Zeorzia: Tara amin'i Sharon Stone Ny Firenena Iray Manontolo

Ny lohahevitra be mpiresaka tany anaty tambajotra sosialy, na teny anivon'ny aterineto izany na ny fampahalalam-baovao mahazatra, dia ny famoahana voalohany ny lahatsarin'i Renny Harlin mikasika ny adin'i Zeorzia sy Rosia tamin'ny 2008, nantsoina hoe “ireo andro 5-n'ny volana Aogositra.”

Tsy ny tale irery no tonga tao an-tanàna ho an'ilay hetsika, fa hatramin'ireo mpilalao sarimihetsika toa an'i Andy Garcia, Dean Cain sy  ny hafa. Na izany aza, ny olona nasaina isan'ny tena nànana ny toerany indrindra dia ilay mpilalao sarimihetsika avy any Hollywood,  Sharon Stone.

Nandray sidina avy any Mosko, toerana  nanatrehany ny Muz.TV Awards, i Stone dia tonga andro iray nialoha ny andiam-pilalao izay tonga nivantana avy any Los Angeles. Ireo fiomanana sy ny fandrakofan'ny fampahalalam-baovao ny ho fahatongavany no tena nibahana ny fanehoan-kevitra[ka] andro maromaro nialoha an'izany:

უკვე რამდენიმე დღეა, რაც თბილისი შერონის ქალაქად ან “შერონსთაუნად” (“Sharon’s town“) არის ქცეული. ჩვენ შერონით ვსუნთქავთ, შერონით ვხედავთ, შერონით გვესმის და შერონით განვიცდით.

Nandritra ny andro maro dia nivadika ho “Sharonstown” i Tbilisi (“Sharon’s town” na Tanànan'i Sharon). Mifoka rivotra ianao dia Sharon, mijery ianao dia Sharon, mihaino sy mahatsapa ianao dia Sharona foana.

Ny filoha Zeorziana Mikheil Saakashvili aza dia nandray mihitsy ilay mpilalao sarimihetsika ny alina voalohany nahatongavany, nampiseho azy an'i Tbilisi amin'ny andro alina avy eny amin'ny Lapam-panjakana. Ny fitsidihana araham-panazavana ny tao an-dapany koa dia fotoana mamy na ho an'ilay vahiny na ho an'ny mpampiantrano. Ny sarimihetsika momba izay dia nalefa betsaka tao amin'ny fahitalavitra Zeorziana ary nozaraina tany anatin'ireo tambajotra sosialy:

Talohan'ny nanatrehana ny fandefasana voalohany an'ilay sarimihetsik'i  Harlin androany, nihaona koa tamin'ny mpitarika ara-pivavahana teo amin'ny firenena i Stone, ny Patriarka ao Zeorzia, ary tsinjon'ny maro  ihany koa namakivaky ny lalamben'i Zeorzia fahiny.

@bicyclemark: In-droa nifanenana tamin'i Sharon Stone androany teny an-dalamben'i  Tbilisi. Nifampijery 2 segondra teo izahay ary avy eo dia samy niverina ho toy ny mpizahatany rehetra ihany.

@bicyclemark: vantany vao avy nifanena tamiko izy, dia nisy mpivady amerikana nandray tànana azy sy niresaka nifanao veloma taminy. hmm tsy nahavita an'izany aho.

@lakobukia: Hijery an'i Sharon Stone aho anio alina, ANDRIAMANITRA O, MIENTANENTANA BE AHO IZANY

@mziakupunia: Olona izany teo anoloan'ny trano fandefasana sarimihetsika Rustaveli izany mba hiarahaba an'i Sharon Stone sy Andy Garcia miaraka aminà horakoraka sy tehaka.

Mandritra izany, vondrom-pianatra iray no nifamory teo anoloan'ny hotely  Radisson Blue izay nipetrahan'ilay kintana avy any Hollywood, nanao fihetsiketsehana anoheran'izy ireo ny antsoiny hoe fandaniana mihoam-pàmpana tamin'ny fikarakarana ity fandefasana voalohany ity, nilanja sary lehibe misy soratra mivaky hoe “Filàna fototra manoloana ny filàna tombony”, “Ampy izay, omeo an'ireo tsy manan-kialofana ny vola,” sy  “Tsy zavakanto ny fanaovana laza masaka” manondro mivantana ireo dokadoka natao an'ilay sarimihetsika Harlin nataon'ireo mpitsikera sarimihetsika. Ireo masoivohom-baovao dia nitatitra ary ny Forum.ge dia nanokatra fifanakalozan-dresaka lavidavitra kokoa.

Doin.ge, izay tompon'ny lahatsoratra lavabe nanakiana ny fandrakofan'ny mpampahalala vaovao ao an-toerana [ka], dia efa naminany ihany koa fa hiharatsy ity raharaha ity rehefa mandao an'i Tbilisi ilay mpilalao sarimihetsika avy any Hollywood:

“შერონის პირველი დღე თბილისში”, “შერონის მეორე დღე თბილისში”, “შერონი ქართულ რესტორანში”, “შერონმა წაუცეკვა”, “ჰოლივუდის ვარსკვლავს მშვიდობის ხიდი მოეწონა”, “შერონი მხარს უჭერს საქართველოს სუვერენიტეტს და ტერიტორიულ მთლიანობას”, “შერონი გმობს პუტინის ოკუპანტურ რეჟიმს”, “შერონი ჩაფრინდა და იწერება – კარგად ვარო”, “შერონს ქართული სუფრა ენატრება” და მრავალი.

“Ny andro voalohany niainan'i Sharon tao Tbilisi,” “Ny andro faharoan'i Sharon tao Tbilisi,” “Sharon tao aminà trano fisakafoanana Zeorziana iray,” “Sharon mandihy,” “Tian'ilay kintana avy any Hollywood ilay tetezana vaovaon'ny fandriampahalemana,” “Manohana ny fiandrianam-pirenena sy ny maha iray tsy mivaky ny firenena Zeorziana i Sharon,” “Manameloka ny fibodoana fanjakana ataon'i Putin i Sharon,” “Lasa i Sharon ary niteny izy fa finaritra,” “Malahelo ny Supra Zeorziana sahady  i Sharon (Gerorgian Supra na ny hanim-pito loha Zeorziana)” sy ny maro hafa.

Ny Alatsinainy 06 Jona i Sharon Stone no mandao an'i Zeorzia.

Hajian-tsary mampiseho an'i Sharon Stone, azo jerena ao amin'ny Wikimedia (CC BY-SA 2.0).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.