Malaoi: Fantaro Ny Mpanoratra Eto Amin'ny Global Voices, Victor Kaonga

Nanoratra lahatsoratra tena nahaliana isan-karazana miainga avy amin'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety, hatramin'ny fitandroana ny rano, ny baolina kitra Malaoita sy ny fanambadian'ny olo-malaza ara-politika iray, i Victor Kaonga nandritra izay efa-taona naha-tao anatin'ny Global Voices azy izay. Nanomboka tamin'ny NDAGHA ny bilaoginy tamin'ny 2006, niaraka tamina vondrona mpitoraka bilaogy Malaoita kely fa miavaka. Noho ny asany maha mpanao gazety mpilaza vaovao azy, dia manana diplaoma avo lenta amin'ny Fanaovan-gazety amin'ny ankapobeny avy amin'ny Anjerimanontolon'i Orebro, any Soedy izy, ary manoritra ny tenany ho “liana amin'ny olana maro mifandray amin'ny resaka hitsiny sy rariny eo amin'ny resaka sosialy.”.

Eto i Victor dia mizara ny nataony nahatafiditra azy ao amin'ny Global Voices, ny fiheviny mikasika ny tontolon'ny bilaogy Malaoita, ary ny tantara izay resahana ao anatin'ny tontolo keliny eto amin'ity izao tontolo izao ity.

Global Voices Author Victor Kaonga

mpilaza vaovao Malaoita, mpitoraka bilaogy sy mpanoratra ao amin'ny Global Voices Victor Kaonga

Eremipagamo Amabebe (EA): Ahoana no nahatonga anao tafiditra ao amin'ny Global Voices (GV)?

Victor Kaonga (VK): Toa hoe nanaraka ny lahatsoratra tamin'ny bilaogiko nandritra ny roa herinandro tamin'ny taona 2006 hatramin'ny voalohandohan'ny taona 2007 ny Mpamoaka lahatsoratra aty amin'ny faritra ao amin'ny GV, Ndesanjo Macha. Izy no nandefa mailaka tamiko nanontany ahy raha mahaliana ahy ny ho lasa mpanoratra ao amin'ny GV. Somary nanakorontana ahy ihany ity hevitra ity na izany na tsy izany satria ny tenako mbola tsy [nahare] mihitsy mikasika an'i Global Voices ary koa tena tsy nahafantatra ny tena ataon'ny mpanoratra satria ny tenako efa nitoraka bilaogy ihany tamin'izany.

Satria nonina tany Soedy aho tamin'izany fotoana izany, dia nanontany ny namako mpanao gazety Soedoa  izay toa efa naheno mikasika ny GV. Nandrisika ahy ny hirosoko izy ary hanomboka handrakotra am-bilaogy mikasika an'i Malaoi sy Zambia. Dia nirotsaka tamin'ny Global Voices aho tamin'ny Desambra 2006 ary tamin'ny 23 janoary 2007 no nivoaka ny lahatsoratro voalohany .

EA: Toy ny ahoana ny fiainanao ivelan'ny Global Voices?

VK: Manana ny ankohonako aho, i Thembi no vadiko. Efatra ny zanakay, telovavy ary lahy iray eo amin'ny 9 hatramin'ny 1.5 taona. Amin'ny maha fianakaviana, dia matahotra an'Andriamanitra izahay ary izany dia saika noho ny fitaizana anay tamin'ny fomba kristiana fa ny tena zava-dehibe dia ny fanapahan-kevitray hanaraka an'i Kristy.

Ankoatry ny fitiavako mandany andro miaraka amin'ny fianakaviako (zavatra izay nanjary niha nahàlana tsikelikely), dia lany amin'ny asa hafa tsy maintsy atao ao amin'ny Onjam-peo Trans World ny tenako izay mitovy amin'ny tranoko faharoa raha atao amin'ny teny feno fanajana! Na izany aza, tsindriako ihany fa amin'ny asa dia mpanao gazety mpilaza vaovao kokoa aho noho ny hoe mpiasa tsotra mpanatanteraka!.

EA: Azonao ampahafantarina ve ny tena ifantohanao ao amin'ny Global Voices –ho an'ireo izay tsy tena mahalala ny asanao?.

VK: Miresaka ny zavatra rehetra izay tena ilaina aho raha toa ka mahakasika an'i Malaoi. Na izany aza, raha ivelan'ny fijerena an'i Malaoi, dia manana jery todika amin'ny haino aman-jery sosialy sy vaovao foana ny tenako amin'ny ankapobeny.

