Ejipta: V na hoe Virijiny sa tsia?

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny  Revolisiona Ejipta 2011.

Taorian'ny fanamarinana ilay vaovao manafintohina momba ny fitsirihana ny maha-virijiny na tsia an'ireo vehivavy nanao hetsi-panoherana izay voatàna nandritra ny revolisiona Ejiptiana, hatezerana moa izany, tsy ireo vehivavy Ejiptiana ihany, fa hatramin'ny lehilahy izay tsy nety nino mihitsy fa hoe ireo niady ho an'ny fahamendrehana sy ny fahalalahana no hisetrasetrana amin'ny fomba mahamenatra tahaka izany. Fa rano kely nahatondraka ny ony, rehefa nivoaka ireo fijoroana vavolombelona tamin'ny volana Martsa, dia nandà ny fisian'izany ny  Supreme Council of Armed Forces (SCAF) na ny Filan-kevitra Ambonin'ny Tafika. Na izany aza, taoriana kelin'izay dia nisy jeneraly iray niaiky ny fisian'ilay fitsirihana ny maha-virijiny izay narovany tamin'ny filazana fa hoe tsy tovovavy Ejiptiana manaraka ny fenitra heverinao ireo voatàna ireo, ka nanao izany fitsirihana izany ny SCAF mba hisorohana ny fiampangana any aoriana fa hoe nisy ny herisetra ara-nofo.

Ity lahatsary ity, avy amin'i Tahrir Diaries, dia manasongadina fijoroana vavolombelona iray avy amin'ny iray tamin'ireo vehivavy nanaovana ilay fitsirihana:

Ny tohankevitra naroso hoe hisorohana ny fiampangana ho nanao herisetra ara-nofo sy faneriterena ara-tsaina ireo vehivavy nanao hetsi-panoherana am-pilaminana dia niteraka tafiotran-katezerana sy rikoriko.

Michelle Gonzalez nanoratra hoe:

Mety ho tratry ny fanaovana an-keriny daholo na iza na iza, tsy ijerena izay fironana ara-nofo ananany, na lahy na vavy, sy izay tantarany tany aloha, ny finoany, sns. Ny tohankevitra naroson'ity mpiasa tsy nitonona anarana avy amin'ny governemanta ity dia tsy mitombina sy azo elohina tsara mihitsy fa tsy mifanaraka amin'ny toetra maha-olona.

Fa i Zeinobia kosa niteny hoe:

Tiako be ilay hoe vantany vao miresaka momba io  #VirginityChecks / fitsirihana ny maha-virijiny io amin'olona aho dia avy hatrany ny fanamelohana azy io ho fanosihosena ny maha-olona no andraisany azy, tsy asiana resaka akory.

Ny fanitsakitsahana ny miafina indrindra amin'ny fiainam-behivavy dia efa faneriterena ara-nofo sahady hoy ny filazan'i Michelle ao anatin'io lahatsoratra io ihany nanoratra:

Ny fangatahana amin'ny vehivavy iray hamoaka ny antsipirihan'ny fiainany azy manokana momba ny resaka ara-nofo aminà solotenan'ny governemanta dia efa fanitsakitsahana ny zony hanana ny fiainany manokana.  Izay momba ny fiainana ara-nofon'ny olona manokana any tsy tokony mihitsy hisy idiran'izay fanasaziana avy amin'ny fanjakana mba hilalaovana ny fitokisana ny olona iray.

Sorabaventy iray avy amin'ny fijoroana nanoherana ny SCAF izay mivaky hoe "Tsipika Mena Ny Anabavinay".

Anatinà lahatsoratra iray izay iresahana ny fototry ny faneriterena ara-nofo misy ao Ejipta, malelabelatra ny tanjon'ilay fitsirihana ny maha-virijiny i Ayman Ashour araka izay fomba fijeriny:

Ny tanjona dia ny hanàla baraka amin'ny resaka ara-nofo ary farany dia ny handrakotra henatra an'ireo vehivavy ireo. Ireo izay nanao ity fihetsika mamohehatra ity dia mahafantatra tsara ny maha sarotiny ny Ejiptiana amin'ny hymen (Avy amin'ny mpandika: nofo manify izay mitahiry ny maha virijiny ny vehivavy alohan'ny firaisana ara-nofo voalohany ataony). Ny fomba fiteny hoe valin-kafatra ho an'ny revolisiona dia nampiasaina be tokoa tao Ejipta tato ho ato, saingy tsy fahitako ny ohatra mibaribary amin'ny fitondrantena feno heloka bevava toy ity ho valin-kafatra ho an'ny revolisiona , fomba barbariana sy an-kerisetra hakàna an'i Tahrir avy amin'ireto vehivavy feno fahasahiana sy mahery fo ireto.

Anton-dresaka saropady mandrakariva any Ejipta ny hymen.. tsy hoe felaka tehamaina fotsiny eny amin'ny tavan'ny antsasaky ny Ejiptiana ireo fiampangana sy fihetsika natao, fa koa ho an'ireo foto-kevitra roa lehibe ijoroan'ny revolisiona Ejiptiana – ny fahamendrehana sy ny fahalalahana.

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny  Revolisiona Ejipta 2011.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.