Ejipta: Mipoaka Ny Hatezerana ao Tahrir

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitray manokana momba ny Hetsi-panovàna ao Ejipta 2011.

Nirefotra indray ny kidraka tao amin'ny kianja Tahrir, ivon'ny hetsi-panovàna Ejiptiana, ny alina teo (28 Jona) ary niitatra hatramin'ny anio (29 Jona). Kaonty maro samihafa no miely any anaty aterineto mikasika ny zavatra tena nitranga marina sy ny fomba nitsimbadihan'ny hetsika, ireny rehetra ireny izay nifanandrinan'ny fianakavian'ireo maritiora maty nandritra ny hetsi-panoherana – sy ny antson'izy ireo hisian'ny rariny, ny mpanao hetsi-panoherana, ny jiolahim-boto sy mpanakorontana niaraka tamin'ny polisy. Ny tatitra dia milaza fisianà baomba mandatsa-dranomaso nalefa tany amin'ireo mpanao fihetsiketsehana, ary ny mpanao fihetsiketsehana (na jiolahim-boto) namaly tamin'ny alalan'ny tora-bato sy cocktails Molotov – tsy dia voatery loatra ho toy izay ny fandehany.

Tonga dia nalefan'ireo Ejiptiana mafàna fo avy hatrany tamin'ny bitsika sy bilaogy ny zavatra hitan-dry zareo, mitantara izay nitranga nanodidina an-dry zareo tanatinà hafatra fohy miaty tarehintsoratra 140 (bitsika), saripika sy lahatsary nifampizaràna hatramin'izao anoratako izao, ary koa ny fanisàna ireo tra-pahavoazana izay tsy mitsaha-mitombo.

Ramy Raoof, mafàana fo mpiaro ny Zon'Olombelona, dia mizara fanambaràna iray mikasika ny isan'ireo naratra vokatry ny fifandonana hatreto:

@RamyRaoof: Nilaza ny Ministeran'ny Fahasalamana fa 1036 no isan'ireo naratra tamin'ny fifandonana tao amin'ny Kianja #Tahrir hatreto. #Egypt

Tanaty bitsika iray talohan'io nalefa ny alina teo, manamarika izy:

@RamyRaoof: Mba hazava sy hipoetraka tsara ny zavatra rehetra- tsy nahita na iray aza aho “jiolahim-boto” teto amin'ny Kianja Tahrir. Olon-tsotra ihany miatrika ny  mpitandro filaminana sy ny polisy.

Sally Sami manazava:

@Salamander: ny fianakavian'ireo maritiora sy mafàna fo niaro ny revolisionan'ny #jan25 no ambaran-dry zareo fa jiolahim-boto, mba mijoroa hiaro ny maha ianao anao, arovy io #tahrir

Tanaty lahatsoratra am-bilaogy iray mitondra ny lohateny hoe ‘June 28: The Second Coming of Rage’ na ‘ 28 Jona: Ny Fanindroany amin'ny Hatezerana’, Gigi Ibrahim, mafàna fo iray, dia mibilaogy ny fomba fahitàny ny zavatra nitranga ny halina eto. Ny solotena mpifandray amin'ny  Al Jazeera, Dima Khatib, koa dia mizara ny zavatra niainany tamin'ny zava-nitranga tamin'iny alina iny ao anatin'ny bilaoginy  eto, ary Amira Altahawi dioa manoratra ny fitantarany eto [ar].

Gigi mibilaogy hoe:

Sambany aho mba nitoraka vato avy eny amin'ny lohan'ny laharana teny mihitsy. Tsy natahotra aho. Nivonona ny ho faty aho satria ny fahafahana tsy azo tsy misy rà mandriaka izany. Noho ny entona mandatsa-dranomaso dia sempotra aho, toy ireo hafa nahitàna an-dry  @alaa @Lobna @salmasaid . Nandao an'i  Tahrir aho mba hampakatra ny lahatsary azoko sy ny sary nalaiko nialoha izany tamin'ny alalan'ny findaiko, ny fakantsary, ny solosaina finday, sy ny sisa ary dia vizana hatramin'ny vatoaratra rehetra. Azonao jerena ato ireo lahatsary nalaiko nandritry ny alina.

Mohamed El Dahshan, izay mandefa bitsika amin'ny solonanarana TravellerW, dia mizara sary iray misy lehilahy manongotra sisin-dàlana mba hahazoana vato hitorahana ny polisy:

 

@TravellerW: Lehilahy manongotra sisin-dàlana amin'ny tanam-polony mba hahafahana manana izay hatoraka. Tsy mampino. #Tahrir #Jun28 http://twitpic.com/5id261

Egyptian man picking rocks from the sidewalk

Lehilahy Ejiptiana maka vato amin'ny sisin-dàlana

Ary i Mahmoud Salem, izay mandefa bitsika sy mibilaogy amin'ny solon'anarana  Sandmonkey, dia manipika hoe:

@Sandmonkey: Raha tsy takatrao tsara izay zavatra miseho: Tsy nisy na iray aza polisy nogadraina na nentina teny amin'ny fitsarana noho ny famonoana mpanao hetsi-panoherana tamin'ny #jan25.

Manazava izy:

@Sandmonkey: Olana ara-pitsarana ity. Mila rafi-pitsarana mandeha tsara izahay. Raha izany no misy dia hilamina daholo ny zavatra hafa rehetra.

Mampitandrina izy:

@Sandmonkey: Azo takarina tsara ny hoe entin'ny fientanam-po & mahatonga antsika ho marefo azo ahodinkodina & mety hahatonga ny olona hifototra amintsika. Ilaina ny misaina tsara araka ny tokony ho izy, milamina sy ampahasahiana.

Sarah El Sirgany dia mizara eritreritra momba ny zavatra mitranga amin'ny filazàna hoe:

@Ssirgany: Be tantara/eritreritra mifaningotra mikasika ny niantombohan'ny zavatra rehetra, naninona no nivadika ho ratsy, maninona no ao Tahrir no mitohy. #jun28 (1/2)

Manohy izy:

@Ssirgany: Fa ny singa iray lehibe dia ny fahasorenana noho ny fitarazohan'ny fitsarana & famotsorana ireo polisy voarohirihy ara-pitsarana. #jun28 (2/2)

Ao amin'ny bilaoginy, Hossam El Hamalawy dia mizara ity lahatsary ity, izay maneho sasantsasany amin'ireo hetsika ny alin'iny.

Ary Lilian Wagdy mizara ity lahatsary ity avy amin'ny androany:

Mibitsika izy:

@lilianwagdy: Lahatsarin'ny fifandonana tao an-kianja #Tahrir tamin'ity tolakandro ity  http://youtu.be/SjAJSgQ3FYA #Jun28

Raoof koa dia nizara rohy misy fampitana sary mivantana avy amin'ireo fifandonana teo amin'ny polisy ary lahatsary eto.

Ho an'ireo fanehoan-kevitra bebe kokoa, karohy ny tenifototra #Tahrir sy #Jun28

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitray manokana momba ny Hetsi-panovàna ao Ejipta 2011.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.