Kroasia: Fankatoavana Ho Isan'ny Mpikambana Ao Amin'ny Vondrona Eorôpeana

Ny 10 jona 2011, nahazo fankatoavana i Kroasia ho isan'ny mpikambana vaovao ao amin'ny vondrona Erôpeana. Mbola lavitra anefa ny làlana ho an-dry zareo Kroaty vao tena tafapetraka amin'ny fomba ôfisialy ao amin'io vondrona io, ary tsy mbola voafaritra mazava ny fotoana,  mahatonga ahiahy maro.

Ankoatra ny zava-mitranga ara toekarena ao Eorôpa ankehitriny, dia nisy koa ny raharaha 15 aprily 2011, ny ICTY dia nanameloka ireo jeneraly teo aloha Ante Gotovina sy Mladen Markač noho ny heloka an'ady.

Araka  ny fanamarihan'ny This Just In:

Noraisin'ireo olona nitangorona teo amin'ny toerana ampovoan'ny Zagreb renivohitr'i Kroaty tamin'ny horakoraka sy siotsioka ny didim-pitsarana nivoaka, hoy ny BBC nitatitra. Ho an'ny sasany dia mahery fon'ny firenena izy ireo jeneraly ireo.

Anti-EU protest on the day of ITCY convictions. Image by Flickr user Sophie Guesné, used with permission.

Fihetsiketsehana manohitra ny vondrona Eorôpeana nandritra ny andro fiampangàna nataon'ny ICTY. Sary an'i Sophie Guesné, mpampiasa Flikr , fampiasàna nahazoana alàlana.

Zava-dehibe ny mamantatra tsara ny hevitry ny vahoaka, alohan'ny hidirana ao anaty vondrona, tsy maintsy hanatanteraka fitsapan-kevi-bahoaka i Kroasia  izay, raha raikitra amin'izao, dia mety tsy hahazo afa tsy salan'isa 38 isan-jato ny “Eny” na koa fandresena mora fotsiny amin'ny salan'isa 64 isan-jato hidirana ao anatin'ny vondrona Eorôpeana, araka ny loharanon-baovao.

Na eo aza ny ts fahazoana antoka ny ho voka-pifidianana, dia tsy mitsahatra manosika ny filatsahan-kofidiany ny governemanta Kroaty, araka ny fanamariahan'ny [hr]  Jutarnji List:

[Ny praiminisitra Jadranka Kosor] dia nanambara fa ny fanapahan-kevitry ny Filankevitra  Eorôpeana dia fotoam-pifalian'i  Kroasia, mifanandrify indrindra amin'ny fankalazan'i Kroasia ny faha 20 taona nahazoana ny fahaleovantena. ” Nolazaiko mandrakariva fa ity no fanomezana tsara indrindra amin'izao fitsingerenan'ny taona nahazoana ny fahaleovantena izao,” hoy ny Praiminisitra nanantitrantitra.

Mazava ho azy, ny tsy fahafaliana manohitra ny fidiran'io firenena misy mponina 4.5 tapitrisa io, dia mihodina hatrany amin'ny fitarazohan'ny dingana hahatongavana amin'izay teboka izay, araka nyvoasoratra [hr] ao amin'ny gospon profesor:

Efa lava loatra ny enina (taona), dia mbola hiampy roa? ary izaho nihevitra fa rehefa vita ny fifanarahana, hop, ao amin'ny vondrona Eorôpeana isika izao. Saingy, tsia.

Mpitsikera iray an'io lahatsoratra io  amin'ny anaran'i Kinky Kolumnista [hr] no miresaka an'ilay fidirana mbola mihantona, amin'ny fomba fijery ara-panatanterahana:

‘Ndeha hatrehantsika ny zava-misy, raha tsy nisy ny faneren'ny vondrona Eorôpeana, tsy nisy na dia iray aza ny mety ho fivoarana hita tamin'ireo firenena madinika, ary dia hihitsoka anaty fota-mandrevo tahàka  teo aloha eto foana isika […] Ireo firenena ao amin'ny vondrona Eorôpeana ireo dia efa lasa lavitra mihoatra antsika, ary ireo firenena izay tsy nahomby dia tsy nahazo tombotsoa.

Mbola betsaka no andrasana amin’ i Kroasia ato anatin'ny roa taona ho avy, nefa ankehitriny ny zavatra rehetra efa mitodika amin'ny haha-mpikambana faha 28 ao amin'ny vondrona Eorôpeana an-dry zareo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.