Mametraka Ny Tatao Amin'ny Entona Karbaona I Aostralia

PM Gillard launches the Clean Energy Future website
PM Gillard mampahafantatra ny fisokafana atsy ho atsin'ny vohikalan'ny Angovo Madion'ny Hoavy
Sary: Clean Energy Future.

Mizarazara ny hevitry ry zareo Aostraliana taorian'ny fanambaran”ny Praiminisitra  Julia Gillard mikasika andiana fepetra momba ny Angovo Madio miaraka aminà tataom-bidin'ny entona karbaona $A 23 isaky ny taonina ary ny tsenan'ny famoahana entona mampitombo hafanana hatramin'ny 2015. Nanana fantina vao haingana ihany i Crikey. Ny tontolon'ny fitorahana bilaogy ao an-toerana dia nalaky tokoa tamin'ny fanehoan-kevitra.

Toy ny efa fanaony dia somary maneso indray i Jeremy Sear avy amin'ny bilaogy An Onymous Lefty, lahatsoratra manao hoe THE CARBON TAX THAT WILL DOOM US ALL – ny Tataom-bidin'ny entona karbaona hahavery antsika rehetra.  Tony Abbott no tena kinendriny, ilay mpitarika ny Fiaraha-mientan'ireo antoko mpanohitra izay manohitra mafy an'ilay drafitra :

Ny ratsy indrindra, manakory moa ny tsy fahamarinan'ny governemanta tamin'ny famoahany nony farany ny antsipirihan'ny vidin'ny entona karbaona mba ho fanta-bahoaka sy ny fanozongozonany  ny fahafahan'i Tony Abbott mandiso tanteraka azy io?

Ao anatin'ilay hoe Australia will tax its carbon emissions – Hametraka tatao amin'ny famoahany entona karbaona i Aostralia, ao amin'ny bilaogy mitondra ny anarany ihany, Harry Clarke ‘momba ny toekarena, politika&zavatra hafa’ dia velom-piderana:

Mazava loatra fa fantatro hoe hisy ilay fanambaràna saingy ny hoe hahita ny antsipirihany amin'ilay tetikasa – jereo ny rohy- sady mampientanentana kokoa ny handre ny fiarovana mibaribary sy mampilendalenda toy izany. Fanambarana ara-politika iny sady fampihàrana tsara ny foto-kevitra hoe ny tsena no làlana tsara indrindra iatrehana ny olan'ny fandotoana avy amin'ny entona karbaona.  Taorian'ny andianà fifanolanana samihafa, ny antokon'ny Mpiasa dia tonga tamin'ny efa tokony ho nisy azy herintaona lasa izay, nony farany. Fiarahabana manokana ho an'ireo rehetra nandray anjara hahatongavana tamin'izany vokatra izany.

Open Your Eyes nahita zavatra maro hokianina momba azy io ao amin'ny Matoan-dahatsorany:

Dia hiroborobo indray ry zalahy mpikirakira birao sy mpandrangotra antontan-taratasy hikajy ny tatao sy ny fanalefahana.

Goldman Sachs sy ireo nàmany ao amin'ny sehatry ny fandraharahana ara-bola no tena hahazo tombontsoa betsaka raha tafita ny tsenan'ny entona karbaona, izay heverina hanomboka afaka 3 taona, ary rehefa ho tafapetraka eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena any aoriana dia hitondra amin'ny fananganana tsena iray, araka ny lazain'ny Wall Street Journal hoe ho eo amin'ny  $US 3 lavitrisa eo isan-taona.

Ary na eo aza anefa ireo tatao rehetra ireo, ny fampahantràna ny maro, ary fanomezan-tombony ny vitsy, tsy hisy fiantraikany amin'ny fiovan'ny toetr'andro maneran-tany izany na dia kely aza.

Chris White, ‘Blogging from a life-long unionist’ dia iray isan'ny miaro ny tatao amin'ny entona karbaona, saingy naniry ny hisian'ny hetsika bebe kokoa avy amin'ny antoko politikany:

Dingana iray ara-tantara nataon'i Aostralia ny nihetsehany momba ny vidin'ny entona karbaona nony farany. Vita hatreo ny fotoanan'ny resabe, raha miseho lany hatrany ny voka-dratsin'ny fiantraikan'ny fiakaran'ny hafanana manerana ny tany. Noho ny fanaovana hetsika ho fampihenana ny famoahana entona, ny politikan'ny andraso andraso sy ny fandàvana dia ho zary lasa rakitry ny ela.

