Bilaogera Asongadina: Sabrina Sultana – Amin'ny Fony no Anoratany Bilaogy

Avy any Bangladesh i Sabrina Sultana no manoratra bilaogy ary tena tia manoratra tokoa. Iray amin'ireo bilaogera an-tapitrisany maneran-tany maneho ny heviny amin'ny fampiasàna ny aterineto izy. Nefa tsy tahaka ny rehetra akory i Sabrina; amin'ny fony tokoa no anoratany bilaogy.

Mety hanontany tena ianao, ahoana koa no hahamarina an'izany! Ny marina dia tsy afa-mihetsika toy ny antsika ny tànany, afaka fotsiny mandona ny fitendry izy amin'ny alalan'ireo rantsany roa sisa afa-miasa. Nefa ny fony dia mitepo hatrany hamoaka izay avy aminy amin'ny alalan'ny sorany.

Raha te-hahalala bebe kokoa momba an'i Sabrina sy ny bilaoginy ianao, ndeha hatombotsika avy ao Chittagong ny fitsidihana, tanàna amoron-tseranana ao Bangladesh ary nahaterahan'i Sabrina sy onenany amin'izao fotoana.

Hatrany amin'ny fahazazany no efa tia nanoratra i Sabrina. Lahatsoratra iray tao amin'ny The Daily Azadi, gazety iray mpiseho ao an-tananan'i Chittagong no mampahatsiahy [bn]:

সাবরিনার লেখালেখি শুরু হয়েছিল ১৯৯৮ সালে দৈনিক আজাদীর জনপ্রিয় ফিচার পাতা আজমিশালীতে। প্রথম প্রকাশিত লেখার শিরোনাম ছিল ‘স্বপ্ন কখনো সত্যি হয় না।’

Tamin'ny 1998 no nivoaka ny lahatsoratra voalohan'i Sabrina tao amin'ny pejy be mpamaky asongadin'ny  Daily Azadi, antsoina hoe Ajmisali. Ny lohatenin'izay tantara izay dia ny hoe “tsy misy nofy ho tanteraka mihitsy”.

Saingy namely azy ny loza taty aoriana [bn]:

’বেণী ঝুলিয়ে দুরন্তপনায় সারা বাড়ি মাতিয়ে রাখা সাবরিনা সাত বছর বয়সে মাসকুলার ডিসট্রফি নামে এক রোগে আক্রান্ত হয়ে চলৎশক্তি হারান। এই রোগ ধীরে ধীরে ক্ষয় করে দিচ্ছে তার শরীরের প্রতিটি অঙ্গ-প্রত্যঙ্গের শক্তি।

Adolantsento zatra manifikifika ny fatoram-bolony izy fahiny ary mampisaritaka ny ao an-trano amin'ny sangy ratsiny. Nefa nanomboka tsy afaka intsony izy teo amin'ny faha fito taonany rehefa namely azy ny aretina antsoina hoe Muscular dystrophy na tsy firindràn'ny fivoaran'ny nofo. Nanimba niandàlana ny tanjaky ny hozany sy ny fahafahany mihetsika io aretina io.

Nanomboka niatrika sedra vaovao izy nony very ny fahafahany mihetsika. Nilaozany ny sekoly ary voatery nihidy aman-trano samy irery tao an'efitranony. Nefa kosa ny sainy dia mifoha mandrakariva. Nony tonga ny aterineto dia nahita rirany hihoarana ny rindrina i Sabrina ka dia nanomboka nanoratra indray.

Tsy misy olona afaka misakana an'i Sabrina. Mpanoratra tsy laitra izy ary mandray anjara anatinà bilaogy samihafa, gazety, Facebook sns. Manoratra betsaka any anatin'ire sehatra fitorahana bilaogy Bangla i  Sabrina, toy ny Amar blog, Sachalayatan, Prothom-Alo blog, Choturmatrik, Shobdoneer sns.

Mety hanontany ianao, raha tsy afaka mihetsika tsara intsony ny hozany, fomba ahoana no ahafahany manoratra?

