Maraoka:Mitohy ny Fihetsiketsehana Manohitra ny Fanovana

Tamin'ny Zoma 8 jiona 2011, nandatsa-bato tamin'ny fitsapakevi-bahoaka ny vahoaka Maraokana tamin'ny volavolan-dalampanorenana naroson'ny Mpanjaka Mohammed VI. Mampiseho ny fanohanana goavana ny fanovana ny valim-pifidianana ofisialy, izay 98 isan-jato no nisafidy ny ‘Eny’ avokoa.

Nitaky ny fametrahana ny fitondram-panjaka parlemantera  ahitana fisaraham-pahefana mangarahara tanteraka ny mpanao fihetsiketsehana ho amin'ny demokrasia. Amin'ny fametrahana ny Mpanjaka ho filohan'ny Firenena, ny fitsarana ary ny miaramila, tamin'ny lalampanorenana nasiam-panovana, nilaza ny mpanao fihetsiketsehana fa tsy mifanaraka amin'ny fitakian'izy ireo izany, amin'ny fanomezana fotsiny ny fahefana voafetra ho an'ny praiminisitra sy ny parlemanta.

Nanohitra ny valim-pifidianana ny hetsika ho amin'ny demokrasia, nanambara fa misy ny tsy fahatomombanana amin'ny ankapobeny. Nizara lahatsary izay toa mampiseho ny fandikana ny lalam-pifidianana nandritra ny andro fandatsaha-bato ny Bilaogera.

Namoaka ireto lahatsary manaraka ireo ny bilaogy 24-Mamfakinch, izay mampiseho olona tsy fantatra, nilaza fa nisy hosoka tamin'ny vata-pifidianana taorian'ny fikatonan'ny biraom-pifidianana sy talohan'ny voka-pifidianana mbola tsy voaisa:

Mpampiasa YouTube ny ReferendumMaroc nizara ity lahatsary ity izay mampiseho sora-baventy lehibe mihantona eo amin'ny fidirana amin'ny birao fandatsaha-bato ao an-tanànan'i Marrakech, mamporisika ny vahoaka hifidy ny volavolan-dalam-panorenana. Raha voamarina tokoa izany, dia fanitsakitsahana ny lalam-pifidianan tanteraka:

Na dia teo aza ny fitsapakevi-bahoaka manamafy ny fanovana tamin'ny lalam-panorenana, dia mbola an-jatony ireo nidina an-dalambe tamin'ny Alahady mba haneho ny tsy fankasitrany ny fanovana. Nisy koa ny famoriam-bahoaka ny Alahady ihany koa ho fanohanana ny Mpanjaka , izay mbola malaza hatrany ankehitriny.

Ireto lahatsary ireto, avy amin'i Tangier Rabat sy i Casablanca manokana, nalefa tao amin'ny 24-Mamfakinch:

Nilaza ny mpanao fihetsiketsehana fa tsy ho lasa lavitra ny fanovana ka hotohizany ny fanerena ny fitondrana mandra-pahitan'izy ireo fanovana tena izy tafapetraka.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.