Syria: Manao Hetsika Ho An'i Anas Maarawi ny Bilaogera

Anas Maarawi no bilaogera Syriana farany naiditra am-ponja. Nosamborina tao an-tanànany ao Kafarsouseh ao Damas izy ny 1 Jolay 2011, ka tsy nahenoam-baovao intsony ny momba azy nanomboka teo.

Bilaogera fanta-daza ao Syria sy any ivelany i Anas. Ankoatra ny bilaoginy manokana Anas Online, dia misahana bilaogy momba ny haitao sy tetikasa maromaro ihany koa izy, ny lehibe indrindra dia ny Ardroid, izay bilaogy voalohany amin'ny teny Arabo miompana amin'ny Android OS an'ny Google.


Niteraka hetsika ho amin'ny fahafahany ny fisamborana azy. Napetraka ny bilaogy ho fandefasana hafatra, toy izany ihany koa ny pejy Facebook ary ny Twitter misy tenifototra #FreeAnas.  Bilaogy Arabo misahana teknika maromaro no nandray anjara amin'ny hetsika,  ary ny mitarika izany dia ny mpiaraka aminy ao amin'ny  Ardroid ihany:

ربما تساءل بعضكم عن سر غياب صديقنا أنس معراوي الذي اعتدنا على مقالاته اليومية المتميزة على صفحات أردرويد.. اعتقل أنس معراوي تعسفياً يوم الجمعة 1-7-2011 في كفرسوسة, دمشق. ولا نعلم عنه شيئا حتى الآن.
أنس المعراوي من خيرة الشباب السوريين وهو مدون ومطور ويب ومهتم بالبرمجيات مفتوحة المصدر ومؤسس موقع أردرويد.

Mety hanontany mikasika ny fanjavonan'ny namantsika Anas Maarawi ianao , Anas, izay nahazatra antsika ny mamaky ny lahatsoratra nosoratany isan'andro ao amin'ny bilaoginy. Nosamborina tamin'ny Zoma 1-7-2011 i Ansa, tao Kafarsouseh, ao Damas. Ary tsy nahenoam-baovao intsony ny momba azy taorian'izany.

Iray amin'ireo tanora Syriana ankehitriny izay maranitra indrindra i Anas Maarawi. Sady Bilaogera izy, no “mpikirakira web”, ary mpankafy open-source ihany koa. Izy ihany koa no nanangana ny Ardroid koa.

Nandefa lahantsary mikasika an'i Anas ihany koa ny hetsika:

Tech-World, bilaogy arabo misahana haitao hafa, nanoratra momba ny fisamborana an'i Anas:

تعرفت على أنس المعراوي من خلال مدونة اردويد الرائعة والمتخصصه في مجال نظام الاندرويد ولقد حصل لي شرف لقائه في مؤتمر عرب نت الماضي وكان ولايزال من خيره شباب سوريا ، ولقد سأني خبر اعتقال الزميل أنس في سوريا منذ اسبوع تقريبا ، وكما عرفت أنس عن قرب كان بعيدا عن السياسة فأنس كان يكتب في أغلب تدويناته في مدونته الشخصية عن التقنية ومواضيع عامة ولا يكتب عن الامور السياسية الا الاشياء البسيطة لذلك اتمنى ان تقوم السلطات السورية بإطلاق سراح أنس فمثل أنس يستحق ان تفتخر سوريا به ولا تقوم بإيقافه
Nihaona tamin'i Anas Maarawi voalohany aho tamin'ny alalan'ny bilaoginy Android, Ardoroid. Ary voninahitra ho ahy ny nihaonako taminy nandritra ny fivoriana Arabnet farany teo. Izy no iray amin'ireo Syriana maranitra mba fantatro. Sanganehana tanteraka aho raha nandre ny vaovao momba ny fisamborana azy tamin'ny herinandro lasa teo. Efa fantatro hatry ny ela fa tsy mba liana amin'ny resaka politika i Anas fa resaka mikasika ny teknolojia na resaka amin'ny ankapobeny avokoa no lahatsoratra soratany ao amin'ny bilaoginy manokana, ary zavatra kely fotsiny no momba ny politika. Mino aho fa hafahan'ny manampahefana Syriana tsy ho ela i Anas. Tokony ankasitrahana ny olona tahaka azy fa tsy gadraina.


Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.