Indonezia: Manavao Ny Tetika Hifehezana Ireo Media Sosialy Ny Minisitra

Tifatul Sembiring, Ministry ny IT sy ny Fifandraisana any Indonezia, izay tsy dia ankasitrahan'ny olona loatra, dia nilaza fa tokony ho matotra ny fifehezana ny vohikala media sosialy tahaka ny  Twitter sy Facebook satria azo ampiasaina hanakorontanam-panjakàna. Nanampy izy fa niaritra korontana ireo firenenena toa an'i Tonizia sy Libia satria tsy nahavita nifehy ny media sosialy ny governemanta tany.

Indonezia no manana ny iray amin'ireo fiaraha-monina mavitrika indrindra amin'ny resaka Twitter sy Facebook maneran-tany.

Tifatul Sembiring, sary avy amin'ny mpampiasa Flickr Ikhlasul Amal, ampiasaina eo ambany fiarovana Creative Commons

Naneho hevitra tamin'ny Twitter ilay mpitoraka blaogy mivantambantana fiteny, fantatra amin'ny anarana hoe Treespotter…..

@treespotter: Dear Pak @tifsembiring, pergolakan dari Tunisia sampai Malaysia karena Pejabat gagal mengelola Negara – bukan gagal mengelola Twitter.

@treespotter: Atoa @tifsembiring, ny tsy fahaizan'ireo manampahefana tany Tonizia sy Malezia nitondra ny fanjakàna – fa tsy ny Twitter –  no nahatonga ny  fitroarana.

@Tifsembiring: @treespotter nangkapnya agak keliru trees, jadi sy bilang socmed bisa mempengaruhi politik, ekonomi bahkan struktur sosial. Kita hrs amati

Diso fandray kosa ianao, nilaza aho fa afaka manindry ny politika, ny te-karena, hatramin'ny rafira ara-tsosialy ny media sosialy. Tokony hojerentsika ny amin'izany.

@treespotter @tifsembiring saya setuju betul bahwa Pemerintah penting mengamati, belajar sama sama, sebagai aset Indonesia. Bukan ancaman kekuasaan.

@treespotter @tifsembiring Ekeko fa tokony handinika tsara ny governemanta, hiara-hianatra, amin'ny maha-herin'i Indonezia azy, fa tsy fandrahonana ho an'ny fahefàna.

Rehefa voatsikera tamin'ny media, Tifatul dia nanao fanambaràna tamin'ny alalan'ny fitaovam-pifandraisana tiany indrindra, Twitter, ary nitaraina fa nandiso ny zavatra noteneniny indray ireo mpitati-baovao. Taoriana kelin'izay dia nanoratra fanazavana fohy koa izy tao amin'ny pejiny Facebook, milaza fa ny fanambaràny momba ny fifehezana ny media sosialy teo anoloan'ireo mpampianatra amin'ny ambaratonga fototra dia momba ny fanentanana ho fanaraha-mason'ny olon-dehibe ny fijeren'ny ankizy ny aterineto, ny fahamaotinan'ny fiteny ary ny fanoherana ny fijerena zavatra mamoafady.

Nilaza ny mpitoraka blaogy Ross1948 manoratra ao amin'ny Rossrightangle :

[…]
nefa na dia somary kidaladala aza indraindray ny fanambaràna ataony, tsy adala izy akory. MIAIKY izy fa ny aterineto malalaka sy mavitrika, mpitoraka blaogy maro isa, dia mety ho tsilo ho an'ny fitondràna “miondana” fitsipika silamo. Ary matokia ry mpamaky, fitondràna miondana fitsipika silamo izany no tena irian'ny Tifatul sy ny PKS ho hita aty Indonezia.
Raha ny tokony ho izy, ny faniriany hanakombom-bava ny media sosialy, anisan'izany ny bilaogy tahaka ny antsika dia sady nandrangitra ny mpanohitra no vao mainka tsisy fotony. Detik.com dia mitatitra an'i Tjipta Lesmana, manam-pahaizana amin'ny fifandraisana ara-politika, araka ny lazalazain'ny Tifatul hoe “Tsy misy fotony ny fieritreretana fa afaka fehezina ny media sosialy. Mety ho hevitra manokan'ny Tifatul izany na an'ny Filoha. Raha ity farany dia tsy tokony hatahotra ny SBY. Raha izany no izy dia misy zavatra tsy mazavazava ao amin'ny governemanta ao.’

Tifatul Sembiring no filoha teo aloha an'ny Antoko Fahamarinana Miroborobo (PKS), antoko silamo izay voatsikera matetika noho ny fandaharan'asany diso mpitahiry tafahoatra ny nentin-drazana. Taloha dia nikarakara famoriam-bahoaka ny PKS hanohanana ny fitsanganan'ny fitondràna Palestiniana ary hanoherana ny Amerikana sy ny namany..

Fanta-daza ihany koa izy noho ny niarovany ny lalàna mifehy ny aterineto niteraka resa-be izay nanenjehana an'i Prita Mulyasari, vehivavy tsy an'asa izay nomelohana ho nanely vaovao tsy marina tamin'ny fanoratana sy famoahana mailaka fitarainana manohitra ny tambajotran-toby fitsaboana iraisam-pirenena iray.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.