Zambia: Ahoana no hahatsiarovana an'i Chiluba?

Ahoana no hahatsiarovana an'i Chiluba? Izany no fanontaniana iadian'ireo mponina Zambiana amin'ny aterineto hevitra ao amina tambanjotra maro samihafa. Saika hita taratra eny amin'ny fitenin'ny Zambiana tsirairay ny resa-mandeha mikasika ny fahafatesan'ny filoha teo aloha sy ny lova navelany izay manambara fa ny andro iray hahafatesan'ny elefanta dia izay no resaka ao an-tanàna.

Mivaky sahala amin'ny anganon'ny tantara Grika an'i Homere izay ahitana olona tsotra sy ambany nisondrotra ary nampianjera ny tehin'ny mpitondra tamin'ny fihetsika feno herim-po ny tantaran'ny filoha faharoan'i Zambia. Mandritra izany lalana izany, dia latsa-pitia tamina zazavavindrano ratsy fanahy ilay olomanga ary levona tao anatin'ny fahefany.

Ny nofo mangatsiakanny filoha teo aloha Chiluba hoentina ao amin'ny foiben'ny Ivotoerana ihaonana iraisam-pirenena Mulungushi any Lozakà, Zambia hanehoany ny vatany hojerenny olona. Sary nahazoana alalana tamin i @QfmZambia

Mpampiasa Facebook iray no nametraka izany teo amin'ny rindriny, ny fahafatesan'ny filoha teo aloha i Chiluba, izay maty tamin'ny 18 Jona, dia nitondra hevitra mifangaro sy fisarasarahana kokoa noho ireo talohany sy ny mpandimby azy dia i Levy Mwanawasa. Volana vitsy tao amin'ny birao tamin'ny taona 2002 dia nanaisotra ny fiarovana manokana amin'ny mahafiloha an'i Chiluba azy i Mwanawasa noho ny fiampangany ity filoha faharoa ity ho nanodina dolara amerikana an-tapitrisany tamin'ny volan'ny firenena.

Milaza ireo mpiserasera sasany fa tokony havela handry am-piadanana i Chiluba raha misy ny mitazona ny tokony atao azy ihany na dia efa maty aza izy noho ny nataony, mpandromba ny harem-panjakana nampahantra olona maro teo amin'ny firenena nandritra ny fitondrany hatramin'ny 1991 ka hatramin'ny 2001.

Angamba, ny fandokafana nataon'i Munshya wa Munshya no tena mahalaza tsara ny fijerin'ireo izay milaza fa tokony ho tsaroana noho ireo tsara vitany teo amin'ny firenena i Chiluba fa tsy amin'ny lafy ratsin'ny fanjakany .

Nanoratra i Munshya:

Tamin'ny taona 1990, tsy zavatra mora ny nisafidy mpitarika ho an'ny MMD. Nefa niray hina nanodidina an'i Frederick Chiluba ireo sampana maro rehetra teo amin'ny MMD. Na dia ireo mpampianatra anjerimanontolo maro tao amin'ny hetsika aza dia niaiky ny fahaizany sy ny fahiratan-tsain'i Chiluba. Teny amin'ny lalana no nahazoan'i Chiluba izany fahiratan-tsaina izany, fa tsy tany anaty efitranon-tsekoly akory na tany anaty laboratoara. Tao anatin'izany fahasahiana, fanabeazana, ary ny fahendrena teny an'arabe izany no nahafahan'i  Frederick Chiluba nitondra ny antoko politika vaovao an'i Zambia.

Ary ny fitoviana nataony tamin'ny teo alohany, ny fihetsika voalohany nataony amin'ny maha-filoha azy dia ny fandraisana ara-Kristiana . Ho an'i Kaunda [filoha voalohany], telo volana nahateo amin'ny fitondrana tamin'ny Janoary 1965, najorony ny Fiangonana Tafarain'i Zambia, antsoina hoe “fanorenana nasionaly.” Hoan'i Chiluba, telo volana teo amin'ny fahefana , nanao fihaonam-bavaka tao amin'ny Lapam-panjakana izy izay nandavany ny kolikoly sy ny ody ratsy ary nanambarany fa i Zambia dia fanjakana Kristiana. Angamba iray amin'ireo fanapahan-kevitra izay tena mety haharitra eo amin'ny tantara ity fanambarana an'i Zambia ho fanjakana Kristiana tamin'ny taona 1991 ity.

Tamin'ny fahafatesany, na izany aza, tokony hametraka ambadika ny tsy fitoviana ara-politika aloha ny Zambiana ary hiray hina amin'ny fisaonana noho ny nahalasa ity olona miavaka ity. Lehilahy kely izay mandeha eo anivontsika miaraka amina fahasahiana goavana.

