Malawi: Miserasera ao amin'ny Facebook ny mpitondra fiara mba ahitana solika ho vidiana.

Mampiasa Facebook ny mpitondra fiara ao Malawi mba hifampizara vaovao momba ny vidin-tsolika sy ny tahirin-tsolika  eny amin'ny tobi-dasantsy mba ahafahany mividy sy mameno ny fitoeran-tsolika amin'ny fiara. Maherin'ny 180 ireo mpikambana ao amin'ny Facebook no mifampizara vaovao, antsoina hoe Malawi Fuel Watch ny fikambanana:

Mbola mitohy ny tsy fisian'ny solika … raha mahita solika any ho any ianao, dia ilazao ny hafa mba tsy ho very fotoana amin'ny fitadiavany lasantsy… ary raha sendra tonga eny amin'ny tobi-dasantsy tsy misy solika intsony ianao, dia ilazao ny hafa mba tsy ho any!

Paraffin lamps on sale at Chinseu market, Malawi, for 30 kwacha apiece. Paraffin is hard to come by, so some people have been using diesel fuel, which has the unfortunate effect of creating smog clouds in one's home. Image by Flickr user john.duffell (CC BY-NC-SA 2.0).

Jiro kapoaka amidy ao an-tsenan'ny Chinseu, ao Malawi, 30 kwacha ny iray. Sarotra ny mahita kapoaka, ka lasa mampiasa gasoaly atao amin'ny jiro ny mponina sasany, miteraka setroka be manerana ny trano anefa izany. Sary avy amin'ny Flickr user john.duffell (CC BY-NC-SA 2.0).

 

Efa nanomboka tamin'ny herintaona no nilahatra solika ny mponina Malawita. Nilaza ny Minisitry ny Harena Voajanahary, ny Angovo ary ny Harena an-kibon'ny tany Grain Malunga fa mety hametra-pialana izy noho izao krizin'ny solika izao. Taty aoriana anefa dia niova hevitra izy.

Tamin'ny volana febroary 2011, nosamborin'ny polisin'ny Lilongwe ny mpikarakara  ny fihetsiketsehana manohitra ny tsy fisian'ny solika mandavataona.

Tamin'ny Alatsinainy hariva ohatra, iray tamin'ireo mpikambana ao amin'ny Facebook nanoratra hoe :

Petroda pa Kameza no long Qs the attendants ali Bo akuserver fast and there are more pumps i only spent 8 minutes ndathira!!!”

Ao amin'ny tobin-dasantsy ao Blantyre, tsy misy ny filaharam-be, miasa tsara izy ireo, misy ny paompy fanampiny, valo minitra ihany dia efa feno ny fitahirizan-tsolika amin'ny fiarako .

Androany, Herbert Nkhoma nanoratra hoe:

Feno gazoaly sy solintany ao Chileka BP

Fotoana fohy taty aoriana, nampiany toy izao ny vaovao:

noferana ho 3000 Kwacha (vola Malawi) ihany isaky ny fiara

Tione Makawa nanoratra hoe:

Talata, 14 Jona 2011
LILONGWE SY NY FOIBEN NY SOLITANY
MBOLA MISY SOLITANY AO:
• M1 – Bunda T-off (Ho tapitra izany amin'ny atoandro)

Andrew Matambo nanoratra hoe:

Misy solitany ao amin'ny tobin-dasantsy Constantin Total eo akaikin'ny magazay Angoni, magazay mivarotra kojakoja momba ny fiara ao an-tanàna ntaolo

Aubrey nanambara fa mivarotra solitany ny namany:

Misy namana sasany mivarotra solika, 20 Litatra 2pin isaky ny 5 litatra raha tsy manana mihitsy ianao, vao avy nameno ny fitahirizan-tsolika izahay omaly!!!!

Nanambara ny mpamorona sy ny mpandrindra ny vondrona Fredrick Bvalani sy ny Kondwani Chirembo fa namorona io vondrona io izy ireo mba hitahiry solika, ka ialana amin'ny fivezivezena amin'ny fitadiavana solika eraky ny tobin-dasantsy. Ho valin'ny fanontaniana nalefako tao amin'ny pejiny Facebook, nilaza i Bvalani hoe:

Nahatsapa isika fa ilaina tokoa ny fifampizarana vaovao momba ny tobin-dasantsy mety ahitana solika na tsia, mba hisorohana amin'ny fivezivezena amin'ny fitadiavana izany manerana ny toby ka mampadany indray ny solika kely ambiny ananana. Ka raha misy olona ao amin'ny vondrona mahita tobin-dasantsy tsy misy solika, dia mandrisika ny hafa izy tsy ho tonga eny amin'io tobin-dasantsy tsy ahitana solika io.

Nilaza ny Minisitry ny Harena Voajanahary, ny Angovo ary ny Harena an-kibon'ny tany Grain Malunga tamin'ny herinandro lasa teo fa tokony hizatra amin'ny tsy fisian'ny solika ny mponina Malawita. Niaritra ny tsy fisian'ny solika i Malawi nandritra ny herintaona mahery ary hatramin'izao, ka nisy fiantraikany ratsy teo amin'ny mpitondra fiara an'arivony, ny mpandeha, ary ny orinasa izany.

Mitsikera ny Filoha Bingu wa Mutharika ny vahoaka ankehitriny noho ny tsy fahaizany mitantana ny olana mikasika ny tsy fisian'ny solika, ny fifandraisana amin'ny mpamatsy vola lehibe ary ireo sehatra ahitana olana eo amin'ny firenena.

Tsy ampy antoko mpanohitra matanjaka i Malawi ifampitana amin'ny DPP, antokon'ny governemanta. Tsy henoheno intsony ihany koa ny fanentanana nataon'ny fiarahamonim-pirenena manoloana ny tsy fahampian'ny solika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.