Pero: Niverina ny Fandriampahalemana ao Puno Taorian'ny Fifanarahana

Tamin'ny alalan'ny fampihàrana ilay fifanarahana vaovao narafitra farany, dia niverina tsikelikely ny fandriam-pahalemana tao amin'ny faritr'i Puno, ao amin'ny faritra atsimon'ny Andes Peroviana, taorian'ny fifandirana sy ny korontana ara-tsosialy faramparany teo (izay samy mifandray amin'ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany[es] avokoa), izay niafara tamin'ny fahafatesan'olona enina, maherin'ny 30 no naratra ary an-tapitrisany ny zavatra potika: ny seranam-piaramanidina Juliaca monja dia niharam-pahavoazana mitentina any amin'ny 2 tapitrisa dolara eo [es].

Niala tany Juliaca ny Quechua , mponina avy any Azángaro (avaratr'i Puno) ny Sabotsy alina ary ny Aymara tany atsimon'ny faritra kosa nametraka ireo sàkana teo amin'ny làlana ny Alahady.

Road between Puno and Cusco blocked by Aymara in days past. Photo by Juanma Merino, Flickr user, nXpected (CC BY-NC-SA 2.0).

Làlana eo anelanelan' i Puno sy i Cusco nosakanan'ny Aymara teo aloha teo. Sary nalain'i Juanma Merino, mpampiasa Flickr, nXpected (CC BY-NC-SA 2.0)."

Nanome fotoana fohy ho fitoniana ho an'ny governemantan'ny filoham-pirenena voafidim-bahoaka, Ollanta Humala, ireo vondrom-piaraha-monina teratany avy amin'ny faritra fitrandrahana harena an-kibon'ny any amin'ny Reniranon'i Ramis, fotoana izay hamerenana handinihana [es] ireo olana mifandraika amin'ny fananan-tany sy ny harena an-kibon'ny tany any amin'ireo faritra tatsimon'i Puno. Nandritra izany fotoana izany, nilaza i Humala fa “anjaran'ny governemanta amin'izao fotoana voafaritry ny lalampanorenana “ [es] ny mamaha ny olana hatramin'ny 28 Jolay fotoana hifaranan'ny fe-potoan-piasany.

Manambàra ny iray amin'ireo lalàna nampiharina fa resaka  tombontsoam-pirenena ny famerenana ny lafiny tontolo iainana ao amin'ny renirano Ramis sy Suche [es], tena fepetra goavana nandrandrain'ireo tantsaha mponina eo amin'ny faritra; ny ambiny dia mifandraika amin'ny lalàna mifehy ny asa fitrandrahana ny harena an-kibon'ny tany [es] any amin'ny faritr'i Puno. Ny tena ilaina, ho an'ny fiarahamonina Aymara, dia ny famerenana ny Didy Hitsivolan'ny Fitsarana Tampony 083-2007-EM, izay manakatona ny tetikasa Santa [es] nataon'ny orinasa Bear Creek Mining Company.

Maresaky ny fanehoan-kevitra ireo tambajotra sosialy.

Ny sasany moa tena faran'izay miombon-kevitra amin'ny tarainan'ny vahoakan'i Puno, toa an'i Ricardo Calmet (@ricardocalmet):

Hay mucho que aprender de los pueblos originarios. Mirándolo bien Aymaras nos dan profunda lección: cuidar la tierra

@jotabruce@chaskicholo Tena misy lesona azo ianarana avy amin'ny mponina teratany. Raha tena mijery azy ianao, dia ampianarin'ny Aymara lesona soatoavina isika: ny hikojakoja ny tany.

