Myanmar: Baomba nipoaka tany amin'ny tanàna telo

Niara-nipoaka tao an-drenivohitra Naypyidaw sy Mandalay ary tany Pyin Oo Lwin ny Zoma 24 Jona 2011 ny baomba.

A Car Bomb Blast in Mandalay (Source: Eleven Media)

Araka ny nolazain'i Mizzima, dia niara-nipoaka ny baomba roa tany Naypyidaw sy Mandalay. Ny baomba nipoaka tany Mandalay dia nipetaka tamina fiara niantsona teo anoloan'ny Zaycho Hotel. Nahita olona roa naratra nentina tamin'ny fiara mpamonjy voina ny vavolombelona.

Namoaka ny sarin'ny nipoahan'ny baomba tao Mandalay tamin'ny Pejy Facebook ny Voice Weekly.

Nisy baomba hafa  nipoaka tao Naypyitaw tao amina trano iray tao amn'ny Lalana adin'ny Ngu akaikin'ny tsenan'i Tha Pyay Kone. Nilaza ny vavolombelona iray:

The explosion was very severe and I saw the debris from the explosion landing as far as 80 feet. Officials are now investigating in the area, and I also saw them bring a mine-searching dog.”

Tena henjana ny fipoahana ary nahita ny poti-javatra nipitika hatrany amin'ny 80 mandingana aho. Efa manao fanadihadiana ao an-toerana ny manampahefana, ary hitako mitondra alika mpikaroka vanja milevina aho.

Ny baomba nipoaka tany Pyin Oo Lwin kosa dia tao amin'ny trano tsy misy mipetraka. Nanambara ny vavolombelona fa nampirodana tanteraka ny trano iray manontolo ny fipoahany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.