Gresy: “Niteraka ny Demokrasia Isika, Dia Navonointsika!”

Ity ambany ity dia iray amin'ireo tantara maro henonao tato ho ato teny amin'ny araben'i Athens; miavaka izy ity noho ny nivoahany tao anaty lahatsoratra iray mitondra ny lohateny hoe Misangy Fahafatesana, nosoratan'i Giorgos Aygeropoulos, Grika  mpanao gazety malaza efa nahazo loka maro, fantatra amin'ny fandrakofany ny fifandonana , ady ary fanoherana:

[…] Ndeha ho raisina hatrany am-boalohany ny zava-drehetra. Teo amin'ny manodidina ny 13.30 teo dia nisy vahoaka maro nivondrona teo anoloan'ny Parlemanta. Tsy nisaron-tava izy ireo. Tsy nitora-bato. Zokiolona, tanora, vehivavy, lehilahy, mpianatra, mpiasa, tsy an'asa izy ireo, niventy teny faneva, nanofahofa tànana toy ny hoe efa mifankazatra amin'ny Parlemanta, ary ireo tena mafàna fo dia ery aloha mihitsy — ny be indrindra dia nanevateva sady nanozongozona ny fefy izay natsangana teo alohan'ny tsangambaton'ilay Miaramila Tsy Fantatra Anarana.ZZZZ  Tsy dia zava-dehibe loatra  mety hanamarina ny zavatra mitranga ato aoriana raha lazaina amin'ny fomba hafa. Tampoka teo, avy eny rehetra eny, avy any ankavanana, avy any ankavia, ary avy eo afovoany, nanomboka ny fanafiahna nataon'ireo mpitandro filaminana izay nanosika ireo mpanohitra handroso any amin'ny làlana mankany amin'ny Kianjan'i Syntagma. Eritrereto hoe olona an'arivony mihazakazaka am-pahatairana mitsofoka aminà làlan-tery izay tsy mihoatra ny 10 metatra ny sakany. Avy ao aorian'ireo olona marobe no mitoraka entona mandatsa-dranomaso sy grenady mahafanina ny mpitandro filaminana mpandrava korontana, miteraka fisaovorovoroana. Main'ny afo ny vahoaka, rendrika ao anatin'ilay entona mandatsa-dranomaso, tsy mahita ny eo alohany izy ireo, ary manomboka mifanitsaka ka mianjera. Torana ny olona, ny hafa voahitsaka ao anaty rà. Na dia eo aza izany rehetra izany, tsy niala ny mpitandro filaminana. Nidaroka izay hitany teo alohany tamin'ny kibainy  ihany izy ireo, amin'ny fiteny hafa dia ireo olona izay mihazakazaka hiarovany ny tenany, mifanitsaka.

Taorian'iray volana mahery nanaovana hetsi-panoherana sy fitangoronana milamina tao amin'ny Kianjan'i Syntagma (ny Lalàmpanorenana), nikasa ny hanodidina ny Tranon'ny Parlemanta ireo mpanao fihetsiketsehana ny Alarobia 29 Jona lasa teo, andro izay nanatanterahana ny fifidianana ny tetikasa “the Mid-Term Austerity”. Kanefa dia nanapa-kevitra ny tsy hamela izany hitranga ireo manampahefana Grika.

Araka ny Toko faha-11 ao amin'ny lalàmpanorenana Grika, ” ny  fitangoronana eny ankalamanjana dia mety ho voararan'ny fanapahan-kevitra misy antony avy any amin'ny manampahefana, amin'ny ankapobeny raha ohatra ka goavana ny loza mitatao ho an'ny filaminam-bahoaka, ary amina faritra iray mazava, raha atahorana ny fanakotabàna ny fiainam-piaraha-monina sy ny ara-toekarena, araka ny voalazan'ny lalàna.”

Amin'ity raharaha ity, tsy nisy loza nitatao goavana ho an'ny filaminam-bhaoaka, satria ny ankamaroan'ireo mpanohitra dia olon-tsotra niaraka tamin'ny fianakaviany, tezitra amin'ny governemantany sy diso fanantenana tamin'ny politika izay nitondra azy ireo nankany amin'ny fahantràna. Ary nila ny paikady B ireo manampahefana – ny fanafihana sy fandrehetana ny rivotra iainana izay efa henjana rahateo.

Iray amin'ireo grenady natsipy tany amin'ireo mpanohitra tao Athens, miaraka amin'ny daty farany tokony hampiasàna azy tamin'ny 08-95. Sary Twitpic-n'i @Gerasimoschatzi (Makis Chatzidamianos), 29 Jona 2011.

