Sénégal : Novoizina Mafy Tao Amin'ny Twitter Ity Fihetsiketsehana Ity

Alakamisy 23 jona 2011, tototr'ireo mpanao fihetsiketsehana i Dakar. Ny tanjon'izy ireo: ny tsy hahatanteraka ny fanavaozana ny lalàm-pifidianana izay azo andaniana ny filoha mahazo vato hatrany amin'ny 25% dieny amin'ny fiodinana voalohany sy manome soso-kevitra ny hisian'ny filoha lefitra toy ny an-dry zareo amerikana. Nahomby ry zareo.

Raha ny lasibatra fototra ho an'ireo mpanao fihetsiketsehana dia ny Antenimieram-pirenena, sakoroka sy hatezerana no nihanaka tany amin'ny manodidina ny tanànan'i Dakar. Nandritra ny efa ho 12 ora teo ho eo, faritra maro nisy an'ireo mpanao fihetsiketsehana no namafy fisavoritahana saiky tamin'ny faritra rehetra tao Cap Vert ary nikendry lasibatra samihafa: ny tranon'ireo olona manana ny toeranyeo amin'ny fitondràn'i  Wade, ny tranoben'ny orinasa mpamatsy herinaratra, ny Sénélec, ny “Hôtel des Députés”. Tena kinendrin'ireo vahoaka manokana nandritra izany i Farba Senghor, izy noheverina ho toy ny “minisitry ny fampielezan-kevitry” ny Filoha Wade: may avokoa ny tranony roa tao Dakar sy ny fiarany. Lahatsary iray ao amin'ny youtube no mampiseho ny fomba nitsoahan'i Senghor ny trano, narovan'ireo polisy.

Lahatsary sy saripika maro hafa no nalefa tao amin'ny aterineto mamehy io andro nafampàna io amin'ny lafiny maro.

Nangina ny arabe nony tamin'ny 8 ora alina: ny farany tamin'reio mpanao fihetsiketsehana dia namonjy ny Kaomisaria Foibe tao Dakar mba hanafaka ireo mpitarika ny hetsika Y'en A Marre voatàna vonjimaika nandritra ny hetsika ny omalin'io. Lahatsary iray, nalefa ihany koa tao amin'ny Youtube, no nisy ny fijoroana vavolombelona nataon'i Simon, iray amin'ireo mpitolona avy amin'ilay hetsika, taorian'ny namotsorana azy.

Tombana: Naratra 102, ka polisy ny  13 ary mpiaro ny zon'olombelona ny roa.

Tamin'io andro io, raha teo ampandinihana ilay volavolan-dalàna ireo solombavam-bahoaka, niraraka ny kiana avy amin'ny lafy rehetra tao amin'ny aterineto. Tonga dia nokianin'ny mpampiasa aterineto ho kidaladala avy hatrany ny adihevitra voalohany tao amin'ny Antenimieram-pirenena momba ireo hadisoan-tsipelina ao anatin'ilay volavolan-dalàna.

Ny ady varotra amin'ireo fanovàna izay nateraky ny tsindry teny an-dalambe dia nokianina ho kidaladala ihany koa. Hoy i FatCuriosita mitondra fanamarihana:

Tamin'ny 5 ora hariva tany ho any no nambàra tamin'ny fomba ofisialy ny fisintonana ilay volavolam-panitsiana ny lalampanorenana. Na dia tsy misy afaka mandà aza fa hoe nahavita nampihemotra ny governemanta ny teny an-dalàmbe, izay efa sahin'ny sasany sahady nantsoina hoe  ny revolisionan'ny voanjo, ny Filoha Wade dia nilaza fa nisintona ilay volavolan-dalàna noho ny faneren'ireo mpitarika ara-pivavahana.

Ny Aterineto, ivon'ny fanetsehana

Nandritra ny fntsehana rehetra, ireo mpanao fihetsiketsehana dia nitondra fanamarihana momba ny hetsika tamin'ny #ticketwade sy ny  #TouchePasMaConstitution. Ny Twitter dia nahafahana nanaraka ireo hetsika samihafa tany amin'ny manodidinaan'i Dakar sy nahafahana namory ireo mpanao fihetsiketsehana teo anoloan'ny Kaomisaria Foibe ny hariva. Araka izany ny  Twitter dia lasa fomba andravàna ny tetikadin'ny polisy izay nanao ny fomba rehetra hizarazaràna ny olona sy hanokàna-monina ireo olona teny an-kianja.

Bebe kokoa noho izay, raha vaky ny korontana maro tany amin'ireo tanàna be mponina,  twitter dia nahafahana niolaza mialoha tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana ny fahatongavan'ny Groupe mobile d'intervention (GMI), andiany natokana handrava fihetsiketsehana.

Marobe izy ireo no nankalaza ny fahombiazan'ny fanentanana natao tamin'ny alalàn'ny bilaogy sy bitsika samihafa.  Na izany aza, na mbola misy aza ireo sasany mangataka ny hialàn'ny filoha Wade, izay mbola mitoetra indrindra indrindra ao amin'ny aterineto, dia ny sarin'ny faharavàna… ary izany dia na efa voafafa tanteraka aza ireo takaitra tao an-tanàna ny ampitson'iny.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.