Bahrain: Manomboka ny Fifanakalozan-kevitra nasionaly ny fitondrana sy ny mpanohitra

Ity lahatsoratra ity dia anisan'ny tatitra manokana ataonay momba ny Fanoherana 2011 tany Bahrain.

Hatramin'ny fihetsiketsehana tamin'ny 14 Febroary 2011 tany Bahrain, toa noresahina tsindraindray ihany ny hevitra hoe hosokafana ny fifanakalozan-kevitra eo amin'ny mpanohitra sy ny mpitantana. Olona maro be no nitsipaka ny adihevitra, nihevitra izany fa tsy ilaina ary tsy ho afaka hamaly nyny hetaheta sy ny fangatahan'izy ireo.

Tamin'ny Sabosty 2 Jolay, farany dia nanomboka ihany ilay fifanakalozan-kevitra nandrasana hatry ny ela ka nandray anjara  tamin'izany ny vondrona laika Waad sy ny vondrona Wefaq Shia, na dia teo aza ireo mpikambana sasany ao amin'ireo vondrona, any am-ponja miatrika ny fitsarana miaramila.

Fanehoan-kevitry ny haino aman-jery sosialy

Raha ny momba ny resadresaka, ireo Bahraini mpampiasa Twitter dia tena mifantoka manokana amin'ny anaran'ireo tena nitondra ny adihevitra, ny fomba nandraisana ireo mpanohitra tao anatin'ny fotoan'ny fifanakalozan-kevitra ary ny fihetseham-pony, ary koa ireo olona 400 notanana am-ponja nanomboka tamin'ny 14 Febroary (ny sasany moa navotsotra vao haingana), ankoatr'ireo tranga tahaka ireo mpanao fihetsiketsehana noroahina tamin'ny asany ka tsy afa-niverina intsony.

Nanoratra mikasika ireo very asa ny Bahraini hajaina mpampiasa Twitter iray, i Abu Saber (@Moawen) manao hoe:

@Moawen: Raha mbola mangataka ny anombohana ny fifanakalozan-kevitra nasionaly i Bahrain, ireo mpiasa kosa dia mbola hanaovana fanadihadiana sy roahina amin'ny asany

Manameloka ny vondrona Wefaq mpanohitra Shia ny mpampiasa Twitter hafa antsoina hoe Obeez (@Ba7rainyaWaft5r) izay mampiasa ny sarin'ny mpanjaka Bahraini eo amin'ny avatarny, manoratra hoe:

@Ba7rainyaWaft5r: niditra tamin'ny dinidinika nasionaly i Wefaq mba hanaitra amin'ny alalan'izany fa tsy hanova akory ary haintsika daholo izao ny tetiny.

Manoratra feno fanakianana ihany koa mikasika ny Wefaq i Online Bahrain (@ONLINEBAHRAIN), kaonty Twitter hoan'ny vaovao Bahraina, milaza hoe:

@ONLINEBAHRAIN: tokony hisy hilaza an'i Wefaq hanajanona ny fanakianana ataony mikasika ny dinidinika amin'ny haino aman-jery satria arakaraky ny hanaovan'izy ireo an'izany no maika koa maha adala azy ireo raha izy ireo mandray anjara

Etsy andaniny, i Wefaq mihitsy no namoaka hevitra tamin'ny alalan'ny twitter (@Wefaqsociety) [ar] mikasika ny fifanakalozan-kevitra nasionaly, mitatitra ny voalazan'ny mpitarika azy, Ali Salman:

الأمين العام الشيخ علي سلمان:اثناء الحوار من حق أن الناس أن تعتصم وتتظاهر، وإن لم ينجح الحوار سنعود للشارع


@Wefaqsociety
: Ny Sekretera Jeneraly Sheikh Ali Salman: Nandritra ny fifanakalozan-kevitra, dia nanan-jo hitokona sy hanao fihetsiketsehana ny olona. Raha tsy mahomby ny fifanakalozan-kevitra, dia hiverina eny an-dalam-be isika.