Na izany aza, ny fahataràna lavabe tamin'ny firotsahana an-tsehatra dia nahatonga ny fanàmbintsika ankehitriny ho goavana be sy faran'izay maika. Ny eritreritra hametraka tatao amin'ny entona karbaona dia bitika miohatra amin'izay ambaran'ny vondrom-piaraha-monin'ny mpahay siansa miteny amintsika ny tokony hataontsika mba hisorohana ny fahavoazana lehibe amin'ny toekarena Aostraliana, ny tontolo iainantsika, ary ny fomba fiainantsika.

Vohikalan'ny Angovo Madion'ny Hoavy

Climate Change Denier niantsambotra avy hatrany amin'izay tena tompon'antoka ao Aotralia, hany firenena tokana ahitana ny tatao amin'ny entona karbaona amin'ny sehatra ara-toekarena rehetra:

Ary dia tsy miraharaha ny ambiny sisa eran'izao tontolo izao.

…Dia mba inona moa ny fampihenana ny entona karbaona avoakantsika ho 160 tapitrisa taonina raha mitaha amin'ny famokarana CO2 ataon'i Shina isan-taona? i Shina mamokatra CO2  7.031 tapitrisa taonina isan-taona. 2.2 isan-jaton'izay vokarin'i Shina izany. Noho izany, raha mampitombo ny vokatra avoakany mitovy amin'ny tamin'ny taona 2010 i Shina, eo amin'ny folo isan-jato, ny entona CO2 160 tapitrisa taonina ahenan'i Aostralia dia ho voatsentsin'i Shina ao anatin'ny 3 volana.

Vesatra dolara an-davitrisa amboniny ho an'ireo mpiasa, orinasa ary mpanjifa Aostraliana, ho soloin'i Shina ao anatin'ny telo volana.

Ny tenifototra #CP ao amin'ny Twitter dia nibahana ny lohahevitra OZ. Betsaka ireo fanapariahana bitsika no namerina nandefa an'ity:

@dannolan dia sahirana nandritra sy taorian'ny resadresaka ho an'ny mpanao gazety niaraka taminà fehezanteny nanao hoe:
Sarotra ho anao ny hanonona ny  ‘tatao amin'ny entona karbaona’ tsy ampiarahana amin'ny hoe SOCIALIST EUGENICS-LADEN MALTHUSIAN DEATH-PACT na “PACTE DE MORT MALTHUSIEN CHARGÉ D'EUGÉNISME SOCIALISTE” (Avy amin'ny mpamoaka lahatsoratra: sarotra be ny nitady fandikana mahalaza ny tena hevitry ny andian-teny, koa nosafidiana ny hamela azy ho teny anglisy sy frantsay) #cp

@GeordieGuy nitondra ny dian-tànany manokana:

Teraka amin'ny Novambra ny zanako lahy. Betsaka izany ny vintana ahafahako milon-drano miaraka aminy ao amin'ny Great Barrier Reef . #cp #cef

Nipoipoitra avy any ireo mpanakiana taorian'ny fisehoana naharitra an'ora tamin'ny vaovao nataon'i Gillard. @therevmountain no isan'ireny:

“PM, azonao ambara amiko indray mandeha ve ilay hafatrao, saingy amin'ny teny fohy?” #cp

Ilay tompondaka fahiny tamin'ny lalao tenisy tany Davis  @JohnAlexanderMP,  lasa mpikambana ao amin'ny parlemanta amin'ny anaran'ny mpifikitra amin'ny nentin-drazana, dia mitàna ny baikon'ny antoko:

So Aust companies can now move offshore, pay less to locals, avoid paying #carbontax and sell credits back into our market. Great reform #cp…Afaka miondrana izany izao ny orinasa Aostraliana, manarama ambany ny mpiasa eto an-toerna ary zara raha mandoa amin'ny tatao #carbontax sy mivarotra izany eo amin'ny tsena. Fanavaozana tonga lafatra #cp

@zinders nitanisa an'i Gillard tahaka ilay Praiministra Anglisy mpandàla ny nentin-drazana fahiny:

“Ny loza entin'ny fiakaran'ny hafanan'ny tany dia …tena ampy ho antska mba hitondràna fanovàna sy hanaovana sorona” Thatcher, 1990 http://bit.ly/bDBNzG #cp #auspol

@SimonCopland dia tahaka ny tratry ny tampoka ihany tamin'ny fihetsiky ny Praiminisitra:

Oooay, tena hain'i Gillard marina mihitsy ny mivarotra ity izy an. #cp

Betsaka ny fanadihadiana sy fanehoan-kevitra hanaraka eo rehefa afaka izay mahaditsoka, na dia mety mbola ho an-taonany aza izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.