Kioba: Fihaonana Voalohan'Ireo Mpampiasa Twitter, Nahafinaritra Loatra Tao Havana

Ny fihaonana voalohany teo amin’ireo mpampiasa ny tambajotra sosialy Twitter dia nankalazaina ny 1 jolay tamin’ny 4 ora folakandro tao amin’ny distrika faha 23 sy ny faha12-n’i Vedado ary tao  Pabellón Cuba, foiben-toeran’ny Fikambanan’ny Saíz Brothers [es].

Olona 100 eo ho eo no tonga nanafàna an’ity hetsika ity, tanora mpianatra ho mpanao gazety ny ankamaroany , mpandraharaha, mpampianatra eny amin’ny Anjerimanontolon'i Havana [es], sy ny Anjerimanontolo Politeknikan’i Jose Antonio Echeverria ary koa ny Anjerimanontolon'ny Siansan'ny Fampahalalalm-baovao [ES], mpanao gazety maro sy mpitoraka bilaogy, ankoatr'ireo maro hafa.

Normal 0 21 false false false FR X-NONE X-NONE MicrosoftInternetExplorer4 Vondronà mpibitsika niara-nisalahy ny 1 jolay tamo amin'ny distrika faha-23 sy faha-12 tao Havana. Sary nalain’i Elaine Díaz.

Ny “Te hihaona aminao aho ” sy ny hoe “Tongava ao ambadiky ny @” no hery nanentana an’i Leunam Rodríguez (@leunamrguez) [es], tanora tompon’andraikitra mpikarakara voalohany ny Cuban Radio Portal sady mpanoratra ny bilaogy Twitterencuentro[es].

Na teo aza ny fiovàna, tamin’ny andro voalohany, niala avy amin’ny faha-23 sy faha-12 izay toerana efa voatondro mialoha, nanjary nankany amin’ny Pabellón Kioba. izay niteraka fifanipahan-kevitra teo amin’ireo sasany nisafidy ny hijanona teo amin’ilay toerana voatondro mialoha, sy ireo nisafidy ny ho any amin'ny Pavilion, fa ny ankamaroan'ireo Kiobana mpandefa tweet dia vory lanona tao amin’ny toeram-pisotroan'ilay trano fisakafoanana Carmelo taorian'ny tamin’ny 5 ora hariva, toerana ao Vedado ihany. Avy eo dia nizotra nankany amin’ny kianjan’ny Teatra Amadeo Roldán indray .

 

Normal 0 21 false false false FR X-NONE X-NONE MicrosoftInternetExplorer4 Leunam Rodríguez sy ilay mpanoratra Elaine Díaz, roa amin’ireo mpikambana mpanetsiketsika ny Twitthab. Sary nampindramin'i Elaine Díaz. Normal 0 21 false false false FR JA X-NONE

Normal 0 21 false false false FR X-NONE X-NONE MicrosoftInternetExplorer4 @iroko sy @unaprevia tao amin'ilay fihaonanan’ny mpibitsika tao Havana. Sary nalain’i Elaine Díaz

Mikasika ilay tsy fifanarahana indray, i Rafael González (@rafauniversidad)[ES], mpianatra ho mpanao gazety dia nizara tao amin’ny blaoginy [ES]:

Mi espíritu de romántico impenitente me indicó que debía permanecer fiel a la idea original, al Cinecittá primigenio, aunque fuéramos dos gatos, aunque la prensa nunca hablara de ese lugar, aunque no hubiera salas de navegación ni burocráticas complacencias.

No le resto legitimidad al otro lugar de reunión, solo que nunca entenderé ni apoyaré cambios a deshora, cualesquiera que sean las razones, sobre todo porque ninguna ameritaba el traslado imprevisto (otros dicen que imperativo).

