Sina: Mpampiasa aterineto iray nahazo sazy fanabeazana mandritry ny herintaona noho ny fanesoany ny mpitondra

Araka ny tatitry ny media any an-toerana [zh], nisy mponina iray avy ao amin'ny tanànan'i Chongqing, Fang Hung, nahazo sazy fanabeazana ny Aprily 2011 noho ny famoahana bilaogy kiritika manesoeso an'i Bo Xilai lehiben'ny antoko politikan'ny tanàna, zanak'ilay razokibe Bo Yibo mpitaky fanovàna ao amin'ny Antoko Kaominista Sinoa

Nilaza ilay bilaogy kiritika hoe:

勃起来窝了一驼屎,叫王立军吃,王立军把这驼屎端给检察院吃,检察院端给法院吃,法院端给李庄律师吃,李庄说,这驼屎太臭了,谁窝的,谁自己吃。

Nivàlana Andriamatoa ary nangataka an'i Wang Lijun hihinana izany. Nomen'i Wang Lijun ny mpisolovava izany fivalànana izany, ny mpisolovava nanome izany ny fitsarana ary ny fitsarana kosa nanome izany ny mpisolovava Li Zhuang. Niteny i Li zhuang, maimbo loatra ity fivalànana ity, iza no nanao an'io, ary nihinana izany manokana.

Mitovitovy amin'ny fanononana ny fivalànana (bo-zi-lai) ny fanononana ny Bo XiLai amin'ny teny Sinoa raha solombavam-bahoaka-ben'ny tanànan'i Chongqing i Wang Lijun.

Tantara fanesoana ny fampielezan-kevitra manafintohina ho enti-manohitra ny kolikoly nataon'i Bo Xilai tany amin'ny tanànan'i Chongqing sy Li Zhuang, izay mpisolovaika azy,  voasazy higadra 18 volana ny taona 2010 noho ny “famporisihany olona iray hanao vavolombelona mandainga” fony izy niasa niaro jiolahy raindahiny iray avy ao Chongqing tamin'ny 2009. Ny vahoaka amin'ny ankapobeny dia mino fa ny fisamborana sy fiampangana an'i Li dia baiko mivantana avy any amin'ny Bo Xilai ary dia tratry ny vela-pandrika i Li.

Ny Aprily 2011, mbola voampanga tamina raharaha mitovy amin'izay ihany i Li – voarohirohy tamina fanaovana fitaka sy nitarika vavolombelona iray tany Shanghai tamin'ny taona 2008 mba hanamboatra porofo. Talohan'ny fitsarana dia maro ireo manampahaizana momba ny lalàna niresaka fa rehefa voaheloka Andriamatoa Li, mety tsy afaka hiaro ny olona mila azy intsony ireo mpisolovava hafa. Tamin'ny farany dia nanàla ny sazy ny mpisolovavan'i Chongqing.

Ilay bilaogy kiritika voalaza tetsy ambony dia avy amin'i Fang Hung, mpiasam-panjakana 49 taona efa misotro ronono any Chongqing ny 21 Aprili 2011 raha mbola teo an-dalam-pandinihana ny fampiangana fanindroany an'i Li Zhuang. Ny ampitson'iny dia nangataka an'i Fang hamafa ny lahatsoratra navoakany ny mpitandro filaminana tao Chongqing ary nitazona azy tany ami'ny tobin'ny polisy. Ny 24 Aprily, nanapa-kevitra ny hanome sazy fibeazana ho azy mandritry ny herintaona noho ny “lainga sy fanakorontanana filaminam-bahoaka” ny mpitandro filaminana sy ny komitim-panabeazana. Tamin'ny fotoana nahazoan'ny zanakalahin'i Fang an'ilay taratasy filazana ny sazy fanabeazana tamin'ny 25 Aprily dia efa tara loatra ho azy ny hanakarama mpahay lalàna sy ny hangataka fampakarana fitsarana ambony an'io fanapahan-kevitra io. Araka ny fepetran'ny mpitandro filaminana, tokony napetraka tao anatin'ny 48 ora ny fangatahana fampakarana taorian'ny famoahana ny antontan-taratasy momba ny sazy fanabeazana. Ity eto ambany eto ity ny dika mitovin'ilay taratasy avy amin'ny mpitandro filaminana:

(P.S Sarin'i Bo Xilai ilay sary famantarana.)

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.