Malezia: Maro Indray no Voasambotra Talohan'ny Fikarakaràna Famoriam-Bahoaka

Marobe be indray izao ny olona nosamborina noho ny fanohanana ny  Famoriam-bahoaka Bersih 2.0 izay nokasaina hatao ny 9 Jolay 2011.

Mpitarika iray avy amin'ny mpanohitra ao Malezia Atsinanana, Christina Liew, no nampakatra tao amin'ny bilaoginy fa olona fito no voasambotra noho ny niakanjoany ny akanjo bà mavon'ny Bersih ary na dia fitafy ara-dalàna izao aza.

Tanora Pakatan Rakyat 7 nisakafo antoandro tao amin'ny  Kedai Kopi ao Asia City, niala avy any ny polisy 60 hatramin'ny 70 ary nisambotra an-dry zareo. Tamin'ireo 7 ireo, ny 3 dia nitafy akanjo fitondra manao fanatanjahantena niloko mavo, ary 1 nitafy ny akanjo bàn'ny bersih, ary ny 3 ambiny nitafy tsotra (baju biasa).

Nisy ihany koa lahatsary iray izay nampakarin'i Liew tao amin'ny bilaoginy, ka ao anatin'izany no iresahany momba ny fisamborana ireo olona ireo:

Anatinà fanavaozam-baovao iray, nilaza izy fa nafahana ry zareo ireo saingy tsy maintsy tonga miseho eo anatrehan'ny polisy ny andron'ny 9 Jolay.

Ny vohikalam-baovao Malaysiakini koa dia nitondra tatitra momba ny fisamborana solombavam-bahoaka, ary koa nitatitra fa ny 1 Jolay, olona 121 no nosamborina. Mbola nitatitra ihany koa izy io fa ny Malaysian Communications and Multimedia Commission (MCMC), na Komisiona Maleziana momba ny Multimedia sy ny Fifandraisana dia nanome baiko ireo fahitalavitra sy fampielezam-peo mba ‘hanaratsy’ ilay famoriam-bahoaka.

Fanampin'zany, gazety malaza mpiseho isan'andro ary amin'ny teny anglisy, The Star no nitatitra fa ny MCMC dia niteny fa hanakatona izay vohikala rehetra ‘manao fanentanana na manampy amin'ny fikarakarana ny famoriam-bahoaka amin'ny 9 Jolay’.

Ny andron'ny 3 Jolay, olona enina hafa indray no mbola nosamborina  araka ny nambaran'ny Malaysiakini.

Nisy lahatsary iray ihany koa nivoaka tao amin'ny YouTube izay nanjary nalaza dia nalaza tokoa, izay nandrakitra ny fisamborana ireo olona 14 voalohany voalaza tao anatin'ny tatitry ny Global Voices tany aloha:

Nisy ihany koa lahatsary iray mitonona ho ny hira faneva Bersih, mampiasa lafika avy amin'ny famoriam-bahoaka Bersih tamin'ny 2007 ho Fanafahana an'i Maher Zain:

Ny kaonty Twitter Bersih dia tena navitrika tokoa, ary efa manana hatramin'ny mpanjohy 5.000. Isan'ireo bitsika ahitàna ny resaka Bersih 2.0 ireto:

@40square: Anatin'ny tena demaokrasia dia azo atao ny manao diabe am-pilaminana

@winnielwn: @bersih2 dia momba ny fifidianana MARINA sy MADIO. Fa loza inona loatra no nahatonga anareo  hisambotra olona marobe?

@jakangboo: #Bersih tsy resaka BN na PR; malay vs tsy-malay. Isika, vahoakan'i Malezia dia maniry fotsiny ny hanana governemanta malalaka, marina ary mangarahara.

@mariachin: Andro manjombona ho an'ny fitsarana. Narodan'i Najib ny fanantenana rehetra amin'ny tetikasam-panovàna an'i Malezia tamin'ny filazàna fa tsy ara-dalàna ny Bersih 2.0

Ny kaonty Tzitter an'ny Praiminisitra dia tsy miresaka mihitsy momba ilay tranga. Ao amin'ny Facebook, ny pejin'ny Bersih 2.0 dia nahazo  ‘Tiako’ manodidina ny 40,000 .

Misy ihany koa tati-baovao iray milaza fa ny Amnesty International dia niantso ny governemanta mba hamela ny hitohizan'ny famoriam-bahoaka.

Ny sarikely dia mampiseho lehilahy iray mitàna ny akanjo bàny Bersih nandritra ilay famoriam-bahoaka farany tamin'ny Novambra 2007. Sary avy amin'ilay mpampiasa Flickr, wormy lau (CC BY-NC 2.0).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.