Malezia: Fandrarana famoriam-bahoaka mitady fifidianana madio

Averina indray ny famoriam-bahoaka lehibe  Bersih tao Malezia tamin'ny taona 2007. Bersih (Vondrona ho an'ny fifidianana marina sy madio), ONG mpitolona maleziana, no mikarakara ny Bersih 2.0, izay fantatra fa atao amin'ny 9 jolay 2011, ka hisy ny filaharambe ataon'ireo mpiaro ny fifidianana madio manerana an'i Kuala Lumpur alohan'ny hanomezana ny tolokevitra ho an'ny Mpanjaka.

Ny fandrarana izany haingana no nataon'ny fitondrana manoloana io famoriam-bahoaka io. Nampitandrina ny mpomba azy ireo tompon'andraikitra ao amin'ny governemanta fa ny fandraisana anjara amin'io fihetsiketsehana tsy ara-dalàna io dia hiteraka fikorontanana; nanambara ny minisitry ny Atitany fa ivelan'ny lalàna ny T-shirt Bersih satria misy ifandraisana amin'ny fivoriana tsy ara-dalàna’ ; nilaza kosa ny Minisitry ny Fizahan-tany fa hanankorontana ny toekarena fotsiny izany; ary ny Minisitry ny Vehivavy; ny Fianakaviana ary ny Fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra nilaza koa, fa ny Bersih 2.0 dia miezaka hamorona “Kianja Tahrir” ao Malezia’. Olona 14 miakanjo ireo T-shirts sahady no voasambotra. Mba hampitsaharana izany rehetra izany, dia nidina nankany amin'ny fitanan-tsoratra an'ny Bersih ny polisy ary nisambotra mpiasa 7 tao.

Bersih rally in 2007. Image by Flickr user wormy lau (CC BY-NC 2.0).

Fihetsiketsehana Bersih tamin'ny taona 2007. Sary avy amin'ny Flickr de wormy lau (CC BY-NC 2.0).

Namaly ny  fanafihana nataon'ny Minisitry ny Vehivavy, ny Fianakaviana ary ny Fampandrosoana ny tontolo Ambanivohitra Shahrizat Jalil izay manohitra ny fitondrana ny Berish 2.0 i Janatharni Arumugam, Ambiga Sreenevasan, nanoratra tao amin'ny bilaoginy izay be mpamaky Loyar Burok :

Nampiseho ny herimpanahy nananany i Ambiga nandritra ny fitantanany ny Filan-kevitrin'ny Vondron'ny mpisolo vava, raha nandray fepetra tamin'ny fitakiana fanovana amin'ny fitsarana ireo mpisolo vava . Nandray anjara hatrany tamin'ny fianapahan-kevitra mampandroso ny zon'olombelona sy ny fahamarinana ara-tsosialy izy. Faka-tahaka tsara ho an'ny vehivavy ihany koa izy, amin'ny maha matihanina azy ka tafakatra amin'ny toerana ambony amin'ny fitantanana ny Filankevitrin'ny Vondron'ny mpisolo vava.

Amin'ny maha vehivavy ahy, sady misafoaka aho no malahelo mahita ireo vehivavy mifandramatra mba hampiatra ny fandaharana manome fahamboniana ny fahefan'ny ray.

Vehivavy Maleziana, mamporisika anareo aho mba hizotra miaraka amin'ny BERSIH 2.0 amin'ny 9 jolay 2011. Marobe ny zavatra tsy mahafaly antsika, satria tsy mahavita miaro ny zon'ny mpifidy sy ny zon'ny olom-pirenena ananantsika ny Fanjakana noho ny fanamboarany sy ny fividianany ny vatontsika mba hifikirana eo amin'ny fahefana.

Ho henon'izy ireo anie ny feontsika ka hahita tokoa ny herin'ny vehivavy hitondra fanovana tena ilain'ny Malezia izay tsy foinay.

Tsy mahita zava-dratsy amin'ny fihetsiketsehana ihany koa i Glam, ary mihevitra fa manao fahadisoana ny governemanta amin'ny fanambarany fa tsy ara-dalàna ny fihetsiketsehana:

Tsy misy zavatra mba noraisin'ny manam-pahefana mihitsy ve? Tsarovy ny fampiasan'ny polisy ny fomba feno fanararaotam-pahefana mba hanakanana ireo mpanao fihetsiketsehana dimy arivo tamin'ny taona 2007, very toerana dimy ny BN (NdT : vondrona Barisan Nasional) ary ny ankamaroan'ny roa ampahatelo tao amin'ny Parlemanta. Raha mbola manohy ny fomba-ratsiny ny polisy-miaraka amin'ny GE13, iza no mahafantatra, dia mety izay no ho fiafaran'ny BN. Ajanony ny fahasianana lozabe. Henoy ny vahoaka. Mba hahasoan'ny Firenena!

Kanefa, ao amin'ny Facebook sy Twitter indrindra no  que l'on s'active. Efa manana pejy Facebook sy kaonty Twitter sahady i Berish 2.0, ahitana mpankafy an'arivony.

Ity lahantsary miantso ny Maleziana hanohana ny fihetsiketsehana :

Tao amin'ny Twitter, maro ireo olona ni-tweet nanohina ny famoriam-bahoaka:

@hsinish: Nahoana #bersih ? Tsy te hahita ny tahotrintsika androany ho lasa ranomasontsika rahampitso aho. Fifidianana amin'ny fomba MALALAKA & MADIO.

@sivamsubang: Voafidy hiasa ho an'ny vahoaka ny Governemanta. Rahats'izany, tsy voafidy intsony afaka 5 taona. Eo anelanelam-potoana kosa dia afaka mihetsika manohitra ny fitantanana feno gaboraraka ny olom-pirenena

@FunKyDoGxxx: Aleoko misafidy ny Malezia BERSIH (madio) toy izay ny POLITIKA KOTOR (politika maloto) avy amin'ny fitondrana manaraka. Omeo ny volan'ny rakyat. Tohano @bersih2.

@_earth: Tsy natao hanongana ny governemanta ny Bersih. Saingy maro amin'ireo BN (Barisan Nasional, vondron'ny fitondrana) no mihevitra izany.

@eitoabdulhalim: Araka ny fantatro, @bersih2 dia hetsika milamina mba hampisy tolokevitra indray, fa tsy fikomiana na inona akory. Araka izany, nahoana no miahiahy?

@Isaakjohn: Fa nahoana no #Bersih ? Mba ho ao anaty tontolo madio, misy mangarahara.

Ny anton'ny fitakiana nataon'ny Bersih dia ho fanavaozana ny lisitrin'ny mpifidy, ho fanafoanana ny fifidianana amin'ny alalan'ny fandefasana taratasy ary ny fidirana mitovy amin'ny fampahalalam-baovao ho an'ny antoko politika, na ny fitondrana izany na ny mpanohitra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.