Arzantina: Tsy Hay Tohaina Ny Lavenon'ilay Volokano Puyehue Any Amin'ny Faritr'i Arzantina

Ny 4 Jona 2011 teo no nanomboka nitroatra ny volokano Puyehue ao  Chile,  namoaka lavenon-tsetroka matevim-be izay nandrakotra toerana midadasika tany amin'ny faritra. Saingy tsy nijanona tamin'iny andro iny ihany ny tantara.

Niantraika tamina toerana midadasika tamin'ireo faritra an-tendrombohitra tany Arzantina ilay fipoahana ary io no ho isan'ny loza voajanahary goavana indrindra nidona tamin'ny firenena tato anatin'ny taona vitsivitsy.

Bariloche sy Villa La Angostura, tanàna roa isan'ny fitodiana ara-pizahantany rehefa andro ririnina no voa mafy koa tamin'ity fipoahana volokano ity.

Cancelled flights in Buenos Aires by Patricio Murphy. Image by Patricio Murphy, copyright Demotix (13/06/11).

Sidina nofoanana tao Buenos Aires, sary avy amin'i Patricio Murphy.copyright Demotix (13/06/11).

Ao amin'ny bilaogy 101lugaresincreibles [es], Matias Callone dia nanoritsoritra ny zava-nitranga:

La erupción del volcán Puyehue desde hace más de una semana en el sur de Chile, tiene a maltraer a los habitantes y turistas del entorno a ambos lados de la frontera. Por los efectos del viento, las cenizas del volcán, que hoy mismo se elevan como una columna de 7,5 kilómetros, continúan cayendo  con intervalos en el área de la paradisíaca Región de los Lagos, en Argentina. BarilocheVilla TrafulVilla la Angostura son algunas de las localidades más afectadas.

Ny fipoahan'ny volokano Puyehue ao atsimon'i Chile, efa maherin'ny herinandro roa izao, dia sady nampitondra faisana an'ireo mponina no nanohintohina ihany koa ireo mpizahatany avy amin'ny lafiny roa amin'ny sisintany. Noho ny rivotra, ny lavenon'ilay volokano, izay tafakatra tany anaty atmaosfera tany dia namorona  karazana andrirahona mirefy 7,5 kilometatra, ary mitohy mirotsaka tsindraindray any amin'ny faritr'i Los Lagos any Arzantina. Bariloche, Vila Traful ary Villa Angostura no faritra telo isan'ny tena voa mafy.

Na izany aza, tsy mijanona ho an'ireo faritra ireo ihany ny fiantraikan'ilay olana, satria nentin'ny rivotra niely lavitra ny lavenona teny amin'ny habakabaka, nitarika hatramin'ny fanafoanana sidina mpandeha isan'andro tsy tao amin'ny fitodiam-piaramanidin'i Arzantina fotsiny ihany fa hatrany amin'ireo firenena hafa.

Ny 8 Jona, ilay bilaogera  Fabio Baccaglioni dia nizara [es]  rohy iray [es] miaraka aminà sary nalainy tany Bariloche — samy ampiasàna ny Creative Commons license avokoa. Ny 16 Jona, i Daniel Barrios Laumenière dia nampakatra saripika maromaro tao amin'ny bilaogin'i Fabio [es]. Nanazava izy :

Fallen ash. Photo by Fabio Baccaglioni (CC BY-NC-SA 2.5)

Lavenona nirotsaka. Sary avy amin'i Fabio Baccaglioni (CC BY-NC-SA 2.5)

Después de la primer arena que cayó tuvimos unos días de calma y después una tormenta de lluvia que aplacó la arena y convirtió todo en una gran masa húmeda. En la última semana ha caído una ceniza más fina en tres oportunidades, lo que en sí resultó más molesto que la primer arena porque no se asienta nunca. Por fortuna cada dos por tres llueve algo y aplaca y lava esta ceniza fina permitiendo seguir trabajando en la limpieza de calles, techos, autos, etc.

Taorian'ny firotsahana lavenona voalohany avy amin'ilay volokano, dia somary tonitony ny andronay, ary taorian'izay dia oram-batravatra no niantraika tamin'ny fasika, namadika azy ho toy ny vongan-javatra mando madity.  Tamin'ny herinandro lasa, nisy firotsahana lavenona  manify in-telo izay nampanano-sarotra ny raharaha miohatra amin'iry fasika tery aloha satria tsy mba mety miraikitra ilay izy. Soa ihany, mba avy ny orana isaky ny roa na telo andro  eo ho eo, manadio an'io lavenona io ary mamela ny olona mba ho afaka manadio ny lalana, n y tafon-tranony, fiara, sns..

Daniel, mipetraka ao Bariloche, dia nanaraka akaiky ilay fipoahana tao amin'ny bilaoginy Danbat [es], nandefa sary maro sy vaovao avaozina arakaraka ny zava-mitranga isan'andro hatramin'ny 4 Jona [es].

Ny vohikala Cadena3 [es] dia mampahafantatra momba ny fidirana an-tsehatry ny Sekreteran'ny Governemanta, Ariel Domingo, mikasika ny zava-misy ao Villa La Angostura:

“La situación es compleja, teniendo en cuenta que tenemos acumulada 30 centímetros de cenizas. Está prevista para hoy la actividad del volcán, por eso esperamos la llegada de más cenizas y chaparrones”, aseguró a Cadena 3 el secretario de gobierno, Ariel Domínguez.

En otro sentido, el funcionario afirmó que las clases continúan afectadas, aunque aclaró que no hay inconvenientes por ahora con el agua potable.

