Ségou Villages Connection: Tonga Ao Ambanivohitr'i Mali

Boukary Konaté, tetikasa ” Aterineto ao Ambanivohitr'i Ségou” tohanan'ny Rising Voices, no nanararaotra nampahafantra izany nandritra ny Lanonana iraisam-pirenena momba ny Hairafitrano izay natao tao Pérouse, ao Italie ny voalohan'ny herinandro volana jona. Ny lohahevitra”Mali : raha mitondra amin'ny fandrosoana ny vonjimaika“, notohanan'ny  Fikambanana Eland (Soisa) izany, izay notanterahina tamin'ny 2 jiona 2011. Niadian-kevitra tamin'izany lohahevitra izany ny fahampiana sy ny fiarovana ara-tsakafo, ary koa ny fandrosoan'ny teknolojia ao ambanivohitra ao Bamako sy ny manodidina azy. Nitantara ny traikefany tao amin'ny bilaogy i Boukary ary nanamarika fa misokatra tsy an-kiato ny magazay ao Eoropa, ary nanontany hoe iza no ho voalohany hanao toy izany koa ao Afrika.

Ny 18 jiona, mpandray anjara amin'ny tetikasa Aterineto ao Ambanivohitr'i Ségou no nitsofoka tao anaty taxi-brousse tranainy hivantana ho an'i Dioro sy ny tanàna kely manodidina, 70 km miala ao an-tanànan'i Ségou. Ahitana mponina eo amin'ny 50.000 eo, toerana ahitana tanimbary, fiompiana ary voly anana i Dioro, izay mitoetra eo amoron'ny reniranon'i Niger. Notsongaina manokana io tanàna io noho ny fananany ivon-toerana fampitam-baovao marolafy ho an'ny tetikasa Ambanivotra Taonarivo ary atao amin'ny vidiny mora ny fidirana amin'ny fametrahana fitaovana.

Fiara mpitati-bahoaka misy marika anaran'ny Rising Voices sy "Aterineto ao Ambanivohitr'i Ségou". Sary navoaka nahazoan-dalana manokana avy amin'i Boukary Konate.

Takelaka fakana herin'ny masoandro, vatoaratra, solosaina roa, laklé USB efatra fahazoana aterineto, fankantsary nomerika maromaro ary fitaovana sasantsany no nentin'ny ekipa tamin'ny fitsidihana natao nandritra ny valo andro.

Mikarakara hitsidika tanàna kely hafa ao amin'ny faritr'i Ségou ny tetikasa "Aterineto Ao Ambanivohir'i Ségou". Sary nahazoan-dalana avy amin'i Boukary Konate.

Boukary nitantara tao amin'ny bilaogin'ny tetikasa mikasika ny traikefa tao an-tanànan'i Dioro :

“Taorian'ny fanazavana ny tanjon'ny aterineto ao ambanivohitr'i ségou tamin'ny alalan'ny Ségouinfos, maro ireo olona nankafy ny tetikasa ary nandray anjara tamin'ny fiofanana. Efa mahay mikitika solosaina ihany ny sasany tamin'ireo mpandray anjara, saingy kosa tsy mahay ny fomba ilàny ny fampiasana aterineto.”

Nianatra nanokatra kaonty mailaka sy manoratra lahatsoratra ireo mpandray anjara fanampiny tao an-tanànan'i Dioro, nianatra maka sary sy lahatsary ary mamoaka izany amin'ny lahatsoratra ao amin'ny bilaogy. Nampianarina mandefa somaiso sy Twitter ihany koa izy ireo. Araka ny hevitr'i Boukary :

Zava-dehibe tokoa ny Twitter amin'ny fizarana vaovao haingana, mba ahafahana mifandray amin'ny olona manerana izao tontolo izao, mamorona kaonty twitter ho an'ny mpandray anjara izahay. Afaka manaraka azy ianareo eto: @fasokan, @alassanD, @ycoulibaly, @hamidoud111, @dembloumar, @diarraseydou, @Dtraore, @kassoumD.

Mpikambana mpandray anjara manao T-shirts Rising Voices/Global Voices

Alassane Keita, mpampianatr ao Ségou, ni-tweet hoe :

AlassanD (Alassa Keita): 19 Jiona

Miarahaba ny rehetra ny aty an-tanàna Maliana. Mpandray anjara amin'ny fiofanana Aterineto ao Ambanivohitr'i Ségou izahay

Araka ny hevitr’ ireo  Tweet hafa an'i Boukary, indreto fihetseham-pon'ny mpandray anjara :

* “Manam-bitana betsaka izahay noho ny dadabenay, Mampandroso tokoa ny Aterineto”
* “Isan'andro, mihaino fampianarana ny sofina”, “tsy misy antitra amin'ny fianarana”.
* Mifandray amin'ny aterineto miaraka amin'ny zokiolona mahay sy mpankafy aterineto ao an-tanànan'i Dioro aho: Ahoana mihitsy raha lasa bilaogera lahiantitra TPT

“Mbola tsy nampiasa solosaina mihitsy aho teo aloha, saingy amin'ity fiofanana ity, hitako fa mora tokoa, ny finiavana no tena ilaina”, hoy i Oumar Dembele, mpampianatra ao Zambougou.

“Vao avy nahavita fiofanana aho ary nandefa somaiso momba ny sehatry ny fahasalamana. Ho an'ny ekipa ao an-toerana izany, ny fahasalaman'ny fianakaviana sy ny endriky ny fivoaran'ny aretina, ary koa mba handefa tatitra amin'ny alalan'ny somaiso ho an'ny tompon'andraikitray ao an-tanànan'i Ségou. Raha naheno aho fa nampianarina ny fomba fandefasana somaiso ihany koa ianao, dia hoy aho hoe tena ilaiko tokoa izany hatramin'izay, na dia teo aza ny fisian'ny Ivon-toerana fampahalalam-baovao marolafy eto, tsy dia manan-kevitra firy momba ny Aterineto izahay “, hoy M. Kassoum.

Afaka ahitana fihetseham-po maro ihany koa eto.

Ny 23 jiona, nankao amin'ny renirano akaiky ny toerana ireo mpandray anjara. Tonga ny fotoana nandraisana fakantsary voalohany ary mianatra maka sary sy lahatsary.

Fampianarana maka sary eo amoron'ny ony. Sary nahazoan-dalana avy amin'i Aterineto ao Ambanivohitr'i Segou.

Ao an-tanàna, dia tazanay eny an-tanan'ny mpizaha tany sy ny mpiasan'ny tetikasa foana ity fankatsary kely ity, kanefa tsy mahay mampiasa izany ireo olona sasany na dia te handray mafy izany fankatsary aza izahay. Tanjona iray amin'ity fiofanana ity ny fampianarana ireo mpandray anjara amin'ny fakana sary sy horonantsary ary ny fampiasana izany amin'ny lahatsoratra ao amin'ny bilaogy.

Nandeha tany Djèdougou ihany koa ireo ekipa, faritra ahitana tanàna maromaro izay manankarena ara-tantara, ara-pomban-drazana sy ara-kolontsaina ao Mali. Araka ny filazan'ny bilaogin'ny tetikasa :

Ny paika dia ny Hampifandray ireo mpianatra ao an-tanànan'i Dioro, ao an-tanànan'i Ségou,  Cinzana-Gare,  Zambougou ary i Ngakoro, ary izany dia mety handroso lavitra kokoa mihoatra ny fanentanana ao amin'ny bilaogy, miady hevitra momba ny olana sy ny tambanivohitra Afrikanina miaraka amin'izao tontolo izao eo amin'ny aterineto .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.