Rosia: Misafidy ny sainan'ny tanànany ny bilaogeran'i Vladivostok

Raha manantomotra ny Vovonan'ny Fiaraha-miasa ara-toekarena Azia sy Pasifika (APEC) 2012, ka ao anatin'ny fikarakarana azy ny tanàna seranana Rosiana Vladivostok, ny mpisera tia famoronana kosa mandritra izany fotoana izany, nanoratra fa tsy manana saina ofisialy [ru] handraisana ny lanonana ny tanàna. Matetika moa ny tompon'andraikitra no mampiasa bny tanambokovoko mangan'i Md Andre amin'ny tokotaniny mena. Io saina io moa dia manavaka ny Ampira Rosiana ho an'ny manda amorondranomasina rehetra hatramin'ny 1889.

Ankoatra ny fieritreretana ny fomba handraisan'ny manampahefana ny delegasiona avy amin'ny firenen-tsamihafa, dia nanolo-kevitra ny amin'izay tokony ho endriky ny saina vaovao ny mpamaham-bolongana ao an-tanàna. Fa ilay nanomboka ho fandraisana andraikitra matotra dia niafara ho somonga politika.

Ny dika natolotra manokana dia ahitana tigra eo afovoany – famantarana ny tanàna – ahitana ny loko laoranjy mariky ny fiposahan'ny masoandro, vorona fotsy (ampanidinana) ary ny ranomasina manga.

Suggested flag of Vladivostok by Live Journal user newsmaker_su

Volavolan-kevitry ny sainan'i Vladivostok avy amin'ny mpisera Live Journal newsmaker_su

Dika hafa manaraka kosa dia toa mampiahatsiahy ny fitambaran'ny saina Amerikana sy Okrainiana (jereo eo ambany). Ny tsipika manga mampahatsiahy ny ranomasina ary ny mavo manondro ny torapasika, ary ny kintana 50 mampiseho ny nosy 50 eo amin'ny ranomasina Atsinanana akaiky an'i Japana manakaiky an'i Vladivostok, ary ny soavalindrano kosa mampiseho ny mahatanàna amoron-dranomasina ahitana sambo miaramila, sambom-barotra ary sambo mpanjono azy.

Alternative flag of Vladivostok by LiveJournal user churkinsky_most

Dika mpisolo ny sainan'i Vladivostok avy amin'ny mpisera LiveJournal churkinsky_most

Ny mpisera zemlya25 miantso [ru] ity dika ity ho “Fitambaram-ben'ny Torapasika amin'ny Morondranomasina.” Lasa lavitra kokoa ny anankiray hafa ka nanolokevitra ity dika momba ny saina manaraka ity:

Alternative version of Vladivostok flag by LiveJournal user huivstakane

Dika mpisolo ny sainan'i Vladivostok avy amin'i huivstakane mpisera LiveJournal

Ao amin'ity tokotany volontany ity indray ny heverina ho tora-pasika maloto sy ny ranomasina: Nilaza ny mpamorona azy fa zava-dehibe ny manasongadina ny loton'ny tontolon-dranomasina sy ny tanàna. Ny loko volombatolalaka indray no manamarika rivotra maloto sy ny fantsona mpitondra entona fandrehitra izay haorina tsy ho ela. Ny lavaka mainty kosa mampiseho ny fitomboan'isan'ny lavaka eny an'araben'ny tanàna, raha mandositra mankany Andrefana ao anatin'ny fiara Japoney kosa ny tigra maty sy ny trondro.

Ny olona sasany dia manasongadina ny fahadalana amin'ity fampiasana ity; ny mpisera zairok milaza [ru] fa tahaka ny tsy ananany saina no , “tsy ananan'i Vladivostok ihany koa lalamby ambanin'ny tany, zaridainan-drano ary ekipa mpanao curling.”

Farany ity fampiasana famoronana ity dia manambara betsaka momba ny fifankafantaran'ny mpiseran'i Vladivostok, miafara amin'ny fanambarana politika manohitra ny filoha Rosiana [teo aloha] Vladimir Putin:

Vladivostok flag by Live Journal user chylym

Saina Vladivostok avy amin'i chylym mpisera Live Journal

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.