Manohana ny hetsi-panoheran'ny vahoakan'i Puno i Jimena Espinoza (@jespiba):

Deberiamos movilizarnos como muestra de apoyo a nuestros hermanos puneños que son ignorados por el gordo infeliz [el presidente Alan García]

Mila koa isika mametraka ny tenantsika ho fanehoana ny fanohanantsika ireo rahalahy Puno izay tsy raharahain'ny Filoha matavy tsy faly [Alan García] bit.ly/kBRp94

Sehatra iray hafa no mitàna ny heviny fa hoe mampijaly tena ny vahoakan'i Puno, sahala amin'i Alian Molina (@aliomp):

Figueroa: “Los aimaras y quechuas no desean que haya desarrollo en su región”

Figueroa: “Tsy maniry fampivoarana ao amin'ny faritra misy azy ny Aymara sy ny Quechua”

Ao amin'ity làlana ity ihany, mbola manindry kokoa momba ny fifandirana eo amin'ireo samy vahoakan'i Puno ity tweet avy amin'i Ricardo Marapi (@ricardomarapi) ity:

En Puno “habría celos vecinales, por la desigualdad entre los poblados en el reparto de los beneficios”

Any Puno, “misy fifampialonana eo amin'ny samy mpiray monina, noho ny tsy fitoviana eo amin'ireo mponina amin'ny fitsinjarana ny tombontsoa” http://is.gd/2R7M4x

Ny sasany kosa miahiahy ny fahamarinana na ny fanarahan-dalàn'ireo fitarainana, toa an'i Shevyga (@Shevyga):

Si la gente Aimara pelea x la mineria “formal”, la gente de Azangaro pelea x la mineria informal, pero…

Raha miady amin'ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany “manara-dalàna” ny vahoaka Aymara, dia miady amin'ny “tsy manara-dalàna”kosa ny vahoaka Azangaro nefa …

Ny mpampiasa sasany kosa manontany tena ny amin'ny fitantanan'ny governemanta foibe ny olana mikasika ny tontolo iainana, toa an'i Luis Torres Montero ():

Defensoría del Pueblo tiene 87 meses de informes de conflictos sociales (incluido el de Río Ramis) y Alan García ‘naca la pirinaca’ [no hace caso].

Manana tatitra nandritra ny 87 volana momba ny fifandirana ara-tsosialy (tafiditra ao anatin'izany ny resaka ony Ramis River) ny mpisolovavan'ny Distrika hanaovana tatitra  ary tsy manome s*** i Alan Garcia.

Ny sasany dia manome tsiny ny governemanta noho ny fanavakavahana sy tsy firaharahiana, toa an'i Internautilius ():

Ahora entiendo porque dicen Peru no tiene instituciones: la Fiscalia de Puno no investiga la muerte de los punenos! Los muertos son pobres!!

Azoko amin'izay amin'izao fotoana izao hoe maninona lazain-dry zareo fa tsy manana rafi-pitantanana i Pero: Na ny biraon'ny mpisolovavan'ny distrika any Puno aza tsy manao fanadihadiana akory ny fahafatesan'ny olony. Mahantra ireo maty.

Manome tsiny ny asa fanaovan-gazety ny mpampiasa Twitter sasany noho ny tsy fitaterana tsara ny fifandirana nisy tany amin'ny faritra, toa an'i Matteo (@Matteo):

RM Palacios [Rosa María Palacios, periodista peruana] vuela en prejuicios y acusa de racistas a los quechuas y aimaras de Puno

Mahazo fy ery i RM Palacios [Rosa María Palacios, mpanao gazety Peroviana] ary miampanga ny Quechua sy ny Aymara avy ao Puno hoe mpanavakavaka goo.gl/TRl50

Raha mbola ny resaka fanovam-pitantànana ihany koa no resahina, izay hatao amin'ny 28 Jolay, dia manazava ny hevitra sasany mikasika ny vary mangatsiaka mbola miandry [es] ho an'ny governemantan'i Ollanta Humala ao amin'ny faritra ny mpandalina toa an'i Paula Vilca, mahakasika ny fitadiavana vahaolana maharitra ho an'ny faritra. Tafiditra ao anatin'izany: ny fanamafisana ny Lalàn'ny Fitsirihana Mialoha, fanafoanana ireo fitrandrahana harena an-kibon'ny tany tsy manara-dalàna eo amin'ny faritra ifandirana, (izay midika hoe ataovy manara-dalana izany), mametraka drafi-panorenana eo an-toerana ary famerenanana ny tontolo iainana natoralin'ny faritry ny ony Ramis River izay misy fiantraikany amin'ny Farihy Titicaca.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.