Thailandy: Nihetsika Tamin'ny Fandresen'ny Mpanohitra Ireo Mpampiasa Aterineto.

Kandidàn'ny mpanohitra Yingluck Shinawatra no vehivavy Thailandé voalohany tonga eo amin'ny toeran'ny Praiminisitra noho ny antokony Pheu thai nahazo seza maherin’ ny 260 tamin'ny fifidianana solombavambahoaka natao androany (03 Jolay 2011). I Yingluck dia zandry vavin'i Thaksin Shinawatra,praiminsitra Thailande teo aloha izay voaongana teo amin'ny toerany. Ny praiminsitra mpisolo toerana Abhisit Vejjajiva dia efa manaiky sahady ny fahareseny tao amin'ny fahitalavi- pirenena.

Nampiaina ny fizotran'ny fifidianana tamin'ny bilaogy ny Newley Purnell, Siam Voices, Bangkok Pundit, ary ny Khi Kwai. Nampiasa ny tenifototra #thaielection tao amin'ny twitter ireo Thai mpampiasa aterineto mba hanarahana akaiky ireo tatitra mahakasika ny fifidianana sy ny vokany. Richard Barrow dia nampakatra sary momba ilay fifidianana tao amin'ny posterous sy Facebook.

Ireto ny fanehoan-kevitra avy amin'ny Twitter:

@lollylollz: Tsy milaza hoe manaiky ny vokam-pifidianana aho, fa fotsiny hoe izay no fanapan-kevitry ny vahoaka – tsy tokony ho eken-tsika fotsiny ve izany ka hiroso amin'izay?

@vahncitis: @gun_zlinger: Mendrika hahazo ny karma, izay nataon'ny ankamaroanareo, ianareo ry zalahy #ThaiElection < < Eny, hankafy an'io karma milay io isika.

@georgebkk: RT @notThanongK: tsarovy ry havana, tsy ny fandresena akory no zava-dehibe fa ny fiatrehana azy avy eo.

@poobist: RT @pisa_fye: Mila tarika voavao mpanoratra lahateny sy fianarana mikabary ny Praiminisitsika vaovao FARAN'IZAY HAINGANA !!

@sarendra: Fotoana izao ho an'ny mpanao politika #Thai hijorooana ary hirosoana makany aloha. Fotoana ho an'ny mpanjaka sy ny tafika hampijanonana ny fisalovanan-draharaha. #Thailand Hitsiky sy hifaly indray.

Yingluck Shinawatra

Yingluck Shinawatra

Fanonganam-panjakàna no nanàla an'i Thaksin teo amin'ny toerany, ny taona 2006. Nanao sesitany ny tenany izy amin'izao fotoana izao handositra ny sazy vokatry ny fanaovany kolikoly. Liana te hahalala ny zava-nisy i Newley Purnell mikasika izay mba vitan’ i Thaksin amin'izao fotoana nahazoan'ny antokony vato indray tamin'ny fifidianana izao:

Nandeha be ny adihevitra tamin'ny taon-dasa , momba ny haneken'ny tafika na tsia ny governamanta hafa mpomba an'i Thaksin.

Nandritra ny adihevitra tao amin'ny fahitalavitra io alina io, nandinika ireo mpitarika pôlitika Thailande fa tsy hisy famotsoran-keloka ho an'i Thaksin.

Tsy misy afaka milaza mialoha izay mety hitranga, hoy izy ireo, raha miverina ao Thailandy ilay mpanefoefo nanao sesitany ny tenany.

Kanefa mety hahavita hanery ny hisian'ny famnotsoran-keloka ve ny Pheu Thai?

Ho hitantsika eo izay avoakan'ny herinandro ho avy.

Mandefa fisainana amin'ireo lesona nentin'ny fampielezan-kevitra tamin'ny fifidianana teo sy ireo fanamby miandry ny governemanta vaovao ny Siam Voices:

Efa tahaka ny hoe azontsika ny praiminisitra vehivavy voalohany, rariny raha hiravoravo ny mpanohitra (na ny ao amin'ny parlemanta na ny any ivelan'ny parlemanta); niloka tamin'ny tsy fahombiazany ny Antoko Demôkraty ary resy tanteraka nony farany, raha nandresy kosa i Yingluck tsy ny anadahiny any an-tsesitany ihany, fa teo koa ny fomba fanatonana malemy paika nataony; manome risika anao hiroso mankany mankany ny maha-olona noporetina sy ny hatezerana, ary ny fitsapan-kevitra eo am-pivoahana ny trano fandatsaham-bato dia fandrebirebena fotsiny ihany ka tokony ho mailo sy tsy ho voarebirebin'ireo tarehimarika tsy azo mampino isika…