Ny bilaogera Md. Jakir hosain dia manazava ao anaty lahatsoratra iray nomeny anarana hoe “Aleo i Sabrina no ho ohatra” [bn]:

ব্লগিং করতে গেলে ভাবনার সাথে সাথে, শারীরিকভাবে কোমরের জোর যেমন থাকতে হয়। ঠিক তেমনি থাকতে হয় চোখের জোর। সাথে সাথে থাকতে হয় দুটি হাত এবং এর আঙ্গুলগুলোর নাচন, শক্ত এবং নিরেট কিবোর্ড এর সারাটা অংশ জুড়ে। সেখানেই সাবরিনার কষ্ট সবচেয়ে বেশি হয়। জিজ্ঞেস করেছিলাম- কি সমস্যা হয়? উনার উত্তর- তেমন কিছু না। হাতের আঙ্গুলগুলো একটু টাইপ করলেই টনটন করে সাথে প্রচণ্ড ব্যথা হয়। অনেক প্রচণ্ড ব্যথা হয়। থেমে পরি একটু টাইপ করেই।আবারও একটু পর শুরু করি। তখনও অবশ্য ব্যাথাটা যায় নি। তবুও লিখতে হয়। এমনও হয় মাথায় ঘুরছে একটি বিষয় নিয়ে লিখা। তা প্রকাশ করতে করতে হয়ত পনেরদিনও লেগে যায়। নিজের সবল আঙ্গুলগুলোর দিকে তাকিয়ে পালটা প্রশ্ন ছুড়ে দেই বিনীতভাবেই- আপনি মুখে বললেন আর অন্য কাউকে দিয়ে লিখিয়ে নিলেই তো হল। উনার উত্তর- এই কাজটুকুন না হয় আমি নিজেই করি।

Mila manana ny fahafenoany ara-batana ny bilaogera iray ankoatry ny fahafahana mandalina. Ny herin'ny fijeriny koa dia fanalahidy iray. Laroina amin'ny tanjaky ny tànana ary ny dihy ataon'ny rantsana, dia ireo fitaovan'ny zanak'olombelona ireo no mamorona ny teny eo amin'ny fitendry. Mahatsiaro fanaintainana i Sabrina rehefa mampiasa ny rantsany. Nanontany azy aho: “Inona no tena olana sedrainao rehefa manoratra?” Namaly tsotra izy: “tsy dia misy. Saingy rehefa avy mitendry elaela aho no manaintaina mafy ireo rantsana fanoratako. Indraindray tsy zakako ny fanaintainana. Dia miato kely aho, avy eo indray vao manohy. Reko foana ny fanaintainana saingy efa zatra aho ka tsy mijanona. Ohatra,  misy hevitra iray tonga ao an-dohako saingy mety ho 15 andro aorian'izay vao tafavoakako ny tantara”.

Mijery ny rantsako salama mbola afaka miasa tsara aho sady manontany azy; “Tsy mora kokoa ve ny hoe ianao miteny dia olon-kafa no manoratra?” Hoy izy mamaly: “Tsara ho ahy raha izaho ihany no mba manao izay asa tsotra kely izay”.

Bangladesh, firenena be olona misy mponina hatramin'ny 150 tapitrisa nefa dia tsy manana akory foto-drafitrasa ara-dalàna ho fanohanana sy fitsinjovana ny sembana. Ireo biraom-panjakana sy ny tsy miankina, ny seha-panabeazana, ny fitateram-bahoaka, foto-drafitrasa ho an'ny daholobe, toerana fialamboly sy fizahantany, ny tsena – saika ny ankamaroany mihitsy no tsy azon'ireo sembana aleha. Manolo-tena manoratra ho an'ireo mila fanampiana i Sabrina.

Ny bilaogin'i Sabrina:

Misolo vava an'ireo verezin-jo tsy mba afaka miaina ara-dalàna izy. Maneho ny ahiahiny ny amin'ny zon'ny sembana sy mampiaka-peo ho an'ireo tsy afaka milaza ny fanaintainany amin'izao tontolo izao koa izy. Sabrina koa dia manoratra ny fahatsapany manokana amin'ny alalàna teny majika.

Ao anatin'ny mombamomba azy no amariparitany ny tenany.

আমার কতো দাবি! কতো চাহিদা! কিছুই পাইনা। যেদিকে হাত বাড়াই সেদিকে অন্ধকার। সব জায়গায় নিয়ন্ত্রণ। সামাজিক নিয়ন্ত্রণ। রাষ্ট্রীয় নিয়ন্ত্রণ। প্রাকৃতিক নিয়ন্ত্রণ। সব নিয়ন্ত্রণে আমি বাঁধা আর গুমরে গুমরে কাঁদে আমার আশা আকাঙ্খা। ভালোবাসা!”