I Maryam AlKhawaja (@maryamalkhawaja) koa, mafana fo zanakavavin'ny mpitarika mpanohitra notanana am-ponja Abdulhadi Al-Khawaja, dia nampitandrina ny olona amin'ny fiarovana ny hevitra sy ny fampiadiana ny mpanohitra, hoy izy nanoratra

@maryamalkhawaja: Bahrain, tsarovy fa tsy amin'olon-tokana ny fanamelohantsika, na Sunni na Shiaa, na miaraka amin'ny ND ianao na tsia, fa amin'ny fitondrana

Nanoratra tweets maro ny zokivavin'i Maryam,  Zainab (@angryarabiya) momba ny fifanakalozan-kevitra nasionaly sy ny tsy fanekeny izany. Notanana am-ponja avokoa na ny rain'i Zainab, ny vadiny, ny dadatoany ary nanao fitokonana amin'ny hanoanana izy ho azy ireo iray volana lasa izay:

@angryarabiya: Tsy fifanakalozan-kevitra izao fa mpanjaka miseho azy hitondra ny lalao. Dia tsy hasehony akory amin'ny rariny sy hitsiny izany.

Hoy izy manampy:

@angryarabiya: Ny hoavy andrasantsika ho an'i Bahrain dia hahitana itony mpampijaly itony eny amin'ny fitsarana, ary tsy hanome azy ireo anjara asa matanjaka eo amin'ny fifanakalozan-kevitra.

Nanakiana ny fifanakalozan-kevitra ihany koa ny vehivavy Bahraini antsoina hoe Om Haidar (@FREE_BAHRAIN1):

@FREE_BAHRAIN1: Hadalan'ny governemantan'i Bahrain ny hanaparitaka ny rivotry ny fifanakalozan-kevitra nasionaly nefa mampihatra ihany koa ny famonoana ireo mpanohitra isanisany!

Mbola nanoratra izy:

@FREE_BAHRAIN1: Tokony harahina rivotra milamina avy amin'ny polisy tsy hitifitra an'ireo mpanao fihetsiketsehana ny fifanakalozan-kevitra nasionaly mandritra io fotoana io!

Telo andro lasa izay dia ni-tweet ny fanamarihany momba ny adihevitra i Mansoor AlJamri (@MANSOOR_ALJAMRi), mpamorona ny gazety Al-Wasat voaheloky ny governemanta miaraka amina mpanao gazety hafa ho nanamboatra vaovao nandritra ny fihetsiketsehana, ary milaza toy izao manaraka izao, ankoatr'ireo maro hafa:

الأجندة التي وزعت على الحوار الوطني ااختفت منها اي إشارة الى موضوع التمييز، ولكن اغفال هذا السرطان يعني موتا بطيئا للجسد البحريني

@MANSOOR_ALJAMRi: Tsy miresaka momba ny olan'ny fanavankavahana mihitsy ny fandaharam-potoana nozaraina androany tao amin'ny fifanakalozan-kevitra nasionaly. Tsy fantany akory fa homamiadana mety hahafaty tsikelikely ny vatatenan'ny Bahraini izany.

Niezaka nanampy i Abu Ahmed (@safybh) :

@safybh: tokony tsy hatahotra intsony isika, nandray anjarana tamin'ny dinidinika nasiona ly ireo mpanohitra ary natoky ny fahavononatsika, ka tsy tokony hampitahotra antsika izay ho vokatr'izany, satria isika manana ny fahefana hanova azy

Efa velom-panantenana sahady i Khalid Mohammed (@Khalid0901) ary sahala amin'ny tena matoky ny fifanakalozan-kevitra, manoratra hoe:

@Khalid0901: ho tetika fitsaboana ny Fifanakalozan-kevitra Nasionaly, izay hahafahany hiarina amin'ireo loza ratsy tsy nety tamin'ny lasa.

Ity lahatsoratra ity dia anisan'ny tatitra manokana ataonay momba ny Fanoherana 2011 tany Bahrain.

Sarikely sainam-pirenena Bahrain avy amin'ny mpampiasa  Flickr abcdz2000 (CC BY-NC-SA 2.0).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.