Ny Amnesty International  dia namoaka filazàna an-gazety momba ny fampiasana ireo entona simika tany amin'ny araben'i Athens ny 29 Jona. Ny Fikambanana Ara-Pitsaboana Grika ho Fiarovana ny Tontolo Iainana ary Manohitra ny Fandrahonana Niokleary sy Simika dia nanamarika tao anatin'ny lahatsoratra an-gazetiny [el] fa ny entona mandatsa-dranomaso nampiasain'ny mpitandro filaminana nandrava ny fikomiana dia fitaovam-piadiana simika ary voarara ny fampiasana azy ho enti-manohitra ny fahavalo amin'ny ady.

Na dia teo aza ireo fepetra hentitra, nahavita nandefa ny hafany tamin'izao tontolo izao ireo mpampiasa twitter nandray anjara tamin'ilay hetsi-panoherana tamin'ny fampiasàna ny teny fototra #Syntagma sy #29jgr.

Ireto ambany ireto ny ohatra vitsivitsy tamin'ny asa nahazendana vita avy amin'ny Twitter.

@TheLiveProject (ThePressProject.net):

Ny ady simika tany Syntagma, andro faha-2. Entona mandatsa-dranomaso aman-taonina. diso akaiky loatra ny sakana ireo mpanao hetsi-panoherana ka nampahazo aina ny mpitandro filaminana.

@northaura (spyros gkelis):

maika be, antso vonjy ho an'ireo mpitsabo mba ho tonga izao dia izao any #syntagma miangavy anao hi-RT misy ireo olona maratra ary tsy arak'ireo ekipa mpamonjy #29jgr

@thesspirit (Sofia Thesspirit):

thesspirit Sofia Thesspirit

Mamely mivantana anay ny mpitandro filaminana. Nihazakazaka izahay, nahita lehilahy nandrora rà aho, 3 hafa fanina ao amin'ny in-3 mandingana amin'ny misy ahy. Tena ratsy ity.#Syntagma

@thesspirit:

Vao maraina be androany dia henoko ny baikon'ny radion'ny mpitandro filaminana ary mazava ny “hanadiovana ny arabe” ary minitra aty aoriana dia namafa ny olona tamin'ny entona simika ny mpitandro filaminana.

@thesspirit:

eo ambanin'ny fipoahan'entona/tselatra efa mandritra ny ora 12  manindritra izao ny kianjan'i #syntagma #greekdemo #greekrevolution Miangavy anao hi-RT mba hahalalan'izao tontolo izao ny zava-mitranga.

Ny asehon'ity lahatsary manaraka navoakan’i RealDemocracyGr , mpampiasa Youtube ity, iray anatin'ny maro, dia mpanohitra iray tany Athens mangataka ny mpitandro filaminana iray hiala eny an-toerana sy tsy hidaroka azy – ary midaroka azy amin'ny kibay ity mpitandro filaminana ity:

Ny zavatra hany sisa hanontanian'ireo Grika tena taorian'iny dia ny karazana rafitra politika ananan'ny fireneny, miaraka amin'ny mpampanoa lalàna tsy mbola naneho hevitra mihitsy amin'ny herisetra goavana nataon'ireo mpitandro filaminana nandritra ireo andro roa nanatanterahana ny hetsi-panoherana tamin'ny Talata 28 Jona, sy Alarobia 29 Jona. Aseho mazava anatin'ireto tweet manaraka ireto izany :

@frantzisp (Panagiotis Frantzis):

Manana anarana ny zava-nitranga tao afovoan'i Athens: fanambarana ho an'ny maro ny lalàna miaramila amin'ny fandraràna ny zo hifamory sy ny fahalalahana. #Syntagma.

@KostasVaxevanis:

Το μόνο Συνταγματικό αυτή τη στιγμή στην Αθηνα είναι η πλατεία Συντάγματος. Τα υπόλοιπα έχουν καταληθει. Να παρέμβει τώρα ο Πρωθυπουργος

Ny zavatra iray mba araka ny lalampanorenana ao Athens hatreto dia ny Kianjan'ny Lalampanorenana. Ny sisa dia noraràna avokoa. Tokony hirotsaka an-tsehatra amin'izay ny PM ankehitriny

@spdd (Stavros Papadakis):

εμείς γεννήσαμε τη δημοκρατία, εμείς τη σκοτώσαμε! Τουλάχιστον έχουμε το know-how!”

Niteraka ny demokrasia isika, ary dia namono izany! Mba manana ny fahaiza-manao aloha isika farafaharatsiny !

@Cyberela:

Ny Fanjakana iray izay voafidim-bahoaka & manipy entona mandatsa-dranomaso aman-taonina @ ireo vahoaka ireo, dia tsy fanjakana demokratika tsotra izao. Fitondrana izany!#j29gr #syntagma.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.