“Sarotra be ny toe-draharaha raha raisintsika anaty kajikajy ireo lavenona matevina efa ho 30 sm. Nambara fa hoe hipoaka ilay volokano androany, noho izany, dia efa azo antoka ny hahitantsika  lavenona sy orana bebe kokoa” hoy ny fanamafisan'ny Sekreteran'ny Governemanta, Ariel Rodriguez, tamin'ny Cadena3.

Fanampin'izany, nanamafy izy fa mbola haato aloha ny sekoly, saingy tsy nazavainy ny olana misy amin'ny resaka rano fisotro.

Manohy ny lahatsoratra:

Si bien un importante sector de la población permanecía sin energía eléctrica desde hace varios días, la lluvia y la ceniza caída este martes, descripto como el peor día desde que comenzó la emergencia, hicieron que salieran de servicio las tres fuentes que alimentan la villa turística.

Mbola misy ampahany betsaka amin'ny vahoaka no tsy manana herinaratra, ny orana sy lavenona nilatsaka tamin'ity Talata ity, izay nofaritana ho ny andro ratsy indrindra hatramin'ny niandohan'ny hamehana, dia nahatonga ny faritra sasany tsy hànana ireo filàna miantoka ny fahavelomana ho tombontsoan'ilay faritra ara-pizahantany.

Ao amin'ny Twitter, mampahafantatra ny @visitingarg :

Se sigue trabajando para minimizar el impacto en distintas áreas, se continua la limpieza. #LaAngostura sufre la peor parte

Mitohy hatrany ny asa atao hanamaivanana ny fiantraikany any amin'ny faritra samihafa, mitohy hatrany ny fanadiovana. Ny #LaAngostura no tena voa mafy indrindra amin'ny rehetra.

Nahuel G. Abregú dia manamafy ny zava-mafy sedrain'i Villa La Angostura amin'ny alàlan'ity bitsika ity:

recién recibí info de gente que está llevando alimentos a #LaAngostura y por el estado de las rutas no puede entrar, #Puyehue #Cenizas

Vao avy nahazo vaovao aho avy amin'ireo olona mitondra sakafo ho any  #LaAngostura ary, noho ny toetry ny làlana amin'izao fotoana, dia tsy afaka ny ho tonga any ry zareo, #Puyehue #Cenizas

Nisy ny tsaho niely mikasika ny mety hanafoanana ilay ‘Copa América‘ izay efa nandrasana fatratra hoe hanomboka ny 1 Jolay, satria maro ireo sidina no nofoanana. Na izany aza, ny Fikambanana ho an'ny Baolina Fandàka ao Azantina [es] dia nandiso izany tamin'ny famoahana filazàna an-gazety iray:

Ante consultas periodísticas respecto de la realización, desarrollo y calendario sobre la Copa América “Argentina 2011”, el Comité Organizador cumple en informar que dicho evento se realizará tal como estaba programado, entre los días 1 y 24 de julio de 2011, con los horarios y sedes establecidos según resultara del sorteo realizado en diciembre de 2010.

Las circunstancias naturales que ocurren no son motivo para ninguna modificación a lo claramente informado.

Ho valinteny tamin'ny fanontanian'ireo mpanao gazety mikasika ny fivoarana sy ny tetiandron'ny Copa America “Argentina 2011”, ny Komity mpikarakara dia nampahafantatra fa ity hetsika ity dia tsy maintsy hisy araka izay efa nandaminana azy, manomboka ny 1 ka hatramin'ny 24 Jolay 2011, miaraka amin'ny ora sy toerana efa nekena, mifanaraka amin'izay famaritana mialoha tamin'ny Desambra 2010.

Tsy antony mihitsy hanovàna izay efa nambàra mazava teo aloha ny fisian'ny loza voajanahary mitranga.

Photo by Sebastián Criado (CC BY-NC-SA 2.0)

Sary avy amin'i Sebastián Criado (CC BY-NC-SA 2.0)

Ny Filoha Cristina Fernandez [es], dia nampahafantatra momba ny fanangànana vondrona iray hanara-maso ny kaontiny ao amin'ny Twitter @CFKArgentina. Nanambàra koa izy ny fanohanany an'ireo faritra voadona:

Como patagónica, saben que siempre voy a estar allí, siempre

Queremos llevar tranquilidad a todas las zonas afectadas, que estamos trabajando fuertemente, y midiendo las cosas que sean necesarias

Creamos un grupo de seguimiento de la situación en la región afectada por las cenizas del Volcán Puyehue.

Amin'ny maha avy any The Patagonia ny tena, fantatrareo tsara fa ho eo mandrakariva aho, mandrakariva.

Te-hametraka fandriampahalemana izahay ary fitoniana ho an'ireny faritra rehetra ireny, miasa mafy izahay, ary manangona ny vaovao rehetra mikasika ny filàna amin'izao fotoana izao.

Nanangana vondrona iray izahay hanara-maso ireo faritra voakasik'ilay lavenona avy amin'ny Volokano Puyehue.

Tamin'ny 15 Jona lasa teo, ny Ministeran'ny Fambolena, ny Jono ary ny Sakafo [es]  dia nanambàra ny fisian'ny hamehana tamin'ny alàlan'ny  hitsivolana samihafa izay navoaka tao amin'ny Fifandraisana Ofisialy ho an'ireo faritra any La Patagonia, Arzantina.

Ireo Sary nalaina vao haingana dia miteny lavitra noho ny teny an'arivony.

Image by Daninofal (CC BY 2.0)

Sary avy amin'i Daninofal (CC BY 2.0)

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.