Senegaly : Hetsika fanoherana ny volavolan-dalàna

Vaovao farany: Najanon'ny Filoha Wade ny volavolam-panitsiana noho ny rotaka tany Dakar ny 23 Jona 2011.

Nanolotra volavolam-panitsiana Lalampanorenana faha-17 ny filoha Senegaly Abdoulaye Wade hatramin'ny nifidianana azy tamin'ny 2000 ho fiatrehana ny fifidianana filoham-pirenena amin'ny 2012, ary nahatezitra Senegaly maro izany. Anisan'ny volavolan-kevitra ny ametrahana lisitra araka ny fomba Amerikana ka ny filoha sy ny filoha lefitra no fidiana. Kendreny koa ny fifidianana ny filoha amin'ny fiodianana indray mandeha fotsiny na dia 25% n'ny safidy fotsiny aza no azony. Lany teo amin'ny filankevitry ny Minisitra moa ny volavolankevitra, saingy tsy maintsy nodinihan'ny Antenimieram-pirenena ny 23 jona.

L'un des logos du mouvement "Touche pas à ma constitution"

Iny no rano indray mitete nampihoatra ny rano ao amin'ny vazy ho an'ny mpanohitra. Hitany ho fomba ataon'ny filoha, mpitarika ny hetsika Sopi handrombahana sy hitondrana fanintelony ny fitondrana izany sy hanerena ny hametrahana ny zanany lahy Karim ho mpandimby azy.

Nisy fihetsiketsehana tampoka nataon'ny tanora tamin'ny 22 jona saingy tratran'ny famoretana tanaty herisetra izany. Maro ny sary sy ny Lahatsarin'ny fihetsiketsehana no navoakan'ny Seneweb. Anisan'ny nosamborina ny mpikambana ao amin'ny fiaraha-mientana Y’en a marre. bydiogs dia nitatitra fa ny depiote Cheikh Bamba Dièye dia namato-tena teo am-bavahadin'ny Antenimieram-Pirenena.

Maro ny fihetsiketsehina nomanina manerana an'i Senegaly ny andron'ny  23 jona. Ao Dakar, ny toerana lehibe ifamoriana dia eo amin'ny Kianja Soweto, eo anoloan'ny Lapan'ny Antenimieram-Pirenena izay handinihana ny volavolan-dalàna. Tonga mialoha ny mpanao fihetsiketsehana mba hanaitra ny depiote amin'ity raharaha ity eo am-pidirana.  Nipoaka ny baomba mandatsa-dranomaso dieny maraina tamin'ny  9 ora 30 mn maraina. Nanenika ny kianjan'ny Anjerimanontolo Cheikh Anta Diop kosa ny mpanao fihetsiketsehana hafa nandritra ity maraina ity.

Raha nangotraka ny teny an-dalambe, henika ihany koa ny aterineto. Ao amin'ny Facebook, nitsangana ny pejy vaovao Touche Pas à Ma Constitution [aza kitikitihina ny Lalampanorenako], entanin'ny mpisera iray miafina amin'ny anarana Sous-Commandant Kocc Barma ary milaza ho anisan'ny “commando invisible” [Komandò tsy hita maso], mamelively ny volavolan-dalàna.

Maro ny mpamaham-bolongana no avy masiaka. Nivantana i Ousmane Sarr Simal:

Certes, comme certaines voix autorisées l’affirment, nul n’a le droit de brûler le Sénégal, mais nul n’a aussi le droit de considérer les Sénégalais comme des lingettes qu’on utilise et jette après usage.

Eny, misy ny feo maromaro navela hiteny milaza fa tsy misy mahazo mandrehitra an'i Senegaly, saingy tsy misy koa ny manan-jò hihevitra ny Senegaly ho toy ny lamba madinika izay atsipy rehefa avy ampiasaina.

Miantso tsy fankatoavam-bahoaka ny depiote Cheikh Bamba Dieye :

Mes chers compatriotes, l’heure n’est plus à la concertation ou à la discussion avec un pouvoir voyou, un pouvoir qui nous agresse et qui veut nous humilier. J’en appelle donc à la désobéissance civile de tous les sénégalais car aucun citoyen n’a le droit de servir un régime corrompu et corrupteur, incompétent et qui nous fait souffrir au plus profond de nous-mêmes.

Ry mpiray tanindrazana, tsy fotoana hifampidinihana na hiadian-kevitra amin'ny fitondrana jiolahimboto intsony izao, fitondrana midaroka antsika sy mitady hanitsakitsaka anareo. Miantso tsy fankatoavam-bahoaka ny Senegaly rehetra aho fa tsy misy manan-jò hiasa ho an'ny fitondrana mpanao sy mampanao kolikoly, tsy manana ny fahaizana ampy ary mampijaly antsika ao anatintsika lalina ao.

Mbola eo am-pikarohana mpamaham-bolongana miaro ny volavolan-dalana moa hatramin'izao. Tsy mba mametraka “fiarovana nomerika” manoloana ny mpanenjika azy ny filoha Wade sy ny ekipany.

Azo atao ny manaraka eo noho eo ny fihetsiketsehana isan-karazany amin'ny fanarahana ny tenifototra (hashtag) #touchepasàmaconstitution sy #ticketwade ao amin'ny Twitter.  Oumy, ao amin'ny Twitter, sy ny tranonkala seneweb no manaraka eo noho eo ny fizotran'ny toe-draharaha.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.