Ny zava-dehibe izao dia izay hapetraky ny governemanta vaovao ho laharampahamehany voalohany sy ny fomba ataony hiatrehana ireo krizy atrehan'ny firenena – ahoana no fomba ataony hampidinana ny fiakaran'ny vidin-tsakafo? Hiezaka hanao fampihavanana ve izy ireo, na dia ho lafo aza izany ara-pitsarana? Ahoana ny ho mety fahalalahan'ny praiminisitra raha mitaha amin'ny tsindrin'ireo izay ivelan'ny andrim-panjakana demôkratika sy ny avy any ivelany? Ary farany: ho heno ve ny hetahetan'ny vahoaka?

Andrew Walker sy Nicholas Farrelly, manoratra ho an'ny New Mandala, dia manantena fa i Thailand dia hanorina indray ny fitokisany ny fizoran'ny fifidianana sy demôkratika:

Ny vokatry ny fifidianana anio hariva dia fiverenana miavaka ho eo amin'ny fahefana ho an'ny hery pôlitika izay naongana tamin'ny alalan'ny fitaovam-piadiana ny alin'ny 19 Septambra 2006. Nandritra ireo taona nanaraka taty aoriana izy io dia matetika voakorontan'ny fidirana antsehatr'ireo olona akaiky ny mpanjaka, ny tafika ary fitsaràna. Na dia teo aza ny fanilihana 100 mahery tamin'ireo mpitarika pôlitika avy ao aminy, vitan'ny Phaua Tha ny nandresy mavesatra ny zavatra rehetra nataon'ny antoko Demôkraty tranainy hamelezana azy .

Manana tombon-dahiny i Thailandy amin'ny fanorenana indray ny fitokisana ny fizoran'ny fifidianana. Mety ho loza ny hanjo ny firenena raha atao antsirambina io tombontsoa io.

Vehivavy mpifidy mampiseho ny taratasy fandatsaham-batony. Sary avy amin'ny pejy Posterous an'i Richard Barrow

Oneditorial dia afaka nifidy tany amin'ny firenen-kafa:

Amiko, tsy maninona na mandresy amin'ny fifidianana na tsia ny antoko izay nofidiako. Ny any mba tadiaviko dia ny haneho indray mandeha ny zo-ko ara-demôkratika. Hiarahaba azy ireo amin-kitsipo aho raha mandresy amin'ny fifidiana ny antoko izay tsy tiako. Tokony heken'ny rehetra ny vokatra na noporofoiny izany na tsia; raha tsy izany, hiverina ao anatin'ny korontan'ny Mavo sy ny Mena tanteraka indray ny firenena. Tsy misy olona ho tia mpitia mpanao pôlitika manao kolikoly. Kanefa mba hivahan'ny olana, tokony hanaiky ny rehetra fa amin'ny fomba demôkratika no tokony hanatanterahana izany.

vondron'ny Mavo sy Mena voalazany dia ireo Mavo mpanao hetsi-panoherana tsy mpankasitraka an'i Thaksin ka nampikatso ny seranam-piaramanidina tamin'ny 2008; ary ny Lobaka Mena dia ireo mpanao fihetsiketsehana tsy mpankasitraka an'i Abhisit izay nanao fanakanan-dàlana tao Bangkok tamin'ny taona lasa.

Robert Amsterdam, iray amin'ny mpanohana ny Lobaka Mena , dia nahatsikaritra ny olana natrehan'ireo mpanohitra:

Nahatalanjona ny voka-pifidianana rehefa zohiantsika ireo trangan-javatra hafahafa manohintohina an'i  Pheu Thai. Na dia teo aza ny fanohanana feno avy amin'ny fitondram-janjakana, ny fanampian'ny tafika, ny tsy fanafoanana ny vaton'ireo mpifidy an'hetsiny, ny fanaraha-maso ireo haino aman-jery, ny fampidirana am-ponja ny kandidàntsika, ary ny fialana an-daharan’ ireo mpitarika pôlitikantsika am-polony, tsy afa-nilahatra tamin'ireo antoko akory ny Demôkraty,  na ny fihetsiketsehana, izay nanetsika sy nanome hery ireo teratany Thailande antapitrisany.

Nizotra tamim-pilaminana tanteraka ny fifidianana tamin'ny ankapobeny na dia teo ihany aza ny olana natrehina toy ny fanadinoana ny anaran'ny mpifidy, ny vato maty sy tsy man-kery, ny filaharana lavareny teny amin'ny birao fandatsaham-bato, ary ny fiahiahiana fisianà fampihelezan-kevitra tsy manara-dalàna.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.