India: Mombai Niaina Tontolo Andro Feno Horohoro

Tsy vao voalohany izao no niaina asa fanakorontanana ny tao Mombai.  Efa hatramin'ny taona 2003 ilay tanàna maresaka be ao India io no niaina anaty fipoahana baomba maro ary ilay tranga fanafihana an'i Mombai ny taona 2008 izay nampihetsi-po tokoa dia mbola tsy afaka an-tsain'ny olona maro, indrindra fa ny mponina ao India.

Ny Alarobia 13 Jolay 2011,  tamin'ny 7:00 ora hariva teo ho eo,  baomba 3 no nipoaka nisesy tao an-tsenan'i Javeri (Javeri Bazaar),  trano fanaovana “Opera” na “Opera House” ary Dadar,  toerana samy be olona tokoa.   Javeri Bazaar ao Atsimon'i Mombai dia tsena be olona an-jatony mifamahofaho isan'andro.  Hatreto aloha araka ny tatitra dia olona 21 farafahakeliny no maty ary maro ireo naratra.  Avy hatrany dia ny fara-tampony amin'ny fanairana no napetraka tao Mombai satria niaina tontolo andro feno horohoro ny mponina.

Polisy ao Mombai nanao fanadihadihana ilay toerana nitrangan'ny fipoahana akaikin'ny Lisea (fianarana) D’Silva distrikan'i Dadar. Sary nalain'i Pradeep Paliwal. Copyright Demotix 13 Jolay, 2011.

Hatreto aloha tsy mbola nisy fikambanana nitonona ho tompon'andraikitra amin'izao fipoahana izao.  Ny tontolon'ny fampielezam-baovao dia rempotra koa, toy ny nampiasan'ny mponin'ny aterineto azy ireo be nandritra ny fanafihana tamin'ny 2008. Haingana tokoa ireo mpandefa Tweet toa an'i Dina Mehta raha hamoaka ireo vaovao azo farany sy ny fomba hanampiana.  Tamin'iity indray mitoraka ity no nahitanay ezaka matotra avy amin'ny mponin'ny aterineto:

 

 

 

@Dina: takelaka ho fanampiana an'i mumbai –  tolotra fanampiana manerana ny tanàna natambatra ao anaty taratasy iray https://spreadsheets.google.com/spreadsheet/lv?hl=en_US&key=tE-okpwwYgQavia5opgZSEA&toomany=true #mumbaiblasts.

Ilay antontan-taratasy ao amin'ny Tweet etsy ambony mitondra ny lohateny hoe “Fanampiana an'i Mumbai ,”  dia toa natombok'iNitin Sagar.   IO, miaraka amin'ireo olom-bitsy manome  izay azo ifandraisana  sy vaovao hafa ho an'ny mponina ao Mumbai,  ary manangona ireo vaovao momba ny fanampiana azony omena. Maro ny lisitr'ireo maty sy ireo naratra no ao amin'ny aterineto efa ho ora roa teo.  BloodAid nandefa vaovao momba ny fanomezan-drà tao amin'ny Twitter.

Ny fanangonam-baovao Ushahidi iray miainga avy eny ifotony /avy amin'ny vahoaka mitondra ny anarana hoe Mumbai Miray dia napetraka koa  ao amin'ny aterineto.  Ny pejy Wikipedia dia mamoaka ny vaovao farany koa.  Nanao ny fanangonam-baovaony avy eny ifotony ihany koa ireo fampahalalam-baovao mahazatra toy ny fandefasana mivantana anty bilaogy tao amin'ny  Gazety Wall Street the Guardian sy Reuters ary ny  bitsiky ny the Mid Day

Olona voan'ny fipoahana baomba nentina teny amin'ny JJ Hopitaly tao Mumbai. Sary nalain'i Pradeep Paliwal. Zon'ny mpamorona na Copyright Demotix 13 Jolay, 2011.

Nampihoron-koditra ny olona ireo sary sasany nalefa tao amin'ny Aterineto:

 

 

 

AnandWrites:  sasany amin'ireo voalohany,  sary nampihoron-koditra avy amin'ny  #MumbaiBlasts (#fipoahanaMumbai).  Nampalahelo. Tsindrio eto raha vonona: http://bit.ly/qRopPX + http://bit.ly/ohA1of

Nisy tsaho niely koa saingy vetivety dia tsy noresahin'ireo mponina .

Harini Calamur tao amin'ny POV nanakiana ny fandrakofam-baovao tao amin'ny fahitalavitra:

Miresaka sy mijery horonantsary matetika izahay, fiainana sy zavatra hafa rehefa misy antso.  Fipoahana tao Mombai – izy 3. Nandeha tao amin'ny fahitalavitra.  Ny olona sasany –  ‘mpanao gazety’ nivazavaza sy nikiakiaka.  Ilay mpanolotra toa faly (nifindra fantsona 3 – fihetsika mitovy ihany).  Nisesy ireo vavolombelona nanatri-maso.  Ny fahatelo JKD dia afaka nanome tsara vavolombelona nanatri-maso.  Ary avy eo izy (JKD) nametraka fanontaniana mavesa-danja – Maninona no tsy tenenin'izy ireo mazava hoe taiza no nitranga ilay fipoahana fa tsy izany zavatra tsy misy dikany izany.  Aiza ao Dadar,  Aiza ao  Jhaveri Bazaar.  Taiza ??.

Harini nanohy toy izao:

Raha miaina anaty fiarahamonina misokatra sy malalaka isika – dia misy vidiny aloa amin'izany – satria tsy maintsy hisy hatrany olona mitady ny hamotika ny fahavononantsika sy ny fanahintsika amin'ny alalan'ny herisetra.

Ary manana fanantenana izy mikasika ny famahana ny olana:

Misy ireo fanontaniana hapetraka sy ho valiana.  Nefa ny anio – ankoatra ireo tsaho ahely dia toa misy ihany fiaraha-mientana.

Bilaogera iray hafa, DilipD'Souza ao amin'ny DeathEndsFun no nanoritsoritra ny fandehan'ny fiainana isan'andro ao Mombai eo anoloan'ny savorovoro naterak'ilay fipoahana.

Azafady araho mivantana ao amin'ny Twitter (#MumbaiBlasts) ny zava-miseho. Azonao vakiana ihany koa ireo vaovaon'ireo mpandefa Tweet notsongain'ilay mpanoratra ao amin'ny Global Voices Asteris Masouras izay mipetraka ao Thessaloniki,  Gresy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.