Be fangatahana aho! Be zavatra ilaina. Nefa tsy afa-mahazo azy ireny. Na aiza na aiza alehako dia haizina no mitsena ahy. Feno fameperana eny rehetra eny; fameperana ara-tsosialy, fameperana avy amin'ny fanjakana, fameperana apetraky ny natiora. Tsy afa-manoatra aho manoloana ireny fameperana rehetra ireny. Ny fanantenako sy ny fiandrasako izao, ary koa ny fitiavako dia samy mitomany mangiana.

Ny nofinofin'i Sabrina amin'izao fotoana izao dia ny mba ho afaka manao zavatra ho an'ireo olona sembana ao Bangladesh. Nanoratra ho an'ireo mpamaky azy izy ao amin'ny bilaogy Choturmatrik:

আপনি কি জানেন, আমি কেমন আছি? জানতে কি চান?
আমি ভালো আছি। বরাবরই আমি ভালো থাকারি চেষ্টা করি, ভালো না থাকার এ পৃথিবীতে! শুধু ভালো থাকতে হয় বলে। এই তো, বেশ হাসি মুখেই পার করে দিচ্ছি আমার দিন-রাত্তিরগুলো। কিন্তু ভালো থাকার এবং ভালো রাখার চেষ্টারত এই “আমি”র ভেতরে যার বসবাস আপনি কি জানেন, সে “আমি”টা দিনে দিনে কেমোন যেনো শুকিয়ে যাচ্ছে!?

Mba fantatrao ve, inona no ataoko? Tianao ny hahalala?Salama tsara aho. Miezaka ny hijery ny lafin-tsaran'ny fiainana aho, eto amin'ity tontolo tsy misy antra ity, satria tsy maintsy manao salama aho mba ho afa-miaina. Aza malahelo, mandany ny andro sy ny alina amin'ny tsiky aho. Saingy mba fantatrao ve fa ao anatin'io fisainako mijery ny lafy tsarany io dia miala aina miadana koa ilay tena “izaho”?

Hitan'i Sabrina fa ny hoe “tsia” no teny tena manjaka ao anatin'ny fiarahamoniny:

সমাজের হয়েও যেনো ভিন্ন এক জগতের বাসিন্দা আমি। আমারি কোন লক্ষ্য নেই, সমুজ্জল ভবিষ্যতের স্বপ্ন নেই। এমন কোন জায়গা নেই যাবার, যেখানে অন্তত খানিকটা সময় স্বস্থির শ্বাস ফেলা যায়। আমার অধিকারের জায়গাগুলোতে সিলমোহর এঁটে দিয়েছে ছোট্ট একটি শব্দ ‘না’G স্কুল-কলেজ-বিশ্ববিদ্যালয় ‘না’। সাংস্কৃতিক কিংবা সামাজিক অনুষ্ঠান ‘না’। বিনোদন কেন্দ্র বা খেলার মাঠ ‘না’। যাতায়াত ব্যবস্থা ‘না’। না, না, না-শুধু ‘না’! আপনি কি অনুভব করতে পারছেন, ‘না’ শুনতে শুনতে হাঁপিয়ে উঠেছি আমি, আমরা? এতটুকু ভাবার চেষ্টা করেছেন কি কখনো- আপনিও হতে পারতেন আমাদের মত একজন কিংবা হয়তো আপনারই কোনো আপনজন। প্রতিবন্ধিতা বুঝি অভিশাপ! তাই যদি না হয়, তবে এদেশের নাগরিক হয়েও যা আপনার অধিকার তা থেকে আমি কেন বঞ্চিত হবো?

Na dia hoe isan'ny mpikambana ao anatin'ity fiarahamonina ity aza aho, dia vahiny ihany. Tsy manan-tanjona amin'ny fiainana aho, tsy manana ho avy mamiratra. Tsy misy toerana mba azoko hivezivezena na hitoerana am-pilaminana mandritra ny fotoana fohy. Ny zoko rehetra dia bahanan'ilay teny matanjaka hoe  ‘tsia’. Any an-tsekoly, kolejy, Anjerimanontolo, misy foana ny teny hoe  ‘tsia’. Na any anaty raharaha ara-kolotsaina sy sosialy , misy ny teny  ‘tsia’. Ao aminà toerana iray  fialàna voly na toeram-pilalaovana, hita mandritra ny fotoana rehetra ny  ‘tsia’. Ho any anaty fiara fitateram-bahoaka, hoy ry zareo hoe ‘tsia’. Tsy tsapanao ve hoe tena mba reraka mandre an'ireny ‘tsia’ ireny izahay? Efa mba noeritreretinao ve, mety ho tonga tahaka ny iray aminay ianao na ny iray amin'ireo havan-tsy foinao no mety ho lasa tahaka anay? Ny maha-sembana eto Bangladesh dia ozona! Raha (miteny ianao) hoe tsy marina izany fa aiza ve dia olon'ity firenena ity aho ka no ho very zo?

