Maraoka: Lalam-panorenana Vaovao Tsy Misy Fanovana Betsaka

Nandeha nandatsa-bato tamin'ny fitsapakevim-bahoaka ny mponina Maraokanina androany  mba hifidy ny lalam-panorenana vaovao natolotry ny Mpanjaka  Mohammed VI.

Na dia nankatoavin'ireo mpanadihady marobe sy mpakasitraka ny mpanjaka tokana aza ny fanovana natao,  dia tsy namaly ny hetahetan'ny mpanao politika sy ny mpitolona izay niandrandra demokrasia tena izy, ahitana fisaraham-pahefana sy fiafaran'ny fitondrana tsy refesi-mandidin'ny mpanjaka kosa izany.

Ny fanovana natolotry ny mpanjaka dia natao taorian'ny efa-bolana nanaovana fihetsiketsehana an-dalambe mitaky ny fanovana, izay nanomboka taoriana kelin'ny revolisiona Toniziana sy Ejipsiana tamin'ny 20 febroary.

Nanao fampielezan-kevitra tamin'ny valantserasera ny bilaogera sy ny mpitolona mba hitarika ny olona tsy hifidy amin'ny fitsapakevi-bahoaka momba ny lalam-panorenana vaovao, izay araka ny nolazain'izy ireo fa tsy mamaly ny hetaheta amin'ny fampiharana ny demokrasia tena izy. Fitsapakevim-bahoakaMaraoka nizara ity lahatsary ity izay mampiseho ny filazan'ireo Maraokana tapa-kevitra tsy handeha hifidy amin'ny fitsapakevi-bahoaka.

Omaly hariva, tanàna maro ao Maraoka no nisy fihetsiketsehana, miantso mba tsy hifidy ny lalam-panorenana vaovao. maghribi7or007 nizara ity lahatsary ity tao amin'ny Fez ao amin'ny YouTube:

Mamfakinch, vavahadim-baovao avy amin'ny bilaogera sy mpitolona Maraokanina izay misy amin'ny teny Arabo sy Frantsay, fitantarana mivantana ny fihetseham-po momba ny fifidianana  ato.

Nandritra izany, nisy ny fihetseham-po isan-karazany tao amin'ny Twitter,

Maroqui ni-tweet hoe:

@Maroqui: Avy niresaka tamin'ny olona handeha hifidy ny Eny aho. Ny antony hifidianany Eny: satria efa zatra mihinana maloto izahay, ankehitriny mety hihinana maloto miaraka amin'ny legioma izahay.

Ibn Kafka nandika teny amin'ny teny anglisy ny fihetseham-po sasantsany avy amin'ireo Maraokanina mpisiokantserasera ni-tweet tamin'ny teny frantsay. Tao amin'ny tweet iray, nanoratra izy hoe:

@ibnkafka: Araka ny hevitry @Lm9dma, mpiasam-panjakana nilaza tamin'ireo mipifidy mba tsy hisahirana handeha hifidy fa ny valim-pifidianana “ofisialy” die efa notapahina#dostour #morocco

Tao amin'ny hafa indray, nanoratra izy hoe:

@ibnkafka: Araka ny filazan'ny @IbtissameBetty, biraom-pifidianana sasany ao #Morocco no tsy manana bileta “tsia” intsony #dostour #Feb20

Marika fa efa nifidy, natao teo amin'ny ankihiben-tanan'i Sarah. Sary: Sarah Fathulla

Sarah Fathulla nanamarika:

@SFath: nanisy marika tamin'ny rantsan-tanako tamin'ny penina izy ireo izay mety haharitra roa andro ny tasin'ny ranomainty. Saingy manana fanadiovana azy aho ka mora niala izany.

Tao amin'nyTalk Morocco, dinika an-tserasera mandrisika hiady hevitra momba izay miseho rehetra ao Maraoka, adihevitra marobe mikasika ny lalam-panorenana afaka jerena ato.


Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.