Fifanakalozana Twitter fohy nataoko niaraka tamin'i Munshya mivaky toy izao:

Sahala amin'ny hoe lasa masina be #Chiluba nony maty. Tsy ho ela dia hahare sosokevitra isika hoe tokony antsoina ho Masindahy Fred izy. #Zambia.

Namaly i Munshya:

@GNdhlovu Manana endrika manome hery ny olona ny fahafatesana.

Miresaka i @ICTjournalist :

@GNdhlovu Tadidiko izy olona nitarika ny revolisiona tany Afrika izay niparitaka manerana izao rehetra izao avy eo

Manana ho lazaina toy izao mikasika an'i Chiluba ihany koa i tweep, @missbwalya ,:

Ankoatra ny fanalalahana sy ny fanamaroana ny antoko demokraty, ny lova farany navelan'i Chiluba dia ny “ukubosha (kolikoly)” toetsaina + kolikoly. [izay izy rehetra] #ThatsAll #Zambia

@afriwoman tsy tiako izy nefa

Raha mihaino ny onjam-peo Zambiana, mijery ny sarim-pandevenanana an'i #Chiluba nahazoana alalana avy amin'ny @QfmZambia . Tsy tia ilay lehilahy fa nalahelo

Tena nafana be ny adihevitra mikasika ny toetra tsaran'i Chiluba fony fahavelony eo amin'ny Lusaka Times sy Zambian Watchdog izay mitondra laharana tantara mikasika ny fahafatesan'ny filoha teo aloha.

Milaza i Sanford and Son mitsikera ao amin'ny Lusaka Times eo amin'ny tantara ahitana ny filoha amin'izao fotoana izao manao fanambarana ny fito andro hanaovana ny fisaonana nasionaly ho an'i Chiluba:

Raha miala ity tany ity isika, dia hadinina amintsika ny nataontsika, ary amin'izay fotoana izay hibahan-toerana kokoa ny ratsy amin'ireo tsara izay mety nataontsika, noho izany dia FTJ izy ity.Ampahitsiahiviko ny rahalahiko sy anabaviko izay matin'ny hanoanana satria tsy nisy sakafo na fiahiana ara-tsakafo, nentina tamina toeram-pitsaboana akaiky indrindra amin'ny sarety raha toa ka niara-nisakafo tamin'ny mpivarotena i Chiluba nandritra izany fotoana izany!

Manana fomba fijery hafa i Isaac:

Tena mampalahelo ny mamoy ny filohan'ny fanjakana teo aloha.Tena olona manana ny mahaizy azy izay hotsaroan'ny maro noho ny fampidirana ny antoko politika maro. Handry am-piadanana mandrakizay anie ny fanahiny.

Mpandray anjara hafa Independent, no maneho ny isan'ny olona, isan'izany ny mpanao politika sy mpanao lalana izay maty tamin'ny fomba tsy fantatra nandritra ny fitondran'i Chiluba:

Ataoko angamba hoe mendrika tsara ho ana filoha teo aloha ny 7 andro fisaonana nasionaly.
Fa inona kosa no tsy mahatonga ny tranga fa izy no nitondra teo amina sokajin'olona ratsy indrindra amina kolikoly teo amin'ny tantaran'i Zambia.
Tamin'izy filoha, mpanao politika mahavita azy (Penza,Tembo,W.Kaunda,Nguni,Ngenda e.t.c) no maty tampoka tamin'ny fomba mahery setra rehetra azo nosainina. Izany no tao amin'ny antsoina hoe vanim-potoan'ny “fanjakana Kristiana”.
Manaiky aho, mendrika an'i FTJ izany……………

Manana tantara izay anasana ny mpamaky hiresaka momba ny fahafatesan'i Chiluba sy ny fifidianana izay ho avy ny Zambian Watchdog. Ireto ambany ireto ny valinteny sasany:

Manoratra i Juan:

Tsy misy hevitra fa nahavita heloka bevava ny filoha ary mety niteraka olana izy nandritra ny fifidianana ka mahasoa antsika izao hoe izy maty izao. Mandria am-piadanana tsy asiana voninkazo azafady!

Nanoratra i MALIKOPO:

FIAFARANA TSARA HO AN'I CHILUBA ARY MISAOTRA AN'ANDRIAMANITRA. METY HO NITONDRA FIKORONTANAN-TSAINA HO AMIN'NY ZAMBIANA I CHILUBA NANDRITRA NY FIFIDIANANA. AOKA ATAO VONINKAZO PLASTIKA NY EO AMIN'NY FASANY

Nanoratra i Bob :

Mihevitra aho fa tokony ho velona i Chiluba hamaly ireo tranga izay notapahin'i RB hakatona nefa tsy nahitana fanamarinana ara-dalana akory. Sarotra ny miady hevitra amin'ny olona efa maty, mamela irery ireo izay mbola tsy nalevina, mamofona ny tsy fisaziana tamin'izay nataony tsy nananany fanenenana sy henatra, tena mamofona. Mivavaka amin'Andriamanitra aho mba tsy hanana filoha toa azy intsony i Zambia.

