Kazakhstan: Sisintany an-tserasera iniana atsangana

Nahita zavatra hafahafa ny mpisera Kazakhstani tamin'ny fiandohan'ity herinandro ity. Hita manko vao haingana izay fa mivadika ho azy mankany amin'ny Google.com miaty teny  Kazakh ny tokotaniny ny Google.kz. Miteraka fanelingelenana ho an'ireo mampiasa ny mili-pitadiavana Google amin'ny mili-piseraserana Chrome izany, satria isaky ny manao fitadiavana ry zareo, dia mipoitra hatrany ny takelaka fandraisana efa amin'ny teny Kazakh tsy misy na inona na inona.

Manazava ao amin'ny bolongana ofisialin'ny orinasa [ru] i Bill Karan, filoha lefitra sady talen'ny departemantan'ny fotodrafitrasa hanaovana fitadiavana ao amin'ny Google:

Iray volana lasa izay ny Ivotoeram-pampahalalam-baovao an-tserasera Kazakh no nampahalala anay ny fisian'ny didy hitsivolana avy amin'ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Fampahalalam-baovao ao Kazakhstan. Araka ny voasoratra ao amin'ny antontan-kevitra, izay rehetra ao manana ny valan'anarana .kz , ka tafiditra amin'izany ny google.kz, dia tsy maintsy ato amin'ny faritry ny firenena no misy ny servers-ny… Izay no nahatapakevitra anay hamindra ny mpitsidika ao amin'ny google.kz ho any amin'ny  www.google.com amin'ny teny Kazakh.

Sariitatra avy amin ny mpamaham-bolongana Kazakh FrozenKing

Mr_recovery mitaky ny zava-drehetra hiverina ho toy ny teo aloha, satria manimba ny fifamoivoizana an'aterineto ao kazakhstan amin'ny ankapobeny izay “zava-baovao” izao [ru]:

Nahafahana nanaovana fitadiavana hatramin'ny vohikala kazakhstani ny tamin'ny endrika “taloha”. Tsy misy intsony izany safidy izany ankehitriny.

Saingy ny an'i yerden kosa dia hafa tanteraka ny heviny. Noarahabainy izao fanapahan-kevitry [ny minisitera] izao, satria heveriny fa tokony hampanarahan-dalàna ny sehatr'asa Kazakhstani eo amin'ny aterineto [ru]:

Hampiroborobo ny sehatry ny aterineto eto Kazakhstan ny fampiorenana ny servers [Google] ato anatin'ny faritanin'i Kazakhstan. Miara-dalana amin'i Kazakhstan ny valan'anarana .kz ary misy ny mpisera eto an-toerana. Noho izany, tsy maintsy manorina ny foto-drafitr'asantsika sy ny tahirin-tsoratra fototra antsika isika, mamorona asa ary maka hetra eto Kazakhstan.

Quessir namoaka an-kitsirano ny fitsipahany [ru]:

Tsy ho afaka ny hametraka manontolo ny tolotra fitadiavana eto ny Google […] Mety ny nataon'ny orinasa raha tsy te-hiditra amin'io sehatra [mampihomehy]  io izy. Ary nambarany mazava tsy misy olakolaka izany.

Roma_penman mihevitra fa tsy hetsika maningana noho ny fifandraisana izao fanapahan-kevitr'i Google izao fa fiombonana amin'ny filozofian'ny orinasa ihany [ru]:

Orinasa manana soatoavina sy fomba fiasa ny Google. Mijoro ho amin'ny aterineto tsy misy sisintany izy… Ary Orinasa goavana izy – Raha mandao an'i Kazakhstan ny Google, ohatrinona ny vola miditra ho very? 0,000001 isan-jato angamba?

Vladimir78 nanampy ny fomba fijeriny amin'ireo mahita ny fiantraikany ratsy [ru]:

Very mpitsidika ny ankamaroan'ny vohikala Kazakhstani … sy very vola nampiasaina amin'ny fiezahana ho hita amin'ny mili-pitadiavana [SEO].

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.