India: Mpanao Fanadihadiana Momba ny Heloka Bevava, Manana ny Toerany Maty Voatifitra Tao Mumbai

Ny tolakandron'ny 11 Jona,   Jyotirmoy Dey mpanao gazety voky traikefa  dia maty notifirin’ olon-tsy fantatra tena akaiky tokoa tao  Powai, Mumbai. Mpanao gazety manana ny toerany, Ing. Dey dia Tonian-dahatsoratra Tomponandraikitry ny Fanadihadiana ao amin'ny Mid-Day, iray amin'ireo gazety sangany ao Mumbai.

Ny famonoana azy dia nahatohina mafy sy nahatezitra ny olona, indrindra fa ny fikambanam-pirahalahian'ireo mpanao gazety/mpampita vaovao. Niraradraraka ny fanehoan-kevitra, na tay anatin'ireo fampahalalam-baovao mahazatra, na tany anatin'ireo vohikalan-tambajotra sosialy.

Fanehoan-kevitra vitsivitsy avy ao amin'ny Twitter:

@suhelseth: Mahatohina ny hoe any aminà tanàna toa an'i Mumbai, andro mazava be izao, mpanao gazety tsy manan-tsiny sy mpifofotra amin'ny asa no namoy ny ainy amperin'asa. Mampalahelo.
@HafeezChachar: Tohina nandre ny fahafatesan'i  J Dey, fantatra loatra amin'ny anarana hoe ‘Commander J’ eo amin'ny tontolon'ny mpanao gazety eto Mumbai.

Dika sarin'ny fàfana tao amin'ny Mid Day

@KanchanGupta: Ny famonoana an'i Dey dia fampahatsiahivana masiaka ny lanjan'ireo mafia sy  heloka arindra. Ireo mpanao gazety manerana ny firenena dia tokony hanao fihetsiketsehana. Andro manjombona ho an'ny fampahalalam-baovao.
@suchetadalal: J Dey dia niandraikitra ny fandrakofana ireny heloka bevava ireny,,,sarotra ny hino hoe tsy manam-baovao mikasika iny vono olona iny avy amin'ireo loharanom-baovaony ny polisy, na avy amin'ireo ao anatin'ilay sehatra, ora maro taty aoriana.  & tsy nisy ve fampitandremana mialoha??.
@jiteshpillaai: Vavaka mangiana ho an'ilay tafika mahery fo j dey. Ho an'izay mino ny fisian'ny asa fanaovan-gazety marna. Izay nino zavatra iray. Ary nivelona ho an'ny fahamarinana.
@Minissha_Lamba: Tena mbola tohina noho ilay vaovao momba ny nahafaty an'i J Dey tamin'ny andro mazava be izao aho. Tokony ho henjana ny fitsarana, malaky ary tsy azo ivalozana.

Youth Ki Awaaz dia nampivoitra fa hoe i Dey dia iray amin'ireo mpanao gazety eo amin'ny firenena, manam-pahasahiana amin'ny fanaovana fanadihadiana, ary nanoratra hoe:

Hatramin'ny 1992, niatrika famonoana mpanao gazety mpanadihady efa ho 28 i India, ka ny 14 tamin'izany dia tao Mumbai.  Andry ijoroan'ny fitokisana ao India ny asa fanaovana gazety. Efa vitsy izao ny mpanao gazety mpanadihady ao India.

Fanina tanteraka ny indostrian'ny fampahalalam-vaovao. Mino tanteraka izahay fa tsy hiforitra amin'izay jiolahimboto sy mafia any mihitsy ny asa fnaovana gazety, izay manampim-bava toy ny natao an'i J Deay. Ny famonoana azy dia fanohintohinana ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety.

Hajainay ny herimpony ary manolotra ny fiaraha-miory amin'ny fianakaviany sy ny havan-tsy foiny rehetra izahay.

Lazaina fa ny tontolon'ny mafia ao Mumbai – mety ho ny mafia-n'ny  fitrandrahana/solika no ao ambadik'iny famonoana azy iny. Ny Praiminisitra Indiana, Ing. Manmohan Singh dia nanameloka ilay famonoana, nilaza azy iny ho “mahatohina” sy “tsy azo ekena”.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.