Ejypta: Khaled Said, Herintaona Taty Aoriana

Herintaona lasa izay, Khaled Said, Ejyptiana 28 taona avy any an-tanàna amorontsirak'i Alexandria, no nampijalijaliana teo am-pelantanan'ny polisy roa lahy mandra-pahafatiny izay nikaroka azy noho ny lalàna mihatra amin'ny firenena latsaka ankaterena. Niteraka hatezerana lehibe teo amin'ny Ejipsiana ny fahafatesany, saingy tsy nisy olona nieritreritra fa herintaona taty aoriana, dia mihidy ambadiky ny bara-vy i Mubarak, ny minisitry ny Atitany ary ny andry iankinan'ny fitondrana miaramila hafa. Ankehitriny, mahatsiaro ny fitsingerenan'ny iray amin'ny nahatonga ny revolisiona nataony ny Ejipsiana.

Ao amin'ny Twitter, nizara ny fihetsehampony ireo Ejipsiana noho io fotoam-pahatsiarovana io. Indreto sombiny amin'ny fihetsehampo:

@Mohamed_Atwa: #KhaledSaid Misaotra nanomboka ny revolisiona. Misaotra namoha ny maha olona ahy ato anatiko. Allah yer7amak ya rab [Hitahy ny fanahinao ny Tompo]

@mariamarafat: Ho anareo rehetra izay manadino, #KhaledSaid no pitik'afo nampirehitra ny revolisiona. Ny kely indrindra azontsika atao dia ny mahatsiaro azy amin'izao andro izao.

Carlos Latuff: Khaled Said and Mubarak

Sary ravaka notontosain'ny mpanao sary breziliana Carlos Latuff milaza fohy ny fahafatesan'i Khaled Said izay nampirodana ny fitondrana Mubarak.

 

Wael Ghonim nizara ny iray amin'ny sary voalohany tamin'ny fihetsiketsehana manameloka ny fahafatesan'i Khaled Said. Tsy afaka ampitahana amin'ireo Ejyptiana an-tapitrisany maro nidina andalambe nandritra ny#revolisiona Ejipsiana ny olona vitsy nandray anjara. Na dia izany aza izany no pitik'afo nahatonga ny revolisiona taty aoriana.

Ny sasany tamin'ireo nanao fihetsiketsehana tamin'ny herintaona dia sambany vao nanao fihetsiketsehana teo amin'ny fiainany. Ahmed Khair Eldeen nanoratra ny fahafatesan'i Khaled Said nanova ny toe-tsain'ny firenena manontolo, sy ny nahatonga ny tahotra ho tratran'ny nanjo ilay olona no nahery kokoa noho ny tahotra hanao fihetsiketseham-panoherana:

بعدها بأيام أصبح اسم خالد سعيد معروفا لدى كل الشعب المصرى، تحولت صورة الولد الجميل الذى لقى مصرعه بتلك البشاعة الى أيقونة وضعها الشباب بديلا لصورهم على فيسبوك وخرجت الفتيات والسيدات لأول مرة فى مختلف مدن مصر وشوارعها فى مظاهرات ينددن بما جرى وربما كان فى مخيلة كل واحدة منهن رعبا أن تتكرر تلك الحادثة لشقيقها أو ابنها

كانت المظاهرات التى خرجت فى أعقاب واقعة خالد سعيد دليلا على تغير طرأ فى ردود أفعال الشعب المصرى وادراك كل فرد ان الدور قد يجىء عليه أو على ابنه أو أخيه فى يوم من الأيام
Andro vitsivitsy taty aoriana, nanjary fanta-daza teo amin'ny Ejyptiana rehetra ny anaran'i Khaled Said. Nanjary zavamasina ampiasan'ny tanora ao amin'ny Facebook eo amin'ny mombamomba azy ny sarin'ilay lehilahy mailaka izay novonoina tamin-kerisetra. Na tovovavy na ramatoa dia samy sambany no nidina an-dalambe mba hanameloka izay zava-nitranga, natahotra ihany koa izy ireo fa mety hihatra amin'ny anadahiny na ny zanany lahy ny zava-nitranga toy ireny.

Ny fihetsiketsehana izay niseho taorian'ny fahafatesan'i Khaled Said no manaporofo ny fiovana lehibe teo amin'ny fihetsiky ny Ejipsiana ary tsapany ihany koa fa mety izy na ny zanany lahy na ny rahalahiny no mety hisolo an'i Khaled Said any aoriana.

Nanameloka ny fahafatesany ny Amnesty International sy ny Human Rights Watch ary nitaky fanadihadihana momba ny famonoana azy izay feno herisetra. Saingy ankehitriny, volana maro izay no lasa, mbola tsy voasazy ireo tompon'andraikitra tamin'ny fahafatesany sy ireo izay namono ny mpanao fihetsiketsehana nandritra ny revolisiona.

@nagoul1: Ankehitriny misaona izahay #BackInBlack tsy noho i#KhaledSaid ihany fa noho ireo izay namono ny mpanao fihetsiketsehana tamin'ny #Jan25 izay mbola mirenireny any koa.

Farany, Mariam Arafat malahelo fa tsy eto amin'ity tany ity intsony i Khaled Said mba hijery ny fanovana izay nentin'ny fahafatesany, ary ni-tweet i Mai Shams El-Din fa maty ho antsika rehetra i Said.

@maishams: Maty izy mba ahafahantsika mivelona. Mandria am-pidanana [RIP] #KhaledS

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.