Tsy dia tena mino aho hoe afaka manova zavatra amin'ny fifidianana ho avy i Chiluba. Ataoko hoe isa vitsy angamba no mety ho noreseny lahatra indrindra any Luapula fa tsy any an-kafa mihitsy, tsia.

Nanoratra i Machende mbwazulwa :

tsy misy fiantraikany avy amin'ny fahafatesan'i chiluba mihitsy, efa tsy nametraka an'i chiluba ho filoha intsony ny vahoaka nandritra ny fotoana ela, na velona izy na maty, mitovy ihany. Nandeha tany amin'ny tsenan'i COMESA ny tenako tamin'ny alahady, ary amin'ireo olona niresahako dia tsy nisy nalahelo mihitsy amin'ny fahafatesan'i chiluba. Eny fa na dia ireo nanatrika ny fotoam-pandevenanan aza dia tonga tany mba te hankafy ny sakafo nanaovan'ny GRZ fanampiana, nanatona teny koa aho mba hisakafo. avy eo……

Nanoratra i Airubi mwanza:

Eo amin'ny fiainana, misy ny ambony ary koa ny ambany.Ka na dia lasa aza i chiluba, dia mbola mitoetra foana hoe efa nitondra an'i Zambia izy. Nampianatra antsika ny demokrasia. Na dia nogadraina aza izy noho ny halatra ny volam-bahoaka, Andriamanitra no tompon'ny teny farany.Hiseho izay mety hiseho mmd ary handresy indray amin'ny fifidianana.

Izay no teny safidin’ Filoha voalohan'i Zambia Dr Kenneth Kaunda raha namangy manjò tao amin'ny trano nisy ny razan'ny mpandimby azy izy izay namehy ny fomba fijeriny ny lehilahy izay mbola tsy hitany nifanatri-tava taminy mihitsy hatramin'ny andron'ny sendikà ka hatramin'ny nahafiloha azy sy ny taty aoriana. Mitohy ihany ny tantaran'ny Lusaka Times :

Nilaza i Dr Kaunda fa very sendikalista goavana ny firenena izay niady ho an'ny zon'ireo mpikambana ao aminy, raha tsy jerena ny toerana, ary koa hita fa hotsaroan'ny tsirairay izany nataony izany.

Nilaza i Dr. Kaunda fa nandray anjara lehibe tamin'ny fanamafisana ny hetsiky ny mpiasa teo amin'ny firenena i Dr. Chiluba.

Ary efa nampigadra an'i Chiluba ny Dr Kaunda indray mandeha tamin'ny 1981, miaraka amin'ny sendikalista namany, folo taona talohan'ny nandimbiasany azy noho ny fiantsoany fitokonana teny an-dalambe izay nampikatso ny toe-karena teo amin'ny firenena tamin'izany fotoana. Ny mahatsikaiky, efa nampigadra ny filoha teo aloha ihany koa ny filoha Chiluba tamin'ny Desambra 1997 miampanga azy ho nikasa hanongam-panjakana saingy tsy nahomby volana vitsivitsy lasa izay.

Ireto manaraka ireto ny hetsi-po amin'ny fanamarihan'i Dr. Kaunda.

Milaza i Setjhaba:

Marina ny an'i KK – tena sedikalista goavana i Chiluba fa tsy filoha tsara. Nifantoka kokoa tamin'ny tsara nomen'i Chiluba i KK .

Ny filoha Rupiah Banda, ilay lehilahy izay nahita ny filoha amin'izao fotoana izao, Levy Mwanawasa izay filoha lefiny teo aloha, sy ny filoha teo aloha , Frederick Chiluba, dia maty nifanao roa taona sy tapany, no nanaovana fito andro fisaonam-pirenena. Halevina ao amin'ny toerana nandevenana an'i Mwanawasa izy, eo amin'ny afovoan'i Lusaka.

Andrasana eo amin'ny toerana misy ny Ivotoerana Fivoriana iraisam-pirenena Mulungushi any Lozakà ny nofo mangatsiakan'i Chiluba. Mponina anjatony maro no andrasana handalo ny nofomangatsiakany hanehoany ny fanajana azy farany. Hasitrika ao amin'ny Embassy Park ao amin'ny ivon'i Lusaka izay nandevenana ny filoha fahatelon'i Zambia Levy Mwanawasa izy avy eo.

Naneho sary eo amin'ny Facebook ao amin'ny fitoeran-tsary antsoina hoe “Ny fivoaran'ny fijerena ny nofo mangatsiakan'ny filoha teo aloha Chiluba” i QfmZambia

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.