Nanoratra koa izy taratasy misokatra iray ho an'ny praiminisitra ao  Bangladesh ao anatin'ny iray amin'ireo lahatsorany ao amin'ny bilaogy mangataka hoe:

আমাদের জন্য এমন কিছু করুন যাতে আমার মতো প্রতিবন্ধীরা আবারো স্বপ্ন দেখার সাহস অর্জন করে। কিছু একটা অবলম্বন করে বাঁচার সুযোগ পায়। যে ভয়াবহ যন্ত্রণার মধ্যে দিয়ে এখন আমাকে দিন যাপন করতে হয় আমি চাই না আর কোন প্রতিবন্ধী মানুষ বা তার পরিবার সে যন্ত্রণা ভোগ করুক।

Miangavy, mba jereo ny aminay mba hahafahan'ireo  sembana toa anay manonofy indray. Manam-pahasahiana hivelona miaraka amin'ny tsy fahafenoany izy ireo. Tsy tiako hisy olona sembana handalo ny adin-tsaina natrehako isan'andro vaky.

Tamin'ny 2009, noho ny fanampian'ireo namana sasantsasany, nitarika fanentanana iray ho an'ireo olona sembana i Sabrina. Bangladesh Systems Change Advocacy Network (B-Scan) dia nanokatra vondrona Facebook iray tamin'ny fanantenana fa hoe fandraisana andraikitra kely dia ampy hahavitana zavatra goavana. Amin'izao fotoana ity fikambanana ity dia efa manana ny vohikalany azy manokana ary miasa ho an'ireo olona sembana ao Bangladesh sy ho an'ny zon'izy ireny. B-scan dia manana hetsika maromaro ivelan'ny aterineto – manampy ara-bola ny mahantra sy ny sembana, seza misy kodiarana, na izay filàna hafa, sady amin'ny tranga sasany dia mitondra fanampiana koa ireo mpikambana avy amin'ny tontolon'ny bilaogy  Bangla na manampy amin'ny famoriam-bola.

Na eo aza ireny hetsika hafa rehetra ireny dia tsy nitsahatra ny nanoratra mihitsy i Sabrina. Ny fanoratana no tena fitiavany marina, ny fanaovana bilaogy dia  zavatra ankafiziny. Io fankafizany io dia mipaka any amin'ireo mpamaky azy ary tsy vevivery maina ny ezaka ataony. Tamin'ity taona ity tao anatin'ny Fifaninanana BOBS nampanaovin'ny Deutsche Welle dia isan'ny tafakatra ny bilaogin'i Sabrina ho isan'ireo bilaogy mendrika indrindra tamin'ny sokajy World's best blogs. Nivondrona tao an-damosiny ireo mpikambana ao amin'ny tontolon'ny bilaogy Bangla tamina lahatsoratra efa maherin'ny 150 mba ho fankaherezana ny mpamaky hifidy azy. Tany amparany dia tsy tafavoaka ho mpandresy tao amin'ny sokajy Safidin'ny mpitsidka izy (fa laharana faharoa) na ny Loka avy amin'ny mpitsara, nefa nanampy azy kosa io fifaninanana io mba ho hitan'ireo mpampita vaovao efa nahazatra tao an-toerana izay namoaka lahatsoratra nanasongadina azy.

Mankasitraka feno an'io fanohanana io i Sabrina, ary mihevitra izy fa misy hilàna azy izany mba hampahafantarana ny zon'ireo sembana ao  Bangladesh amin'olona marobe. Hoy iindrindra izy:

আমাদের বিশ্বাসের ভিত্তি আরো মজবুত হচ্ছে……আমাদের স্বপ্নের বাংলাদেশ একদিন অবশ্যই প্রতিবন্ধি মানুষের বাস যোগ্য দেশ হিসেবে গড়ে উঠবে।

Azoko atao ny manantena mafy ankehitriny…..ny Bangladesh nofinofinay ho azon'ny olona sembana iainana indray andro any.

Sary avy amin'i Salma Mahbub

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.