Tanzania: Mpikambana ao amin'ny Parlemanta mi-Tweet ny Fisamborana azy

Zitto Kabwe,  Tanzaniana mpikambana ao amin'ny Parlemanta avy amin'ny antoko mpanohitra Chadema no voasambotra tamin'ny4 Jona teo tao Tanzania afovoany raha vao vita kelikely ny famoriam-bahoaka nataony. Iray amin'ny andiam-pihetsiketsehana goavana nanerana ny firenena ny famoriam-bahoaka nataony izay nokarakain'ny Chadema hatramin'ny fanombohan'ity taona 2011 ity izay matetika  ahiana hisiana herisetra avy amin'ny polisy.

Tanzanian Member of Parliament, Zitto Kabwe.

Tanzaniana Mpikambana ao amin'ny Parlemanta, Zitto Kabwe. Sary avy amin'ny: bongocelebrity.com

Raha nentina hampidirina ao amin'ny efitra fitazonan'ny polisy ilay mpikambana parlemantera dia nampiasa ny findainy mba hi-tweet mikasika ny fisamborana azy ho an'ireo olona 1640 mpamaky azy ary nampita ny hafatra sy nampahery azy tamin'ny Twitter. Indreto sombiny amin'ny siokantsera nosoratan'i Zitto nandritra ny fisamborana azy:

 

@zittokabwe: Vao avy nosamborin'ny polisy tao Singida noho ny famoriam-bahoaka nataony taorian'ny 6ora hariva@JamiiForums @Udadisi @Semkae @MariaSTsehai @jjmnyika


@zittokabwe
: Vitako tamin'ny 6 hariva katroka ny famoriam-bahoaka, tonga ny polisy niaraka tamin'ny fiara defenders anankiroa feno polisy misahana ny rotaka vonona hiandry korontana. Nahatsinjo ka namarana ny fivoriana. Nosamborina @ htl

@zittokabwe: Inoako fa nisy ny fikasana hanorisoreana ny fandraisanay anjara amin'ny fotoam-pivoriana handinihana ny tetibola-panjakana. Hafahafa loatra ny fisamborana ahy ka na ny polisy aza tsy mba afaka nanazava akory

@zittokabwe: Voasambotra tao amin'ny Hotely Acqua aho tokony ho tamin'ny 6 sysasany mahery dimy teo, nanome baiko ny polisy mba atsahatra ny fihetsiketsehana. Nanontaniana raha manana taratasy avy amin'ny mpiandraiki-draharaha izy ireo, hawana! [Tsy manana]

@zittokabwe: Nohidiana aho

Mpisera Twitter @SwahiliStreet nanontany hoe:


@SwahiliStreet
: @zittokabwe pole sana [manohana aho]. Mila ny fahazoan-dalana avy amin'ny mpiandraiki-draharaha ve ny polisy hisambotra depiote?

@zittokabwe: @SwahiliStreet araka ny PPPA, laharana faha-3 nivoaka tamin'ny 1988, dia tsy maintsy mahazo alalana avy amin'ny mpiandraiki-draharaha ry zareo

Noafahana avy eo ny depiote:


@zittokabwe
: Vao avy nandray baiko avy amin'ny Komandim-paritry ny polisy ny komisarià hamela ahy hivoaka sy hanemotra rahampitso. Self-bail.

Mbola tohina na dia efa noafahana aza i Zitto ni-tweet hoe:

@zittokabwe: Mbola tafintohina tamin'ny fisamborana ahy aho, nohadihadiana ary noahafahana avy eo! Tsy misy fanamarinana. Atao amin'ny mpanao lalàna izao, tena mijaly ny olon-tsotra

tweets maromaro misesisesy no manohana an'i Zittoo :

Nathan Chiume nanoratra hoe:

@chiume: @zittokabwe Dah, pole sana kaka![Miray fo aminao aho rahalahy] Mino aho fa hanjaka ny fitoniana & ho voavaha haingana avokoa ny zava-drehetra

George Ruhago koa nanoratra hoe:

@GRuhago: @zittokabwe, aza miala “lava ny lalana ho amin'ny fahafahana”

Ary i Pernille Bærendtsen ni-tweet rohy tao amin'ny bilaoginy, nizara ny heviny momba ny fisamborana sy ny fiantraikany amin'ny politika Tanzaniana ao anatin'ny fotoana maharitra ny serasera eo noho eo:

Raha iverenako indray ny mahaliana ahy amin'ny fomba hampiharana ny valan-tserasera ao Tanzania, sy ny fomba fahitana izany avy any Eoropa, dia ho feheziko tsy variana amin'ny zava-misy bolongany milaza ny depiote tanzaniana misiokantsera na misera facebook avy any am-ponja intsony izy ity.

Io aloha no mahagaga ny fizarana tsotra.

Amiko, ny tena fanamby dia mifamatotra amin'ny fomba fijery ny adihevitra sy ny antony mahatonga azy tonga eo amin'io dingana io, hisy fiantraikany amin'ny serasera politika mandritra ny fotoana maharitra izay hitranga aoriana sy ny serasera politika miparitaka eo noho eo. Tranga hafa, mety hifantoka ihany koa amin'ny fomba hiatrehan'ny fitondrana mandritra ny fotoana maharitra ny politikan'ny tontolon-tserasera.

Raha mahaliana anao ny fifandrasaina amin'ny aterineto ataon'ny governemanta tanzaniana, vakio eto.

 

Zitto Kabwe dia depiote Tanzaniana avy amin'nyantoko mpanohitra Chadema [sw], bilaogera sy mpisera Twitter mavitrika. ny siokantsera ataony moa matetika dia miompana amin'ny politika sy ny toe-karena izay henony sy hitay ao amin'ny Antenimiera sy mandritra ny fitetezana ara-politika ataony manerana ny firenena. Matetika izy no misera twitter miaraka amin'ny mpamaky azy.

Tamin'ny herintaona ny mamaham-bolongana Danoà Pernille Bærendtsen no nijery ny singa mahazatra sy ny valan-tserasera mandritra ny fampielezan-kevitra any Tanzania izay nifantohany tamin'i Zitto Kabwe.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.