Ny fihevitro mandrvirevy dia nanambara fa tokony hitazona ny foto-kevitro aamin'ilay hevitra niaingàna aho, ilay Cinecitta niandohana, sady izahay koa saka kely roa [olona vitsy] , na ny haino aman-jery aza tsy mba niteny ny amin’io toerana io mihitsy, na dia tsy nisy efitra ahafahana miditra aterineto aza, na mba fanamaivanana ny resaka raharaham-birao.Tsy hoe manao tsinontsinona ilay toerana hafa aho akory, fa somary tsy azoko sy tsy zakako loatra ny fiovàna tampoka amin’ny minitra farany toy ireny, na inona na inona mety ho antony, indrindra fa raha tsy azo antoka toa ireny ny anton’ny fiovàn-toerana (tsy azo nihodivirana ireny hoy ny sasany).

Nandritra ny 15 andro talohan’iny hetsika iny, olona teo ho eo amin’ny 200 teo ho eo, tao amin’ny facebook, no nanamafy ny ho fahatongavany ary ny tenifototra #Twitthab [es], iray amin’ireo tena niasa be tao Kioba, dia nahavory fomba fijery maro avy amin'ny lafintany eran'izao tontolo izao momba ilay hetsika.

Eduardo Estevez, @estevez121 [es], manam-pahaizana amin’ny teknolojian'ny fampahalalam-baovao sady mpikambana ao amin'ny fikambanana Kiobana momba ny rindrambaiko azo ampiasaina maimaim-poana dia nanambara tao amin’ny blaoginy :

Estando ya en el Carmelo nos presentamos uno a uno, tomamos unas cervezas, tarareamos alguna que otra canción y pasamos a ser acogidos por el parque que se encuentra frente al teatro Amadeo Roldán. Fue una tarde especial hay que reconocerlo. Lo más interesante fue que luego de estar un rato en el Parque se unos unieron los amigos que habían ido para la actividad del Pabellón Cuba, en ese momento los que parecíamos periodistas éramos nosotros preguntando cómo había acontecido todo por la otra sede.

Rehefa tonga tao Carmelo izahay dia samy nampahafantatra ny tenanay tsirairay avy, niara-nisotro labiera, niara-niantsa hira iray na roa ary nifarana teny amin’ny kianja maintso manoloana ny Teatra Amadeo Roldán. Tolakandro nahafinaritra ny tamin’iny, tokony ho ekena izany. Ny tena nahafinaritra indrindra dia ny taorian'ny fankanesana teo an-kianja rehefa tonga namonjy anay teo koa ireo namana sasany avy tany Pabellón , ary dia izahay indray tamin’izay no sahalan’ny mpanao gazety nanontany azy ireo izay nitranga tany amin’ny nalehany.

Niangavy ny governemanta Kiobana koa i Estevez, “Mba matokia mismisy kokoa ny Tanora Ankehitriny

Ny mpibitsika sasany dia nisafidy ny ho any ivelan'ilay hetsika. Anisan’izany ohatra i @VICcollor[es] izay nanambara tao amin’ny kaonty Twitter-ny: “nifampizara bitsika roa somary mahasorena aho omaly ho anà kaonseritra iray”. Raha, ireo Kiobana mipetraka any an-dafy toa an’i @jorgedearmas[es] kosa dia nanontany hoe “Rahoviana no hisy fihaonana Skype virtoaly sy misokatra?”

Avy any Stockholm, @reinaldogarcia2[es] dia nandefa [es] fiarahabana manokana ho an’ny Twitthab , ary ilay Kiobana mpanao gazety, @dianikflores [es] dia nitaraina fa tsy afaka namonjy an’io izy noho ny asany:

@dianikflores: Quiero acompañarlos en la próxima Odisea, ya vi las fotos, que envidia, debí haberme escapado[…]

@dianikflores: e hiaraka azy ireo aho amin'ny dia manaraka , hitako ireo sary, mampitsiriritra be,tokony ho nangala-dia aho […]

Ho an’ireto namana ireto indray, @sol24[es] sy @arielissac [es], Kiobana monina any Miami, nanaraka akaiky ny Twitthab tamin’ny alàlan'ny tambajotra sosialy ary nandefa hafatra [es] ho an’ireo mpizaika sy nizara izay niseho tany anaty tranonkala tany.

