Global Voices Podcast 1: Iza no inoantsika an-tserasera?

Global Voices Podcast HomepageSubscribe in iTunes

Miarahaba ny rehetra!

Tsy mora ny mamehy ny vaovaon'ny mpanoratra sy ny fiarahamonina misandrahaka manerantany ato amin'ny Global Voices ao anatin'ny fandraisana sy fandefasam-peo antsasakadiny, saingy hiezaka izahay ny hitondra an-tanana amin'ny endrika feo ny zoro rehetra ato amin'ny tontolon'ny Global Voices. Amin'ity fizarana voalohany ity no handrenesantsika momba ny…

Question markInona no azo inoana ato amin'ny aterineto

Na ny bilaogera na ny gazety dia samy voafitak'ilay mpanao hoax Tom MacMaster izay nilaza tena ho “Amina” ilay vehivavy bilaogera monina any Syria mpitia vehivavy tamin'ny Jona 2011. Nampieritreritra anay amin'izay bilaogy hovakiana sy hohamarinina ny Raharaha Gay Girl in Damascus. I Jillian York, mpanolotena sady solontena ao amin'ny Filankevim-pitantanana sady mpanoratra any amin'ny faritra Afovoany Atsinanana sy Afrika Avaratra sy i Aparna Ray, mpanoratra momba an'i Azia Atsimo ary i Tarek Amr mpitati-baovao avy ao Ejipta no niresadresaka tamiko.

Bandim dancersFeo avy any Ginea Bisao

Eddie Avila, talen'ny Rising Voices ninday fandraisam-peo tamin'ny diany vao haingana avy tany Ginea Bisao ao Afrika Andrefana. Mihainoa ary ny mozika fialamboly vitsivitsy avy any Bandim sy Enterramento, faritra malaza amin'ny dihy isan-tarika miaraka amin'ny manodidina azy ireo, ary mihainoa ihany koa ny eritreritr'i Eddie momba ny fikambanana vaovaon'ny tanora mibilaogy izay miorina any ka tohanan'ny Rising Voices.

Firuzeh Shokooh ValleAhoana izany hoe tonian'ny Global Voices editor?

Hamaranana ny andiany voalohany, Nifampitafa tamin'ny tonian'ny teny espaniola aho, Ramatoa Firuzeh Shokooh Valle izay mampifandrindra ny asa tapakandro ao amin'ny Global Voices sy ny mahareny azy, mampianatra sy mianatra hahazoana ny Phd. Ahoana izany mitatitra avy amin'ny toerana toa an'i Porto Riko, Kioba, Repoblika Dominikana, ary Espaina ho an'ny Global Voices? Nilaza tamiko moa i Firuzeh fa tiany ny asany.

Lazao anay izay ho henoinay amin'ny manaraka

Izay ary no azonay natolotra tamin'ity andiany voalohany fiaingana vaovao indray ity. Saingy natao hivoatra y hivelatra moa ity fandraisana sy fandefasam-peo an-tserasera ity ary eo am-pikatrohana momba azy ity indrindra izahay. Te-haheno izay avy aminao kosa izahay ary inona no tianao hohenoina – amin'izay fotoana izay dia miteny amin'ny tonia sy ny mpanoratra aho hifampizarana amintsika misimisy kokoa izay tiana hohenoina isaky ny fizarana.

Hehy matetika sy asa vita tsara ny fandraisana sy ny fandefasam-peo an-tserasera. Ny mahafinaritra – ny fiasako miaraka amin'olona mahafinaritra avy amin'ny vazantany efatra mahafoy ny androny, mivoaka maka feo ny zava-mahafinaritra ary manao izay hamaliana hatrany izay zavatra takiako horaketina sy avoaka hohenoina. Isaky ny misy clip iray vasobasoka avy amin'olona samihafa manerana ny glaoby – dia tsy dia (fitsangatsanganana) ratsy iray ao anatin'ny telopolo minitra izany.

Zo sy alalana momba ny mozika

Ao anatin'ity fandraisam-peo ity ianao dia maheno mozika maro anaty zo Creative Commons. Raha te-hahalala bebe kokoa momba ireo artista ireo ianao dia indreto rohy ho anao. Isaorana i Orb Gettarr amin'ny fiverenana ato amin'ny atmosfera ny Kandidà Lemioran'i Atlanteana, i Mark Cotton amin'ny Fahatiarovana am-panahy, ny misongadina avy amin'i Superbus. NS amin'ny Fujjad! Ny ankamaroan'ny hira moa dia hita ao amin'ny OpSound.Org, The Free Music Archive na nalaina mivantana tany amin'ny artista. Isaorana ihany koa ireo olona mahafinaritra nireaka sy ny hira izay mandravaka ny fandefasampeo mahatonga antsika ho tafaraikitra eto.

Ankasitrahana tamin'ny fihainoana ary manantena hizara ny fandefasampeo Global Voices manaraka!

Global Voices Podcast HomepageSubscribe in iTunesSubscribe to the podcast with RSS

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.