iray malaza ao amin'ny kongresy, mirotsaka ihany koa ho fidiana fanindroany indray, izay ao anatin'ny kandidàn'ny Parlemanta Amerikana Afovoany (PARLACEN).

Amin'ilay lohateny “Nahoana ny tanora no miha-tanora”, Ambasadaoro Britanika Julie Chapel niady hevitra ny resaka tao amin'ny bilaoginy ao amin'ny rafi-panjakana:

“Dipukids” – teny manintona! Saingy marina ve izany? Toy ny olona izay nantsoina koa indraindray hoe ” Ankizy Ambasadaoro”, Inoako fa tsy hanelingelina ahy ianao amin'ny fanehoan-kevitra ataoko amin'io adihevitra io. Miompana momba ny mahazavadehibe ny fomba Britanika mitodika amin'ny taona sy ny traikefa ny votoatin'ny lahatsoratra tamin'ny 10 Jolay. Marina tokoa fa 50 taona ny salan-taonan'ny solombavambahoaka Britanika. Maro no miasa amin'ny antoko politika toy ny mpanao fikarohana, mpamorona lahateny ary mpiana-draharaha. Na dia izany aza, marina ihany koa fa ny ankamaroan'ny antoko nilatsaka tamin'ny fifidianana tao Angletera ny taona 2010 dia kandidà latsaky ny 24 taona avokoa. Vao 18 taona monja ny kandidà tanora indrindra ary 26 taona monja ihany koa ny tanora indrindra tokony hofidiana. Namorona anarana ho azy manokana ny  Minisitry ny Raharaham-bahiny izay vao 16 taona monja tamin'izany raha nanao lahateny tamin'ny fivoriana nataon'ny Antoko Konservativa noho ny fitiavany ny asany,  ka nanamarika azy ho toy ny mpitarika maherin'ny 30 taona lasa izay. Araka izany, zava-dehibe tokoa ny traikefa, ny fananana hevitra mitombina, ny herijika ary mijery zavatra amin'ny endriny maro samihafa. “

Na dia izany aza, tsy ny hevitra rehetra no manokatra sy mamelombelon-tsaina. Ao amin'ny bilaogy Political Candidates 2011, mitondra ny lohateny hoe “Tanora Kandidà Ao Amin'ny Kongresy“, nametram-panontaniana ny mpanoratra ny amin'ny fomba hamatsian'ireo olona vao herotrerony ireo vola amin'ny fampielezan-kevitra ataony , raha toa ka mitotaly US$70.000 ny vola ilaina amin'ny fanatontosana fampielezan-kevitra amin'ny Kongresy. Nametram-panontaniana ihany koa izy ny amin'ny finiavan'ireo kandidà hijery ny tombontsoa iraisana amin'ny ankapobeny, satria maro amin'izy ireo no sarangan'olona ambony avy ao Goatemalà.

Jorge Palmieri, mpanao gazety taloha sy mpanao fanadihadihana politika  tao amin'ny lahatsoratra nosoratany “Tsy ampy ny tanora” no namariparitra ny fomba nironan'ny Guatemalan amin'ny fanaovana politika taoriana ny fanavaozana noentin'ny fahatanorany ho amin'ny hoavin'ny firenena, nilaza ohatra toy ny mpanoratra malaza Guatemalan sy mpikaroka Mario Monteforte Toledo izy, izay voafidy tao amin'ny Kongresy teo amin'ny faha 26 taonany, ary karazan'olona ambony manam-pahaizana hafa ihany koa.

Ary koa, nilaza ilay bilaogera ‘Ensabanable’ fa “Manao fitaovana ny tanora” ny dipukids.

Javier, tao amin'ny bilaoginy Kaotic storm of ideas, nanoratra lahatsoratra “Lalao politika sa Kilalao politika?”:

… introducir un enorme grupo de personas con cero experiencia en leyes, tanto su creación como su ejecución y análisis, es, para todas las intenciones y propósitos, algo realmente estúpido e inaudito.  Se pretende enmascarar la inexperiencia de estos postulantes y vendernos la idea de que la juventud es una característica lo suficientemente importante como para que ignores su falta de capacidad.  ¿Cuántas veces se han escuchado quejas porque gente no preparada, irrelevante de su edad, se encuentra en el Congreso?  ¿Acaso el que estos sean jóvenes los hace inmunes a esta misma queja?

…mba hampidirana vondron'olona lehibe izay tsy manana traikefa amin'ny resaka lalàna, amin'ny fomba fanaovana lalàna, ny fanatanterahana izany sy ny fanadihadihana, misy fikasana sy tanjona no tadiavinaamin'izany, zavatra tsy mitombina sy mbola tsy nisy teo aloha. Miezaka manafina ny tsy fananan'ireo kandidà traikefa izy ireo ka ny fahatanorana no mody aseho, mampiasa izany fahatanorana izany izy ireo mba hampandresen-dahatra antsika fa ampy ny tanora tsy mahalala ny tsy fananana fahaizana. Impiry handre  fitarainana isika fa olona tsy manana fahavononana, tsy mampaninona izay taonany, no mpikambana ao amin'ny kongresy? Mahatonga azy ireo tsy handre izany fitarainana izany ve ny maha tanora azy?

Eo amin'ny 6,7 tapitrisa eo ny vahoaka Goatemalteka izay latsaky ny 18 taona; mponina efa ela tao amin'ny firenena ny antsak'izy ireo ary mahantra avokoa ny roa ampaha-telony mahery. Latsaky ny 30% ny Goatemalteka nahavita fianarana ambony. Ny vitsy an'isa manakatao ihany no afaka nandia fianarana ambaratonga ambony, kanefa mbola tsy mahavita ny fianarany  hatramin'ny farany ihany koa. Araka izany, raha voafidy izy, tsy mitovy tanteraka amin'izy ireo ny olona ao amin'ny ‘Dipukids’ izay hilatsaka ho fidiana, ary manoloana ny filàna sy ny fanamby izay tsy mitovy mihitsy ny zava-misy iainanan'ny tanora kandidà. Ndao hanantena fa raha voafidy izy ireo, dia tsy hanadino ny tanora samihafa hisolo tena azy ity taranaka vaovao mpanao politika ity.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.