Hong Kong: Fanamelohana Ireo Asa Nasiam-panovàna Tsy Nahazoana Alàlana

Nametraka ny volavolan-dalàna(Fanitsiana) 2011 momba ny Zon'ny Mpamorona ireo asa  tany amin'ny Sampana mpanao lalàna ny 15 Jone 2011 teo ny governemantan'i Hong Kong. Hanameloka ireo asanasiam-panovàna ao amin'ny aterineto izay mampiasa ireo fitaovana misy fiarovana nefa tsy nahazon-dàlana ity volavolan-dalàna ity. Mino ireo mafàna fo amin'ny fampahalalam-baovao ao amin'ny aterineto fa ny fanamelohana ny famerenana manamboatra dia mety hiteraka fiantraikany ratsy eo amin'ireo fanakianana ara-politika ao amin'ny aterineto sy ny Kuso izay azo avy amin'ny fanovàna ireo sary misy fiarovana.

Ilay volavolan-dalàna, araka ny famoahana an-gazetin'ny governemanta, dia mikendry ny

fampidirana ny zo tsy fiandanian'ny teknolojia tanteraka ho an'ireo tompon'ny fiarovana mba hampitàny ny asany amin'ny alàlana karazana fampitàna elektronika na inona izany na inona, miaraka amin'ny andraikitra fanamelohana ny fampitàna tsy nahazo alàlana ireo asa voaaro ho an'ny daholobe mba hahazoana tombontsoa na tahaka ny fanitàrana izay mety hahafaty antoka ny tena tompon'ireo zon'ny mpamorona.

Misy adi-hevitra maromaro nifanaovan'ireo mpitoraka bilaogy ao an-toerana sy ireo mpampiasa aterineto ireto ambany ireto:

1. Ny fanamelohana ny karazana fampitàna elektronika rehetra ny asa voaaro, anisan'izany ny fijerena mivantana, BT sy ny teknolojia fizaràana sy fanelezana  mbola ho avy, dia hisy akony eo amin'ny asa famoronana ny teknolojia sy ny zon'ny mpanjifa.

2. Ny fanamelohana ny fampitàna tsy nahazoana alàlana ireo asa voaaro, anisan'izany ny fampidirana ny asan'ny hafa amin'ny asany manokana amin'ny raharaha tahaka ny adroadro ara-politika, Kuso, ny famerenana mamorona sy ny fifanizinana ara-kolontsaina dia hisy fiatraikany eo amin'ny fahalalahana miteny sy hiafara amin'ny fanenjehana mafy manaraka sivana.

3. Ny fanazavana ny hevitry ny “fahasimbana” avy amin'ny fatiantoka ara-bola mankany amin'ny “fahavoazana” izay misy fiantraikany amin'ireo tompon'ilay fiarovana dia kianjoanjo fatratra.

4. ny tsy fahampian'ny “fampiasana ara-drariny” mba hiarovana ny mpamorona amin'ireo asa azo avy amin'ny fanovàna ao anatin'ilay volavolan-dalàna.

Fanavaoazana ny momba ny Zon'ny Mpamorona 2011 Legislative Council Brief

Lahatsoratra feno momba ny Volavolan-dalàna Fanavaoazana ny momba ny Zon'ny Mpamoronaa 2011

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.