EA: Inona no olana tena miavaka amin'ny faritra misy anao, izay raha ny hevitrao no anontaniana, dia tokony mbola resahana misimisy kokoa ao amin'ny haino aman-jery fototra?…

VK: Ny tena olana amin'ny ankapobeny dia ny fampandrosoana ara-toe-karena sy ara-politika. Eny rehetra eny isika manana ny tantara ara-java-kanto sy hevitra mikasika ny fiainan'olombelona.

Ny tena olana amin'izao fotoana izao dia mikasika ny toe-karena sy ny fandaharana ho amin'ny handimby ny filoha ankehitriny. Raha ara-toekarena, niaina ny tsy fisiana vola vahiny nandritra ny herintaona mahery i Malaoi izay niafara tamin'ny isan'ny fandraharahana maro. Mifandray amin'ity tsy fisian'ny solika ity ihany koa noho ny famatsiana mitsitaitaika nateraky ny tsy fahampian'ny tahirim-bola vahiny teo amin'ny firenena. ka dia voatery milahatra solika indray ny vahoaka amin'izao fotoana noho ny tsy fahampian'ny fanafarana..

Raha eo amin'ny lafiny ara-politika, manomana ny rahalahiny ny filoha Bingu wa Mutharika mba hisolo azy amin'ny 2014 rehefa  voararan'ny lalampanorenana tsy hifaninana izy tenany. Maro ny Malaoita no nanantena fa hanohana ny filoha lefitra (Joyce Banda) izy izay toa vehivavy voalohany Veep tany Malaoi. Indrisy anefa, niova ny làlan'izy ireo ka dia afaka niditra mora foana ny rahalahiny.

Victor Kaonga

Victor Kaonga

EA: Afaka lazainao anay ve ny lahatsoratra tena tianao amin'ireo nosaratanao ho an'ny GV?

VK: Misy lahatsoratra roa izay tena ireharehako manokana. Saika misy ifandraisany amin'ny politika sy karazana fifandirana ny ankamaroan'izy ireo. Fa ny tena nanaitra ahy ary nahafaly ahy (tanatin'ny maro) dia nahitàna ny lahatsoratra farany mikasika ny fahalalahana akademika nataoko tamin'ny volana Aprily tamin'ity taona ity, ary indrindra ny fodiamandrin'ny Vadin'ny filoham-pirenena Malaoi tamin'ny taona 2007. Ity no vaovao nanintona ny sain'ireo mpitoraka bilaogy maneran-tany. Manana endrika ahitana ny fiainan'ny olombelona ireo lahatsoratra roa ireo sy ny hafa maro ihany koa noho izy ireo mikasika ny olona fanta-daza ary resaka  olana  avy amin'ny politika.

EA: Inona no tena isan'ny mahaliana amin'ny asanao?

VK: Tena hitako hoe tena mahaliana sy mampahiratra ny mamaky ny lahatsoratry ny olona. Tena mahazo hery hoe misy Malaoita mizara ny heviny sy miresaka amin'ny aterineto. Fitahiana sahady ny hoe misy olona iray izay manoratra zavatra amin'ny aterineto satria amin'ny ankapobeny dia kely zavatra hita amin'ny aterineto mikasika an'i Malaoi indrindra fa hoe avy amin'ny Malaoita ihany.

Ny tena manahirana ahy dia ny momba ireo vehivavy mpitoraka bilaogy. Tsy manana maro izahay ary irariako ny hànana maro. Ny vitsy izay mitoraka bilaogy indray aza zara raha mahita resahina eo amin'ny GV ary na izy ireo aza dia milaza fa amporisihina mihitsy hanohy. Ny tenako manokana aloha dia maniry ny hahita vehivavy maro mitoraka bilaogy.

EA: Mankasitraka, Victor. Alohan'ny handehananay, afaka manome anay loharano azo jerena momba an'i Malaoi ve ianao ho an'ireo izay te-hahalala bebe kokoa?

VK: Iray amin'ny vavahady malaza ny www.nyasatimes.com. Mitondra aminà tantara maro mikasika ny politika sy ny mikasika ny Filoha lefitra miaraka amin'ny olan'ny fifandimbiasana koa aza ilay  vavahady. Ary mitondra fanavaozam-baovao ho anareo koa ity bilaogy ity.

Raha te hahare bebe kokoa avy amin'i Victor, tsindrio eto raha hamaky ny mombamomba azy ao amin'ny “Mpitoraka bilaogin'ny herinandro”  tamin'ny 2007.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.