Kolombia: Nandao Ny ‘W Radio Colombia’ ilay Mpanao Gazety, Félix de Bedout

Ny fialàn'i Félix de Bedout Molina mpanao gazety tao amin'ny “W Radio Colombia” [es] ho lasa mpanolotra ao amin'ny Univisión [es] any Etazonia dia nahatonga karazan-tsikera maro tao Kolombia. Anisan'ny iray amin'ireo mpanao gazety mavitrika malaza tato anatin'ny taona vitsivitsy izy.  Anisan'ny mahafehy tsara ny asa fanadihadiana koa izy,  fantatra amin'ny fitsikerana ataony rehefa manao fanadihadiana nefa indrindra koa ny mahakasika ny toe-java-miseho amin'ny firenena. Lasa mpitsikera manokana ny governemantan'ny filoha teo aloha , Álvaro Uribe Vélez sy ny kolikoly niseho nandritra ny valo (8) taona nitondrany izy.
Nisy hafatra fanaovam-beloma [es] izay lasa resa-be nipoitra avy tamin'ny tambajotra sosialy, tao amin'ny bilaogisifera ao an-toerana sy tamin'ny famoaham-baovao mahazatra.

Jairo Aristizabal (@AristizabalOssa) nametraka hafatra mampalahelo momba fialàna'ilay mpanao gazety:

Desde este humilde trino deseo de todo corazón que vuelva Felix de Bedout le va hacer falta al periodismo independiente del País.

Ampanetren-tena tanterakasy amin'ny fo no aniriana ny hiverenan'i Felix de Bedout, ho banga azy ny fanaovan-gazety tsy miankinaeto amin'ny firenena.

Nicolás Henao P. (@NicolasHenaoP) nanaiky fa anisan'ny mpanohana ny filoham-pirenena teo aloha Alvaro Uribe Vélez izy, nefa mahalala koa ny asa fanaovan-gazety:

Soy muy Uribista y él muy anti, pero yo siento que Colombia perdió un gran periodista como lo es Félix De Bedout

Tena “Uribista” be aho, ary izy dia mpanohitra Uribe, nefa aho mahatsapa fa very mpanao gazety lehibe i Kolombia, izay toa an'i Félix De Bedout.

Carlos Cortés Castillo [es] avy amin'ny vohikala La Silla vacía [es],  dia manoratra amim-panajana tanteraka ho an'ilay mpanao gazety, mitanisa ny 8 taona tao amin'ny “W Radio Colombia“:

Se fue el policía malo, señores y señoras. Félix, el detective que sacaba confesiones a bofetadas y encaraba a los sospechosos agarrándolos del pelo, no estará más en la estación. Fueron ocho años de persecuciones en caliente, de esquivar golpes, de horas y horas de interrogatorios a punta de tinto tibio.

Tompokolahy sy tompokovavy, lasa ny polisy ratsy. Félix, mpitsongo dia nampanaiky tamin'ny felaka tehamaina, tsy hisy intsony ao amin'ny onjam-peo. Nenjehana nandritra ny 8 taona ry zareo, nidify ny famelezana, fakànaamb-bavany mandritra ny ora maro

Mahatsiaro ny zava-nisy niainan'i Félix de Bedout sy ny mpiara-miasa taminy izay filoha lefitry Univision ankehitriny i Vladimir Flórez (@Vladdo):

Así como cuando les mandaban amenazas y sufragios a periodistas como Félix de Bedout y Daniel Coronell. #Uribíctima.

Toy ny fony i Félix  Bedout sy Daniel Coronell nahazo hafatra mandrahona sy mampionona .#Urivictim

Ny gazetiboky Semana [es] mitanisa ny fanambaran'i Félix de Bedout tamin'ny tafatafa niaraka tamin'i Jimena Dussan: “Santos dia manao zavatra betsaka tàhaka ny Uribe, fa amin'ny fomba tsara kokoa”

Juan Manuel Méndez manamarika [es]amin'ny lahatsoratra:

Félix de Bedout hace buen periodismo pero sin modales.

Manao ny asa fanaovan-gazety tsara tsy asiana larony i Félix de Bedout.

Luis Felipe Cogollo, mpamaky hafa ny Semana, dia nitsikera[es] koa ilay mpanao gazety:

A este periodista lo carcome el odio y la ponzoña y le hace perder la objetividad que deberían tener para trabajar en un medio que se supone es serio como lo es esta revista. (…)

Fankahalana no mahatonga ity mpanao gazety ity tsy hanana fijery tsy mitanila izay tokony hananany amin'ny asany ho eo anelanelany, izay tokony ho matotra tàhaka ity gazetiboky ity. (…)

Tao amin'ny Twitter i Tatiana Jaramillo V. (@TatianaJaramillo) no  namaly ilay fanamarihana :

No estoy segura si el “Santos hace muchas cosas de Uribe, pero con mejores modales” de Félix de Bedout es bueno o malo…

Tsy azoko antoka raha ny “Santos  no manao zavatra betsaka toy ny Uribe, saingy amin’ ny fomba tsara  kokoa” an'i Félix de Bedout dia marina na tsia.

Farany, tao amin'ny bilaogisifera, Kienyke [es]  dia nampakatra lahatsoratr'i Harold Abueta iza an'i y navoaka taty aoriana tamin'ny bilaogy hafa [es]:

Decenas de políticos veían en él a un enemigo. Los sacaba de casillas y los ponía contra la pared cuando no podían explicar los alcances de un proyecto de Ley o cuando tenían intereses personales en negocios con el Estado.

Mpanao politika ampolony mahery no nandray azy ho fahavalo. Nandrebireby sy manelingelina azy ireo izy rehefa tsy afaka manazava ny volavolan-dalàna, na rehefa manana tombotsoa ara-barotra manokana iarahana amin'ny fanjakàna ry zareo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.