Ho an’i @elainediaz2003 mpanoratra iray, “tsy hay hadinoina sady nanan-tantara iny Twitthab iny, tena nahafinaritra , ary tena nampientanentana tanteraka”. Lety (@laeconomista) [es],izay nihaona tamin’ireo mpandray anjara tao amin’ilay kianjan’ny Teatra Amadeo Roldán, dia faly tanteraka ” tafahaona taman’olona marobe” ka nanamarika fa “fotoana niavaka tokoa iny”.

Normal 0 21 false false false FR X-NONE X-NONE MicrosoftInternetExplorer4 Vondronà mpibitsika tao Havana. Sary nampindramin'i Elaine Díaz.

Ny mpampahalala vaovao iraisam-pirenena, sy ny haino aman-jery malaza toy ny Washington Post sy ny USA Today, hatramin'ny Associated Press, EFE, Reuters sy ny Inter Press Service dia samy nitatitra iny hetsika iray iny saingy tsy dia nahasarika loatra ny saina tamin'ny vaovaom-pirenena. Araka ny hevitr’i @yohandry8787, tsy hita izay tati-baovaon’ny Kiobana.

Taorian’ilay fihaonana, nifanakalo sary sy lahatsary halefa aminà tambanjotra sosialy ireo mpandray anjara, ary nanomboka nieritreritra ny hetsika manaraka. Paola (@cubamar) [es], Kiobana iray monina any Mexico, nanoso-kevitra fa tokony hatao eny amoron-dranomasina ny fihaonana manaraka, ka homena anarana hoe Twittbeach; raha amin’i @cubanitoencuba[es] indray, dia tokony hatao ny Zoma voalohany amin'ny volana aogositra izany ary ao amin’ny kianjan’ny Almendares ao an-drenivohitra.

Ny tatitra farany momba ny fahafahana miditra aterineto ao Kioba navoakan'ny Foibem-Pirenena momba ny Antotanisa ao Kioba dia nanambara fa tena mbola ambany dia ambany ny fidiran’izany eny anivon'ny vahoaka Kiobana. Kanefa ny Kiobana mpampiasa aterneto dia efa nahadingana ny ara-teknolojika, mba hahafahana mamorona tambajotra maro samihafa ahitàna ny mpampiasa Twitter .

Ny mpampiasa voalohany tena fantatra amin'ity tambajotra ity ao Kioba dia ilay matihanina Orlando Ignacio Romero (@orlandoignacio) [es] izay lefitry ny tale ara-javakanto ao amin'ilay gazety Kiobana mpivoaka isan-kerinandro Bohemia [es] ary nanao sonia niaraka tamin'ny Twitter tany amin'ny faran’ny taona 2007.

Tamin’ny 2010 dia nirefotra be ny fampiasana Twitter tao Kioba ary nitombo be ny fanokafana kaonty tao amin'io nosy io, na dia somary mbola vitsy ihany aza ny isan'ireo mpampiasa azy mitaha amin’ny an’ireo firenena sasany any Amerika Latina sy Karaiba.

*To see more photos of , please look at Elaine Diaz's gallery. *Raha te hijery sary misimisy kokoa momba ny #Twitthab, iangaviana hijery ny toeram-pampirantian’i Elaine Diaz .

 

Ny fihaonana voalohany teo amin’ireo mpampiasa ny tambajotra sosialy Twitter dia nankalazaina ny 1 jolay tamin’ny 4 ora folakandro tao amin’ny distrika faha 23 sy ny faha12-n’i Vedado ary tao Pabellón Cuba, foiben-toeran’ny Fikambanan’ny Saíz Brothers [es].

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.